Ny Fanisana
Toko faha-11
29 Fa hoy ny navalin'i Moizy azy: Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan'ny Tompo, ary hataon'ny Tompo ao aminy ny ny fanahiny. 30 Dia nihataka nankeo an-toby Moizy sy ny loholon'Israely. 31 Ary nisy rivotra nifofofofo avy amin'ny Tompo ka nitondra papelika avy any amin'ny ranomasina, sy nandatsaka azy teny amin'ny toby, ka tokony ho làlana indray andro amin'ny lafiny iray manodidina ny toby no nisy azy, ary sahabo ho roa hakiho ambonin'ny tany izy.32 Dia nitsangana ny vahoaka ary nandritra izany andro izany, sy nandritra ny alina, ary ny ampitso tontolo andro, dia nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo gomaora, ary nahahiny izany manodidina ny toby mba ho azy ireo. 33 Kanjo raha mbola tao am-bavany ny hena, fa mbola tsy lany akory, dia nirehitra tamin'ny vahoaka ny fahatezeran'ny Tompo, ka nasian'ny Tompo tamin'ny loza mafy indrindra ny vahoaka. 34 Nomena anarana hoe Kibrota-Hataavà izany fitoerana izany, fa tao no nandevenana ny vahoaka izay nirehitry ny fahalianan-kanina. 35 Niainga avy tao Kibrota-Hataavà ny vahoaka ho any Hazerota, dia nijanona tao Hazerota.
Toko faha-12
1 Ary Maria mbamin'i Aarona nanome tsiny an'i Moizy noho ny amin'ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy.2 Hoy izy ireo: Moa dia amin'ny alàlan'i Moizy ihany va no efa nitenenan'ny Tompo? Moa tsy efa niteny tamin'ny alàlanay va izy? 3 Ren'ny Tompo izany. Moizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin'ny tany. 4 Niteny tampoka tamin'i Moizy sy Aarona ary Maria Iaveh nanao hoe: Mivoaha hianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana. Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy.
5 Ary Iaveh nidina tamin'ny andry rahona, ka nitoetra teo am-baravaran'ny trano lay. Niantso an'i Aarona sy Maria izy, dia nandroso izy mianadahy ireo; 6 ary hoy izy hoe: Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin'ny Tompo eo aminareo, dia fahitàna no isehoako aminy, ary nofy no itenenako aminy. 7 Tsy mba toy izany Moizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin'ny tranoko rehetra izy. 8 Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy aho, fa tsy aman'ohatra, dia mijery ny endrik'Iaveh izy. Ka nahoana àry hianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia Moizy? 9 Ary nirehitra tamin'izy mianadahy ny fahatezeran'ny Tompo, ka lasa izy. 10 Ny rahona niala teo ambonin'ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an'i Maria Aarona, dia indro fa boka izy. 11 Ary hoy Aarona tamin'i Moizy: Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany. 12 Aoka re tsy ho toy ny zaza maty hatrany am-bohoka izy; ka raha vao teraka dia efa lany sasaka ny nofony. 13 Dia nitaraina tamin'ny Tompo Moizy, ka nanao hoe: ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy. 14 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan'ny toby izy hafitoana, fa rahefa afaka izany vao horaisina ao indray. 15 Natokana hafitoana tany ivelan'ny toby Maria, ary tsy niainga ny vahoaka raha tsy efa voaray indray Maria. 16 Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerota ny vahoaka ka nitoby tao amin'ny efitra Faràna.
Toko faha-13
1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe:2 Maniraha olona hisafo ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak'Israely. Lehilahy iray isam-pokom-pianakaviana no hirahinareo; aoka izy rehetra ho samy filohany amin'izy ireo avy. 3 Dia nirahin'i Moizy avy ao amin'ny efitra Faràna, araka ny didin'ny Tompo, izy ireo; ary samy filohan'ny zanak'Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo. 4 Ireto no anarany: Samoà zanak'i Zekora, avy amin'ny fokon-dRobena; 5 Safata zanak'i Hori, avy amin'ny fokon'i Simeona; 6 Kaleba zanak'i Jefone, avy amin'ny fokon'i Jodà; 7 Igala zanak'i Josefa, avy amin'ny fokon'Isakara; 8 Ozea, zanak'i Nòna, avy amin'ny fokon'i Efraima; 9 Faltì, zanak'i Rafò avy amin'ny fokon'i Benjamina; 10 Gediela, zanak'i Sodì, avy amin'ny fokon'i Zabolona; 11 Gadì, zanak'i Sozì, avy amin'ny fokon'i Josefa, fokon'i Manase; 12 Amiela, zanak'i Gemalì avy amin'ny fokon'i Dana; 13 Sotora, zanak'i Mikaela, avy amin'ny fokon'i Azera; 14 Nahabì, zanak'i Vapsì, avy amin'ny fokon'i Neftalì; 15 Goela, zanak'i Makì, avy amin'ny fokon'i Gada. 16 Ireo no anaran'ny lehilahy nirahin'i Moizy hisafo ny tany. Ozea, zanak'i Nòna dia nomen'i Moizy anarana hoe Josoe. 17 Nirahin'i Moizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: Miakara hianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin'ny tendrombohitra.
18 Hozahanareo ny tany, ny toetrany, ary ny olona monina ao aminy, na matanjaka na osa izy ireo, na vitsy na maro; 19 ny toetry ny tany onenany, na tsara na ratsy, ny toetry ny tanàna onenany, na tsy mimanda na mimanda; 20 ny toetry ny tany na lali-nofo na marivo nofo, na misy hazo na tsia. Mahereza tsara ary mangalà amin'ny vokatry ny tany. Voaloham-pahavokaran'ny voaloboka tamin'izay. 21 Dia niakatra izy ireo, ka nisafo ny tany hatrany amin'ny efitra Sina, ka hatrany Rohoba, amin'ny làlan'i Hemata.
22 Niakatra an'i Negeba izy ireo, ka nandroso hatrany Hebrona, izay nisy an'i Akimàna sy Sizaia ary Tolmaia, taranak'i Enàka. Hebrona dia naorina fito taona talohan'i Tanisa any Ejipta. 23 Nony tonga tao amin'ny lohasaha Eskola izy ireo dia nanapaka rantsam-boaloboka iray nisy sampahony, ka roa lahy izy no nilanja an'io tamin'ny hazo lava; naka ampongabendanitra sy aviavy koa izy. 24 Noho ny sampahom-boaloboka notapahan'ny zanak'Israely teo, dia nomena anarana hoe Lohasahan'Eskola io fitoerana io. 25 Nony afaka efapolo andro dia niverina avy any am-pisafoana ny tany izy ireo.
26 Tonga izy, dia nanatona an'i Moizy sy Aarona, mbamin'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, tao Kadesy tany an'efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin'ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy. 27 Izao no filazana nataony tamin'i Moizy: Nankany amin'ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any.