Ny Fanisana
Toko faha-7
53 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Elisamà zanak'i Amioda. 54 Tamin'ny andro fahavalo, an'i Gamaliela, zanak'i Fadasora, filohan'ny zanak'i Manase;55 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 56 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 57 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taoana, ho sorona dorana; 58 osilahy iray, ho sorona noho ny ota, 59 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Gamaliela zanak'i Fadasora. 60 Tamin'ny andro fahasivy an'i Abidàna zanak'i Jejeona, filohan'ny zanak'i Benjamina;
61 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 62 lovia kely volamena iray, feno zava-manitra; 63 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 64 osilahy iray ho sorona noho ny ota; 65 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Abidàna, zanak'i Jedeona. 66 Tamin'ny andro fahafolo, an'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa, filohan'ny zanak'i Dana;
67 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 68 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra, 69 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 70 osilahy iray ho sorona noho ny ota; 71 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahiesera, zanak'i Amisadaìa. 72 Tamin'ny andro faharaika ambin'ny folo, an'i Fegiela, zanak'i Okarana, filohan'ny zanak'i Asera;
73 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 74 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 75 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana, 76 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 77 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Fegiela zanak'i Okrana. 78 Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo, an'i Ahirà, zanak'i Enàna, filohan'ny zanak'i Neftalì;
79 izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; 80 lovia kely volamena iray, folo sikla, feno zava-manitra; 81 vantotr'ombalahy iray, ondralahy iray, zanak'ondry iray, efa iray taona, ho sorona dorana; 82 osilahy iray, ho sorona noho ny ota; 83 ary omby roa, ondralahy dimy, osilahy dimy, zanak'ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr'i Ahirà zanak'i Enàna. 84 Ireo no fanomezana avy amin'ny filohan'Israely, tamin'ny fitokanana ny otely, tamin'ny andro nanosorana azy; lovia volafotsy roa ambin'ny folo, kapoaka volafotsy roa ambin'ny folo, ary lovia kely volamena roa ambin'ny folo.
85 Ny lovia volafotsy lanjana telopolo amby zato sikla avy, ary ny kapoaka, fitopolo avy; ka efa-jato amby roa arivo sikla, araka ny sikla masina, no tontalin'ny volafotsy amin'ireo fanaka ireo. 86 Ny lovia kely volamena roa ambin'ny folo, feno zava-manitra, dia samy folo sikla avy, araka ny sikla masina; roapolo amby zato sikla no tontalin'ny volamenan'ny lovia kely. 87 Ny tontalin'ny biby hatao sorona, dia vantotr'ombalahy roa ambin'ny folo; ondralahy roa ambin'ny folo sy zanak'ondry roa ambin'ny folo, efa iray taona, mbamin'ny fanatitra momba azy; osilahy roa ambin'ny folo, hatao sorona noho ny ota; 88 ny tontalin'ny biby hatao sorom-pihavanana, dia omby efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, ary zanak'ondry efa iray taona, enimpolo. Ireo no fanomezana naterina tamin'ny fitokanana ny otely, nony efa voahosotra izy. 89 Raha niditra tao amin'ny trano lay fihaonana i Moizy, mba hiteny tamin'ny Tompo, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin'ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona, anelanelan'ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy.
Toko faha-8
1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:2 Mitenena amin'i Aarona, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin'ny fanaovan-jiro hianao, dia ataovy manazava eo anoloan'ny fanaovan-jiro ny lalampy fito. 3 Dia nataon'i Aarona izany, napetrany eo amin'ny anoloan'ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 4 Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny voniny. Modely nasehon'ny Tompo an'i Moizy no nanaovany azy. 5 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:
6 Avaho amin'ny zanak'Israely ny Levita, ka diovy. Toy izao no hanadiovanao azy. 7 Fafazo rano fanonerana izy: aoka izy hanaratra ny tenany rehetra sy hanasa ny fitafiany, dia hidio izy. 8 Dia haka vantotr'ombalahy iray hafa hianao, ho sorona noho ny ota. 9 Hasainao handroso eo anoloan'ny trano lay fihaonana ny Levita, ary hovorinao ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra. 10 Ny Levita, hasainao hanatona eo anatrehan'ny Tompo, ary ny zanak'Israely hametraka ny tànany amin'ny Levita; 11 Aarona hanolotra ny Levita ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'ny Tompo, avy amin'ny zanak'Israely, mba ho voatokana hanao ny fanompoan'ny Tompo izy ireo. 12 Ny Levita hametra-tànana amin'ny lohan'ny ombalahy, ka ny iray hatolotrao ho sorona noho ny ota, ary ny iray ho sorona dorana ho an'ny Tompo, mba hanaovana ny fanonerana ho an'ny Levita. 13 Dia asaovy mijoro eo anatrehan'i Aarona sy ny zanany ny Levita, ka atolory ho fanatitra ahevaheva ho an'ny Tompo.