Ny Fanisana
Toko faha-14
45 ka nirotsahan'ny Amalesita sy ny Kananeana izay nonina tamin'izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà.Toko faha-15
1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:2 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ka lazao azy hoe: Rahefa tonga any amin'ny tany honenanareo sy omeko anareo hianareo, 3 ka hanatitra sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo, na sorona dorana, na sorona fanalam-boady, na fanatitra an-tsitra-po, na amin'ny fetinareo, mba hisy hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo avy amin'ny omby na ny ondrinareo; 4 izay hanao ny fanatitra ho an'ny Tompo, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra; 5 hanao fanatitra araraka, divay ampahefatry ny hina, miaraka amin'ny sorona dorana, na ny sorom-pihavanana, isan-janak'ondry. 6 Raha ondrilahy no atao sorona dia lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo ampahatelon'ny hina no hatolotrao ho fanatitra; 7 ary divay ampahatelon'ny hina no hatolotrao ho fanatitra araraka, mba ho fanolorona misy hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo. 8 Raha ombalahy no hatolotrao ho sorona dorana, na ho sorona fanalam-boady na ho sorom-pihavanana, amin'ny Tompo, 9 dia lafarina tsara indrindra, telo ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo antsasaky ny hina no hatolotrao miaraka amin'ny ombalahy ho fanatitra. 10 ary divay antsasaky ny hina, no atolotrao ho fanatitra araraka: Sorona atao amin'ny afo, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo izany. 11 Izany no hatao amin'ny isan'omby iray, sy isan'ondrahalahy iray, ary isan-janak'ondry na zanak'osy iray. 12 Araka ny isan'ny zavatra hatolotrareo hatao sorona, dia hanaovanareo toy izany tsirairay avy, araka ny isany. 13 Hataon'ny tompon-tany rehetra toy izany ireo zavatra ireo raha manatitra sorona atao amin'ny afo izy, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo.
14 Raha misy vahiny mitoetra eo aminareo, olona miara-monina aminareo, amin'ny taranaka mifandimby, na iza na iza, ka manatitra sorona atao amin'ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, dia toy ny hataonareo ihany no hataony. 15 Lalàna iray ihany no ho an'ny fiangonana, na ho anareo na ho an'ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an'ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin'ny vahiny eo anatrehan'ny Tompo. 16 Lalàna iray sy fitsipika iray no ho anareo sy ho an'ny vahiny mitoetra eo aminareo. 17 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe:
18 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tonga any amin'ny tany ampidirako anareo hianareo, 19 ka hihinana mofo avy amin'izany tany izany, dia avaho aloha izay ho fanatitra ho an'ny Tompo. 20 Ho santatry ny kobanareo, dia havahanareo aloha ny mofo mamy iray hatao fanatitra; havahanareo izany toy ny fanavahana ny fanatitra avy eo am-pamoloana. 21 Ho santatry ny kobanareo, dia hanavaka izay ho fanatitra ho an'ny Tompo aloha hianareo, dia hianareo sy ny taranakareo. 22 Raha manota tsy nahy hianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy ireo,
23 dia izay rehetra nandidian'ny Tompo anareo tamin'ny alàlan'i Moizy, hatramin'ny andro namoahan'ny Tompo ny didy ka hatrany amin'ny taranaka mandimby anareo, 24 raha misy nanota tsy nahy fa tsy fantatry ny fiangonana izany, dia hanatitra vantotr'ombalahy iray ny fiangonana rehetra, ho sorona dorana, ho fanatitra mahafinaritra ho an'ny Tompo, mbamin'ny fanatitra sy ny fanatitra araraka momba azy, araka ny fomba voadidy, ary osilahy iray ho sorona noho ny ota. 25 Dia hanao ny fanonerana ho an'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan'ny Tompo, noho ny ota nataony tsy nahy. 26 Havela heloka ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra, mbamin'ny vahiny mitoetra eo afovoany, satria tsy nahy no nanotan'ny vahoaka rehetra. 27 Raha olona iray kosa no nanota tsy nahy, dia osivavy iray, efa iray taona, no hateriny ho sorona noho ny ota.
