Ny Fanisana

Toko faha-8

14 Havahanao amin'ny zanak'Israely ny Levita, ka dia ho ahy ny Levita; 15 ary rahefa izany, dia hiditra hanao fanompoana amin'ny trano lay fihaonana ny Levita. Toy izany no hanadiovanao azy sy hanoloranao azy ho fanatitra ahevaheva. 16 Fa efa nomena ahy mihitsy izy eo afovoan'ny zanak'Israely; nalaiko ho ahy, ho solon'ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy, 17 dia ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra, na amin'ny olona na amin'ny biby; tamin'ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho ahy. 18 Ary ny Levita no nalaiko ho solon'ny lahimatoan'ny zanak'Israely rehetra; 19 dia natolotro mba ho an'i Aarona sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin'ny zanak'Israely mba hanao ny fanompoan'ny zanak'Israely ao amin'ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an'ny zanak'Israely, mba tsy ho voan'ny loza na inona na inona ny zanak'Israely, rahefa hanakaiky ny fitoerana masina. 20 Dia nataon'i Moizy sy Aarona mbamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra tamin'ny Levita, izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy momba ny Levita; izany no nataon'ny zanak'Israely tamin'izy ireo.

21 Nandio tena sy nanasa ny fitafiany ny Levita, ary Aarona nanolotra azy ho fanatitra ahevaheva teo anatrehan'ny Tompo sy nanao ny fanonerana ho azy ireo, mba hanadio azy; 22 rahefa izany, dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin'ny trano lay fihaonana teo anatrehan'i Aarona sy ny zanany. Araka izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy ny amin'ny Levita, dia araka izany no natao tamin'izy ireo. 23 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

24 Izao ny amin'ny Levita: Hatramin'ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra, dia hilatsaka hanao ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana izy ireo hanaovany raharaha ao. 25 Rahefa dimampolo taona izy, dia hiala amin'ny raharaha ka tsy hanao ny fanompoana intsony. 26 Hanampy ny rahalahiny ihany izy ao amin'ny trano lay fihaonana, hitandrina izay rehetra tsy maintsy harahina, fa tsy hanao ny fanompoana intsony izy. Izany no hataonao amin'ny Levita momba ny raharahany.

Toko faha-9

1 Tamin'ny volana voalohany amin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany tany amin'ny tany Ejipta, dia niteny tamin'i Moizy Iaveh tany an'efitra Sinaia, ka nanao hoe:

2 Aoka ny zanak'Israely hanao ny Paka amin'ny fotoana voatendry. 3 Amin'ny fotoana voatendry, amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ity volana ity, amin'ny àty takariva, no hanaovanareo azy: io no fotoana voatendry; ataonareo izany araka ny lalàna amam-pitsipika rehetra momba azy. 4 Dia niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy mba hanaovan'izy ireo ny Paka. 5 Ka tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana voalohany, tamin'ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an'efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin'ny zanak'Israely avokoa izay rehetra nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 6 Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin'izany andro izany. Nankeo anatrehan'i Moizy sy Aarona andron'izay ihany izy ireo, ka nanao tamin'i Moizy hoe:

7 Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin'ny Tompo amin'ny fotoana voatendry, eo afovoan'ny zanak'Israely? 8 Hoy ny navalin'i Moizy azy: Andraso aloha handrenesako izay handidian'ny Tompo anareo. 9 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Raha misy aminareo, na amin'ny taranakareo, maloto amim-paty na lasa nivahiny any an-tany lavitra, dia hanao ny Paka ho hajan'ny Tompo izy; 11 amin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana faharoa kosa, amin'ny àty takariva no hanaovany azy: mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy no hiara-kohaniny aminy. 12 Tsy hamelany hisy tra-maraina izy, ary tsy hotapahiny ny taolany. Ho araka ny fitsipika rehetra momba ny Paka no hankalazany azy. 13 Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin'ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an'ny Tompo amin'ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy. 14 Raha vahiny mitoetra eo aminareo no manao ny Pakan'ny Tompo dia hotandremany ny lalàna amam-pitsipika momba ny Paka. Lalàna iray ihany no ho anareo, na ho an'ny vahiny na ho an'ny tompon-tany. 15 Tamin'ny andro nananganana ny Fonenana, dia nosaronan'ny rahona ny Fonenana, dia ny trano lain'ny vavolombelona izany: nisy zavatra mitarehin'afo teo ambonin'ny Fonenana hatramin'ny hariva ka mandra-pahamarain'ny andro.

16 Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin'afo izy amin'ny alina. 17 Nony nisondrotra niala tamin'ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak'Israely; ary eo amin'izay ijanonan'ny rahona no itobiany. 18 Didy avy amin'ny Tompo no niaingan'ny zanak'Israely nifindrany toby; didy avy amin'ny Tompo no nitobiany; ary naharitra nitoby teo izy mandritra izay nipetrahan'ny rahona teo ambonin'ny Fonenana. 19 Raha nipetraka ela teo ambonin'ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin'ny Tompo ny zanak'Israely, ka tsy nifindra. 20 Toy izany koa raha andro vitsy foana no nipetrahan'ny rahona teo ambonin'ny Fonenana; didin'ny Tompo no nitobiany, didin'ny Tompo no niaingany. 21 Raha nipetraka hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo. 22 Raha nipetraka teo ambonin'ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak'Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo. 23 Didin'ny Tompo no nitobiany, didin'ny Tompo no niaingany: nitandrina ny didin'ny Tompo izy ireo, araka ny tenin'ny Tompo izay nomeny tamin'ny alàlan'i Moizy.

Toko faha-10

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:

2 Manaova trompetra volafotsy roa; ka ataovy amin'ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy. 3 Nony tsofina ireo dia hivory ao aminao ny fiangonana rehetra ao anoloan'ny trano lay fihaonana. 4 Raha trompetra iray ihany no tsofina, dia ny filohany, ny mpifehy arivo amin'Israely no hivory ao aminao. 5 Raha tsofinao mikarantsana, dia ireo mitoby eo amin'ny lafiny atsinanana no hiainga. 6 Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin'ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin'ny fiaingany. 7 Ary hotsofinao fa tsy hatao mikarantsana amin'ny fiantsoana ny fiangonana. 8 Ireo mpisorona zanak'i Aarona, no hitsoka ny trompetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany. 9 Any amin'ny taninareo raha handeha hiantafika amin'ny fahavalo mananika anareo hianareo, dia hitsoka ny trompetra atao mikarantsana, ka ho tonga ao amin'ny Tompo Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin'ny fahavalonareo. 10 Amin'ny andro fifalianareo sy amin'ny fetinareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trompetra hianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana ho anareo izany, eo anatrehan'ny Tompo Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo. 11 Tamin'ny taona faharoa andro faharoapolon'ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin'ny Fonenan'ny vavolombelona ny rahona.

12 Ka nanohy ny diany ny zanak'Israely, dia niala tao amin'ny efitra Sinaia, ary tany amin'ny efitra Faràna no nijanona ny rahona. 13 Izany no niaingany voalohany araka ny didin'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy. 14 Ny niainga voalohany, dia ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Joda araka ny antokony avy; ary ny antokon'i Joda, dia nofehezin'i Nahasona zanak'i Aminadaba.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1498