Ny Fanisana

Toko faha-5

11 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

12 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ka lazao aminy hoe: Na iza na iza vehivavy manambady, mivily ka manao izay mahadiso azy amin'ny lahy, 13 fa misy lehilahy hafa miray aminy, nefa zavatra miafina amin'ny mason'ny lahy izany, fa mangingina no anaovan-dravehivavy fahalotoana, tsy misy vavolombelona hiampanga azy, ary tsy azo olan-tànana izy; 14 raha voan'ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana; na raha voan'ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy nanao fahalotoana, 15 dia hoentin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin'ny vavy izy, dia lafarina orja am-pahafolon'ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io. 16 Ary ny mpisorona hampanatona an-dravehivavy hitsangana eo anatrehan'ny Tompo;

17 dia haka rano masina amin'ny lovia tany ny mpisorona ka hasiany vovoka nalainy avy amin'ny tanin'ny Fonenana ny rano. 18 Hasain'ny mpisorona hitsangana eo anatrehan'ny Tompo ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tànan'izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona. 19 Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana hianao, raha mbola eo am-pelatànan'i vadinao dia afàha amin'ity rano mangidy mitondra ozona ity hianao. 20 Fa raha nivily kosa nanao fahalotoana hianao, dieny mbola eo am-pelatànan'i vadinao, fa lehilahy hafa afa-tsy i vadinao no nandry taminao, 21 dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin'ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: Aoka Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin'ny firenenao, ka hampifezaka ny ilanao sy hampivonto ny kibonao; 22 ary aoka ity rano mitondra ozona ity no hiditra ao an-kibonao, ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny ilanao. Dia hiteny ravehivavy hanao hoe: Amena, amena. 23 Hosoratan'ny mpisorona amin'ny horonan-taratasy izany fanozonana izany, vao hosasany amin'ny rano mangidy indray,

24 dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano mangidy mitondra ozona ary hiditra ao anatiny ka ho mangidy aminy ny rano mitondra ozona. 25 Dia halain'ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tànan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan'ny Tompo sy hoentiny eo akaikin'ny otely.

26 Ary handraofany eran-tànan'ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin'ny otely; rahefa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano. 27 Rahefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao no hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin'ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin'ny fireneny izany vehivavy izany. 28 Fa raha tsy nanao fahalotoana kosa ravehivavy, fa madio, dia ho afaka izy, ary hanana anaka. 29 Izany no lalàna momba ny fiahiahiana, raha misy vehivavy eo am-pelatànana'ny lahy, nivily nanao fahalotoana;

30 na misy lehilahy azon'ny fiahiahiana, ka miahiahy ny vadiny, dia hasainy mitsangana eo anatrehan'ny Tompo ny vadiny, ary hampiharin'ny mpisorona aminy izany lalàna rehetra izany; 31 ka ralehilahy tsy hanan-tsiny, fa ny vavy no hitondra ny fahotany.

Toko faha-6

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

2 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mitokana noho ny voady, dia voady ho nazareana izany, mba hanokan-tena ho voninahitra ho an'ny Tompo, 3 dia hifady divay amam-pisotro mahamamo izy; tsy hisotro vinaingitra avy amin'ny divay na vinaingitra avy amin'ny fisotro mahamamo. Rahefa mety ho ranom-boaloboka tsy hisotroany akory, ary tsy hihinam-boaloboka koa, na ny lena na ny maina. 4 Mandritra ny fotoana rehetra maha-nazareana azy, dia tsy hihinan-javatra avy amin'ny voaloboka izy, hatramin'ny voany ka hatramin'ny hodiny. 5 Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiany ho nazareana, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan'ny Tompo, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany. 6 Mandritra ny fotoana rehetra itokanany ho hajan'ny Tompo dia tsy hiditra am-paty izy; 7 na dia ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza no maty, dia aoka tsy handoto tena amin'ireo izy, fa efa eo an-dohany ny fitokanany ho an'ny Andriamaniny. 8 Voatokana ho an'ny Tompo izy, amin'ny fotoana rehetra maha-nazareana azy. 9 Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin'ny fandiovana azy; amin'ny andro fahafito no hanaratany azy. 10 Ary amin'ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na vanto-boromailala roa amin'ny mpisorona izy, eo anoloan'ny trano lay fihaonana. 11 Ary ny mpisorona hanolotra ny anankiray ho sorona noho ny ota, ny iray kosa ho sorona dorana; dia hanao ny fanonerana ho azy, noho ny otany ny amin'ny faty. Hanokana ny lohany ilay nazareana amin'izany andro izany. 12 Hanokana ho an'ny Tompo ny andro haha-nazareana azy, ary hanatitra zanak'ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto. 13 Izao no lalàna mahazo ny nazareana: Rahefa tapitra ny andro maha-nazareana azy, dia hasaina mankeo am-baravaran'ny trano lay fihaonana izy;

14 ka hanatitra ny fanatiny ho an'ny Tompo, zanak'ondry efa iray taona, tsy misy kilema, iray hatao sorona dorana; ondrivavy iray tsy misy kilema, efa iray taona, hatao sorona noho ny ota; ondrilahy iray tsy misy kilema hatao fanati-pihavanana; 15 ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin'ny lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin'ny fanatitra sy ny fanatitra araraka. 16 Hatolotry ny mpisorona an'ny Tompo ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana. 17 Dia hatolony ny ondrilahy ho fanati-pihavanana amin'ny Tompo, mbamin'ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon'ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy. 18 Ilay nazareana kosa hanaratra ny lohany voatokana, eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana; dia halainy ny volon-dohany voatokana ka hataony ao amin'ny afo eo ambanin'ny fanati-pihavanana. 19 Ary halain'ny mpisorona ny sorok'ondralahy rahefa masaka, mbamin'ny mofo tsy misy lalivay amin'ny harona, sy ny mofo manify tsy misy lalivay, ka hataony eo an-tànan'ilay nazareana, rahefa voaharatra ny lohany voatokana, 20 dia hahevahevan'ny mpisorona eo anatrehan'ny Tompo ireo. Zava-masina anjaran'ny mpisorona izany, fanampin'ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian'izany, dia mahazo misotro divay ny nazareana. 21 Izany no lalàna ny amin'ny nazareana izay nivoady, izany no fanatiny ho an'ny Tompo amin'ny maha-nazareana azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin'ny maha-nazareana azy.

22 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

23 Mitenena amin'i Aarona sy ny zanany hoe: Hitso-drano ny zanak'Israely hianareo, dia hanao aminy hoe: 24 Hitahy anao sy hiaro anao anie Iaveh. 25 Hampamirapiratra ny tavany aminao sy hamindra fo aminao anie Iaveh. 26 Hanandratra ny tavany aminao sy hanome fiadanana anao anie Iaveh. 27 Dia izany no hametrahany ny anarako amin'ny zanak'Israely, ary izaho hitahy azy.

Toko faha-7

1 Tamin'ny andro nahavitan'i Moizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, hatramin'ny otely mbamin'ny fanaka rehetra momba azy koa, rahefa nanosotra sy nanamasina an'ireo izy,

2 dia nanatitra ny fanatiny ny lehibe amin'Israely izay filohan'ny isam-pokony avy; izy ireo no filohan'ny isam-poko izay nitarika ny fanisana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1632