28 Ny mpisorona hanao ny fanonerana, eo anatrehan'ny Tompo, ho an'ilay olona izay diso fa nanota tsy nahy, ka rahefa vita ny fanonerana natao ho azy, dia havela ny helony. 29 Amin'ny tompon-tany isan'ny zanak'Israely sy amin'ny vahiny mitoetra eo aminareo dia lalàna iray ihany no ho anareo, raha misy manota tsy nahy. 30 Fa na tompon-tany na vahiny, ka sahy manao fanahy iniana kosa, dia olona maniratsira an'ny Tompo izany, ka hesorina eo amin'ny fireneny. 31 Satria nanamavo ny tenin'ny Tompo izy sy nandika ny didiny, ka dia hoesorina izany olona izany, hivesatra ny fahotany. 32 Raha mbola tany an'efitra ny zanak'Israely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro sabata.
33 Nentin'ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin'i Moizy sy Aarona ary ny fiangonana rehetra izy. 34 Dia nambenana ralehilahy, fa mbola tsy tapaka izay hanaovana azy. 35 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Hovonoin-ko faty izany lehilahy izany, ka ny fiangonana rehetra no hitora-bato azy any ivelan'ny toby. 36 Dia navoaky ny fiangonana rehetra tany ivelan'ny toby izy; ka notoraham-bato, dia maty, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 37 Hoy Iaveh tamin'i Moizy:
38 Mitenena amin'ny zanak'Israely ary ilazao izy mba hanisy sahondra amin'ny zoron-dambany hatramin'ny taranaka mifandimby; ary hanisy kofehy jaky volomparasy amin'ny sahondra isan-jorony avy. 39 Ho sahondra ho anareo izany, ary ny fijerena izany dia hahatsiarovanareo ny didin'ny Tompo rehetra mba hanarahanareo azy rehetra, fa tsy hanarahanareo ny fonareo sy ny masonareo, izay mitarika anareo ho amin'ny fivadihana. 40 Hahatsiaro ny didiko rehetra hianareo amin'izany, ary hanaraka azy, ka ho masina ho an'Andriamanitrareo izay namoaka anareo tany amin'ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Toko faha-16
1 Kore, zanak'i Isaara, zanak'i Kaata, zanak'i Levì, dia nitarika olona hiandany aminy, miaraka amin'i Datàna sy Abirona, zanak'i Eliaba, ary Hona, zanak'i Feleta, izay zana-dRobena,2 ary nikomy teo anatrehan'i Moizy izy ireo, dia lehilahy dimam-polo sy roan-jato amin'ny zanak'Israely, filohan'ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian'ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza. 3 Nivory hiodina amin'i Moizy sy Aarona izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aoka izay, fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan'izy ireo Iaveh. Nahoana hianareo no manandra-tena ho ambonin'ny fiangonan'ny Tompo?
4 Nony nandre izany Moizy dia nidaboka niankohoka,
5 ka niteny tamin'i Kore sy ny tariny rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon'ny Tompo izay azy sy izay masina, ka hampanakekezany azy; dia izay nofidiny no hampanakekezany azy. 6 Izao no ataovy: Makà fanembohana hianareo, ry Kore sy ny tariny rehetra. 7 Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan'ny Tompo: izay hofidin'ny Tompo dia izay no masina. Ka aoka izay, ry zanak'i Levì. 8 Ary hoy Moizy tamin'i Kore: Henoy àry, ry zanak'i Levì:
9 Ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan'ny Andriamanitr'Israely anareo tamin'ny fiangonan'Israely, ka nampandrosoany anareo ho akaiky azy, mba hanao ny fanompoana momba ny Fonenan'ny Tompo sy hitoetra eo anatrehan'ny fiangonana hanao ny fanompoany.