Apokalipsa, Na Fanambaràna nosoratan'i Md. Joany

Toko faha-14

20 Nohosena teny ivelan'ny tanàna ny famiazana, ka rà nahadifotra hatramin'ny vin-damboridin-tsoavaly no nivoaka avy ao, sy nitobaka hatramin'ny enin-jato sy arivo stady.

Toko faha-15

1 Rahefa izany, dia nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra aho, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin'ireo no hanaperana ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan'ny anarany no nitsangana teo amoron'io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp'Andriamanitra.

3 Ny hiran'i Moizy mpanompon'Andriamanitra sy ny hiran'ny Zanak'ondry no nohirain'izy ireo, ka hoy izy: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan'ny taona mandrakizay! 4 Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa hianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria niseho miharihary ny fitsaranao! 5 Taorian'izany, indro hitako novohana ny tempoly nisy tranolain'ny fanambarana tany an-danitra,

6 ka nivoaka avy tao amin'ny tempoly ny anjely fito nitondra ny loza fito; niakanjo rongonim-bazaha fotsy mamirapiratra izy ireo, ary nihetra fehin-kibo volamena nanodidina ny tratrany. 7 Dia natolotry ny iray amin'ny Zava-manana aina efatra ny anjely fito ireto kapoaka volamena fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra, izay velona mandrakizay mandrakizay, 8 ka feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy ny heriny ny tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin'ny tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin'ny anjely fito.

Toko faha-16

1 Ary nandre feo mahery avy tao amin'ny tempoly aho, nilaza tamin'ny anjely fito hoe: Mandehana araraho amin'ny tany ny ao amin'ny kapoaka fito, feno ny fahatezeran'Andriamanitra.

2 Dia nandeha ny voalohany, nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'ny tany, ka nisy vay ratsy sady nampijaly mafy namely ny olona izay nisy ny mariky ny Biby sy izay nivavaka tamin'ny sariny.

3 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'ny ranomasina koa ny anjely faharoa, dia tonga tahaka ny ràn'olona maty ny ranomasina, ka maty avokoa ny zava-manana aina rehetra tao anatiny.

4 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'ny ony sy ny loharano koa ny anjely fahatelo, dia tonga rà ny rano.

5 Ary reko ny anjelin'ny rano nanao hoe: Marina hianao izay ankehitriny sy taloha, ary masina hianao izay nitsara toy izao. 6 Fa nandatsaka ny ran'ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha rà kosa no nomenao hosotroiny. 7 Dia nisy hafa tao amin'ny otely reko nanao hoe: Eny, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! marina sy ara-drariny ny fitsaranao. 8 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'ny masoandro koa ny anjely fahefatra, dia nasaina nandoro ny olona tamin'ny afo io,

9 ka main'ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny anaran'Andriamanitra, izay manam-pahefana amin'ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra azy Tompo. 10 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'ny seza fiandrianan'ny Biby koa ny anjely fahadimy, dia tonga maizina ny fanjakany ka nanaikitra ny lelany ny olona noho ny fijaliany;

11 nefa ny manevateva an'Andriamanitra noho ny fijaliany sy ny feriny no nataony, fa tsy ny mibebaka tamin'ny asany. 12 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin'i Eofrata, ony lehibe koa, ny anjely fahenina, dia naharìtra ny ranony, mba hisy làlan-kalehan'ny mpanjaka avy any atsinanana.

13 Dia nisy fanahy maloto telo, hoatra ny sahona, hitako nivoaka avy any am-bavan'ny Dragona, sy avy any am-bavan'ny Biby, ary avy any am-bavan'ny mpaminany sandoka.

14 Fanahin'ny demony ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin'ny mpanjakan'ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin'ilay andro lehiben'Andriamanitra tsitoha.- 15 Indro, avy toy ny mpangalatra aho. Sambatra izay miambina sy mitana ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana izy ka ho hita ny fahamenarany. - 16 Ary any amin'ny fitoerana atao amin'ny teny hebrio hoe: Armagedòna no namoriana azy ireo. 17 Rahefa izany, nandraraka ny teo anaty kapoakany tamin'ny rivotra ny anjely fahafito, dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.

