Ny Fanisana
Toko faha-4
10 ary hataony ao anatin'ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin'ny filanjana azy. 11 Ny otely volamena dia hovelarany lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony. 12 Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin'ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hapetrany eo ambonin'ny filanjana azy. 13 Hesoriny ny lavenona eo amin'ny otely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny; 14 ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin'ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron'afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny otely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony. 15 Rahefa vitan'i Aarona sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak'i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan'ny taranak'i Kaata. 16 Elezara zanak'i Aarona mpisorona, no hitandrina ny diloilon'ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin'izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin'ny fanaka rehetra momba azy. 17 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe:18 Tandremo sao ho voafongotra ny fokon'ny fianakavian'ny Kaatita eo afovoan'ny Levita. 19 Izao no ataovy amin'izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Aarona sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy, 20 fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipy maso aza, fandrao maty izy. 21 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:
22 Isao koa ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany avy; 23 ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 24 Izao no fanompoana hataon'ny fokon'ny Gersonita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany.
25 Hitondra ny ambain'ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin'ny firakony ary ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay ao amin'ny fidiran'ny trano lay fihaonana, 26 ny fefy lamban'ny kianja, ny vavahady lamba izay eo amin'ny fidiran'ny kianja manodidina ny Fonenana, sy ny otely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany. 27 Aarona sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon'ny taranaky ny Gersonita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny. 28 Izany no fanompoan'ny fianakavian'ny zanaky ny Gersonita amin'ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin'ny fitandreman'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona. 29 Alao isa ny taranak'i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
30 ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 31 Ka izao no homena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin'ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin'ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany, 32 ny andry amin'ny kianja manodidina azy, ny faladian'ireo, ny tsimany, ny kofehiny, mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran'ny zavatra nomena hoentiny. 33 Izany no fanompoan'ny fianakavian'ny zanak'i Merary, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan'Itamara, zanak'i Aarona mpisorona. 34 Ary Moizy sy Aarona mbamin'ny filohan'ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
35 hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana. 36 Dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo no isan'ny voaisa araka ny fianakaviany. 37 Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin'ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. 38 Ny voaisa tamin'ny taranak'i Gersona araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
39 ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana, 40 dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy. 41 Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Gersona, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin'ny trano lay fihaonana. Didin'ny Tompo no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. 42 Ny voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
43 ny hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin'ny trano lay fihaonana, 44 dia roan-jato sy telo arivo no voaisa, araka ny fianakaviany avy. 45 Ireo no voaisa tamin'ny fianakavian'ny taranak'i Merary. Didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovan'i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. 46 Ny voaisa rehetra tamin'ny Levita, izay nisain'i Moizy sy Aarona mbamin'ny filohan'Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy,
47 hatramin'ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin'ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin'ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana. 48 dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo no voaisa. 49 Noho ny didy nomen'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy izy ireo.
Toko faha-5
1 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:2 Asaovy avoaky ny zanak'Israely any ivelan'ny toby izay rehetra boka, na voan'ny fitsihana, na voaloton'ny faty. 3 Avoahy any ivelan'ny toby avokoa ireny, na lahy na vavy, mba tsy handoto ny tobiny, izay onenako eo afovoany. 4 Dia nataon'ny zanak'Israely izany, ka navoakany any ivelan'ny toby ireny: araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy no nataon'ny zanak'Israely. 5 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:
6 Lazao amin'ny zanak'Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy diso amin'ny Tompo manao fahotana isan'ireo mahafaty antoka ny namana, fa tsy manaraka an'ny Tompo, ka dia meloka izy, 7 dia tsy maintsy hiaiky ny fahotany, sy hamerina ny zavatra rehetra azony tsy an-drariny, tongoaviny ny fahadiminy, hatolony amin'izay olona nanaovany hadisoana. 8 Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo hamerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an'ny Tompo izany zavatra izany, ho an'ny mpisorona, miaraka amin'ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an'ilay meloka. 9 An'ny mpisorona ny fanatitra rehetra avahana amin'ny zava-masina aterin'ny zanak'Israely amin'ny mpisorona; 10 azy avokoa ny zavatra atokan'ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen'ny olona ho an'ny mpisorona dia ho azy.