Ny Fanisana

Toko faha-10

15 Ny antokon'ny fokon'ny zanak'Isakara, dia nofehezin'i Natanaela zanak'i Soara; 16 ary ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Zabolona, dia nofehezin'i Eliaba, zanak'i Helona. 17 Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak'i Gersona sy ny zanak'i Merary. 18 Dia niainga ny fanevan'ny tobin-dRobena araka ny antokony avy, ary ny antokony dia nofehezin'i Elisora, zanak'i Sedeora;

19 ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Simeona, dia nofehezin'i Salamiela, zanak'i Sorisadaìa, 20 ary ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Gada, nofehezin'i Eliazafa, zanak'i Doela. 21 Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana. 22 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin'i Amioda;

23 ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Manase dia nofehezin'i Gamaliela zanak'i Fadasora, 24 ary ny antokon'ny fokon'i Benjamina dia nofehezin'i Abidana, zanak'i Jedeona. 25 Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny zanak'i Dana, araka ny antokony avy; izy no vody làlan'ny toby rehetra. Ny antokon'i Dana dia nofehezin'i Ahiezera zanak'i Amisadaia;

26 ny antokon'ny fokon'ny zanak'i Azera dia nofehezin'i Fegiela zanak'i Okdrana; 27 ary ny antokon'i Neftalì dia nofehezin'i Ahirà, zanak'i Enàna. 28 Izany no filaharan'ny zanak'Israely teny an-dàlana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo. 29 Ary hoy Moizy tamin'i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan'i Moizy: Ny dianay izao, dia ho any amin'ny tany nolazain'ny Tompo hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasianay soa hianao, satria Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an'Israely.

30 Fa izao no navalin'i Hobaba azy: Tsy handeha aho, fa hody amin'ny taniko sy ny havako. 31 Dia hoy Moizy: Masìna hianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an'efitra; ka dia hianao no ho masonay. 32 Raha miaraka aminay hianao, dia hataonay miombona izay soa hataon'ny Tompo aminay. 33 Nony niala tany an-tendrombohitry ny Tompo izy ireo dia nandeha làlan-kateloana, ary nandritra izany dia nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran'ny faneken'ny Tompo nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.

34 Ary rahefa niala tamin'ny toby izy ireo, dia teo amboniny mandritra ny andro ny rahon'ny Tompo. 35 Nony niainga ny fiara, dia hoy Moizy: Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny tavanao izay mankahala anao. 36 Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: Avia, ry Iaveh, miverena amin'ny isan'arivon'Israely tsy omby alinalina.

Toko faha-11

1 Nanomboka nimonomonona zavatra tsy mety tamin'ny sofin'ny Tompo ny vahoaka. Nandre an'izany Iaveh ka nirehitra ny hatezerany ary nirehitra tamin'izy ireo ny afon'ny Tompo, ka may ny teny an-tsisin'ny toby.

2 Dia nibabababa tamin'i Moizy ny vahoaka, ary Moizy nifona tamin'ny Tompo, ary maty ny afo. 3 Noho ny afon'ny Tompo nirehitra tamin'izy ireo dia nomena anarana hoe: Tabeerà io fitoerana io. 4 Nirehitry ny fahalianana ny benahoana tafaharo tamin'Israely; ary rafitra nitomany indray koa aza ny zanak'Israely nanao hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay?

5 Tsaroanay izany hazandrano, nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo sy ny tongolon-kova. 6 Izao kosa maina ny ainay; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay. 7 Nitovy amin'ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdelioma ny tarehiny. 8 Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin'ny vato fitotoam-bary, na nitoto azy tamin'ny laona, dia nahandro azy tamin'ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin'ny mofomamy misy diloilo ny tsirony. 9 Amin'ny alina filatsahan'ny ando amin'ny toby, no nilatsahan'ny mana ao koa. 10 Ren'i Moizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviany avy eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran'ny Tompo.

11 Dia nalahelo i Moizy ka nilaza tamin'ny Tompo hoe: Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana an'ity vahoaka ity? 12 Izaho va no torontoronina an'ity vahoaka rehetra ity, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: Trotroinao izy, toy ny itondran'ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin'ny tany izay nianiananao tamin'ny razany homena azy? 13 Aiza no hangalako hena homena an'izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: Omeo hena izahay hohaninay. 14 Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. 15 Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako. 16 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Anangony fitopolo lahy amin'ny loholon'Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin'ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao.

17 Fa hidina aho, ka hiteny aminao ao; ary haka amin'ny fanahy izay ao aminao aho, ka hametraka izany ao amin'izy ireo, mba hiarahany miadidy aminao ny fitondrana ny vahoaka, dia tsy ho anao irery intsony no hitondra azy. 18 Izao no lazao amin'ny vahoaka: Mankamasìna ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, dia hahazo hena hohanina hianareo, fa nitomany ka ren'ny sofin'ny Tompo hianareo nanao hoe: Iza no mba hanome hena hohaninay? Fa finaritra izahay tany Ejipta! koa homen'ny Tompo hena hianareo, dia hihinananareo izany. 19 Tsy andro iray, na roa, na dimy, na folo, na roapolo no hihinananareo izany, 20 fa hatramin'ny iray volana maninjitra, dia mandra-pivoakany amin'ny vavoronareo, sy hampaharikoriko anareo; satria hianareo efa nitsipaka an'ny Tompo izay eo afovoanareo, sy nitomany teo anatrehany nanao hoe: Naninona re no nivoaka tany Ejipta foana izahay? 21 Hoy Moizy: Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra.

22 Ny omby aman'ondry va no hovonoina ho azy ireo, mba ho ampy ho azy? sa ny hazandrano rehetra any an-dranomasina no hangonina, mba ho ampy ho azy. 23 Dia hoy ny navalin'ny Tompo an'i Moizy: Fohy loatra va ny tànan'ny Tompo? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako. 24 Dia nivoaka Moizy, ka nilaza ny tenin'ny Tompo tamin'ny vahoaka, ary nanangona fitopolo lahy tamin'ny loholon'ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay.

25 Nidina teo amin'ny rahona Iaveh dia niteny tamin'i Moizy; nangalany ny fanahy izay tao amin'i Moizy, ka nataony tao amin'ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany. 26 Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby; ary tonga tao amin'izy ireo ny fanahy; anisan'ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin'ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy.

27 Dia nihazakazaka nilaza izany tamin'i Moizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: Maminany atsy an-toby i Eldada sy Medada. 28 Niteny niaraka tamin'izay Josoe, zanak'i Nona, mpanompon'i Moizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Moizy tompoko ô, rarao izy roa lahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759