18 Ka nisy tselatra sy feo ary kotro-baratra mbamin'ny horohoron-tany; tsy mbola nisy horohoron-tany mafy hoatra izany na oviana na oviana, hatrizay nisian'ny olona tety ambonin'ny tany. 19 Nivaky telo tery ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan'Andriamanitra i Babilona lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain'ny fahatezerany mirehitra. 20 Ny nosy, nandositra daholo; ny tendrombohitra, tsy hita intsony, 21 ary ny olona nilatsahan'ny havandra vaventy be avy any an-danitra sahabo ho lanjan-talenta iray ny iray, ka nanevateva an'Andriamanitra izy ireo, noho ny loza avy amin'ny havandra, fa loza lehibe loatra izany.

Toko faha-17

1 Dia nanatona ahy ny iray tamin'ny anjely fito, ka nanao tamiko hoe: Avia, fa hasehoko anao ny fitsarana ilay Vehivavy janga malaza, mipetraka amin'ny rano lehibe maro,

2 izay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sy nahamamo ny mponina ambonin'ny tany tamin'ny divain'ny fijangajangany. 3 Dia nentiny am-panahy nankany an'efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an'Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako. 4 Lamba volom-parasy sy jaky no nitafian-dRavehivavy, volamena sy vato soa ary voahangy no niravahany, ary kapoaka volamena feno zava-betaveta no teny an-tànany, dia ny zava-maloton'ny fijangajangany izany. 5 Nisy anarana, dia anarana miafin-kevitra voasoratra teo an-kandriny, nanao hoe: Babilona lehibe, Renin'ny fijangajangana sy ny zava-betaveta amin'ny tany. 6 Hitako fa mamon'ny ran'ny olo-masina sy ny ran'ny martirin'i Jesoa io Vehivavy io, ka gaga loatra aho nahita azy. 7 Ary hoy ilay anjely tamiko: Nahoana no gaga hianao? Indro hasehoko anao ny hevi-miafin'ilay Vehivavy sy ny Biby fito loha manan-tandroka folo.

8 Ny Biby, ilay efa hitanao, dia teo ihany, ary tsy eo izao, nefa efa hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hankany amin'ny fahaverezana. Ho gaga ny mponina ety an-tany, izay tsy mba voasoratr'anarana ao amin'ny bokin'ny fiainana hatramin'ny nanorenana an'izao tontolo izao, amin'ny fahitana ity Biby, noho izy teo ihany, ary tsy eo intsony, nefa mbola ho avy indray. 9 Ary eto no ilana saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dRavehivavy, sady mpanjaka fito koa ireo:

10 ny dimy moa efa lavo, ny iray dia eo, ny iray mbola tsy tonga, ary rahefa tonga izy dia tsy maintsy hitoetra kelikely. 11 Ny Biby izay teo kosa, nefa tsy eo intsony, no fahavalo, sy anisan'izy fito ihany, ary mankany amin'ny fahaverezana. 12 Ireo tandroka folo efa hitanao indray, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana, nefa handry fahefan'ny mpanjaka sy hiara-manjaka ora iray amin'ny Biby. 13 Miray hevitra izy ireo, ary manolotra ny hery amam-pahefany amin'ny Biby. 14 Hiady amin'ny Zanak'ondry izy rehetra, nefa ho resin'ny Zanak'ondry, satria izy no Tompon'ny tompo, sy Mpanjakan'ny mpanjaka, ary ny voantso sy olom-boafidy sady mahatoky no momba azy. 15 Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.

16 Ny tandroka folo efa hitanao tamin'ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin'ny afo. 17 Fa Andriamanitra efa nanome fo azy ireo hanatanteraka ny heviny, sy hanome ny fanjakany ho an'ny Biby, mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra. 18 Ary Ravehivavy hitanao no ilay tanàna lehibe, izay mifehy ny mpanjakan'ny tany.

Toko faha-18

1 Taorian'izany, dia hitako nidina avy any an-danitra ity anjely anankiray hafa koa, nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin'ny voninahiny.

2 Niantso tamin'ny feo mahery izy, nanao hoe: Rava, rava Babilona lehibe, ka tonga fonenan'ny demony, sy fitoeran'ny fanahy maloto rehetra, ary fieren'ny vorona maloto halan'ny olona rehetra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1767