Ny Fanisana

Toko faha-16

10 Nampandrosoiny ho akaiky azy hianao, mbamin'ny rahalahinao rehetra, ny zanak'i Levì miaraka aminao, ka dia mbola mitsiriritra ny ho mpisorona koa ve? 11 Izany no hiraisanareo tetika hiodina amin'ny Tompo hianao sy ny tarikao rehetra? Ary Aarona moa no inona no izy no imonomononanareo? 12 Dia nampiantso an'i Datàna sy Abirona i Moizy, fa hoy ireo: Izahay tsy hiakatra.

13 Tsy ampy va ny namoahanao anay tany amin'ny tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay aty an'efitra, no dia manangan-tena ho lehibenay koa hianareo? 14 Eh, tsy tany tondra-dronono sy tantely no nitondranao anay; tsy saha aman-tanim-boaloboka no natolotrao ho fanananay! Heverinao hopotsirina angaha ny mason'ireto olona ireto? Izahay tsy hiakatra. 15 Tezitra indrindra Moizy, ka hoy izy tamin'ny Tompo: Aza asianao raharaha akory izay fanatitr'ireo, fa tsy mba naka tamin'ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza. 16 Hoy Moizy tamin'i Kore: Rahampitso hianao sy ny tarikao rehetra mitoetra eo anatrehan'ny Tompo, dia izy ireo sy hianao mbamin'i Aarona.

17 Samia maka ny fanembohanareo hianareo; ka asio zava-manitra, ary samia mitrondra ny fanembohanareo ho eo anatrehan'ny Tompo dia ho fanembohana dimampolo sy roan-jato izany; ary hianao sy Aarona koa dia samy hitondra ny fanembohanareo. 18 Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana izy, mbamin'i Moizy sy Aarona.

19 Nantsoin'i Kore ho eo am-baravaran'ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an'i Moizy sy Aarona. Dia niseho tamin'ny fiangonana rehetra ny voninahitry ny Tompo. 20 Ary niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: 21 Mialà eo afovoan'ity fiangonana ity hianareo, handringanako azy indray mihelina monja. 22 Ary niankohoka tamin'ny tany izy ireo ka nanao hoe: Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin'ny fiangonana rehetra hianao? 23 Niteny tamin'i Moizy Iaveh ka nanao hoe: 24 Mitenena amin'ny fiangonana, lazao hoe: Mihataha hianareo rehetra, mialà amin'ny manodidina ny lain'i Kore sy Datàna ary Abirona. 25 nitsangana nankeo amin'i Datàna sy Abirona i Moizy ary nisy nanaraka azy ny loholon'Israely.

26 Ary niteny tamin'ny fiangonana izy, nanao hoe: Manalavira hianareo ny lain'ireto olon-dratsy ireto, ary aza mikasika izay azy, na inona na inona, fandrao dia ringana koa hianareo, azon'ny fahotany rehetra. 27 Nihatahan'ny olona ny manodidina ny fonenan'i Kore sy Datàna ary Abirona. Dia nivoaka Datàna sy Abirona, ary nitoetra teo am-baravaran'ny lainy, miaraka amin'ny vady aman-janany, ary ny zafiny. 28 Hoy Moizy: Izao no hahafantaranareo fa Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany. 29 Raha toy ny fahafatin'ny olona rehetra ihany no ahafaty an'ireo olona ireo, ary raha sahala amin'ny an'ny olona rehetra ihany no hanjo azy, dia tsy Iaveh no naniraka ahy. 30 Fa raha manao zavatra tsy fandre kosa Iaveh, raha ny tany no manoka-bava sy mitelina an'ireo mbamin'izay azy rehetra, ka midina velona any amin'ny fonenan'ny maty ireo, dia ho fantatrareo fa naniratsira an'ny Tompo ireo olona ireo. 31 Raha vantany vao tapitra voalazany izany teny izany dia nivava teo ambanin'izy ireo ny tany,

32 nanoka-bava ny tany, ka nitelina azy ireo, dia izy mbamin'ny finakaviany ary ny ankohonan'i Kore rehetra sy ny fananany rehetra. 33 Latsaka velona teny amin'ny fonenan'ny maty ny tenan'izy ireo mbamin'izay azy rehetra, dia nikatona taminy ny tany, ka fongotra teo amin'ny fiangonana izy. 34 Nandositra Israely rehetra nanodidina azy ireo, noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Ndrao dia hatelin'ny tany koa isika. 35 Ary nisy afo nivoaka avy ao akaikin'ny Tompo nandevona ireo dimampolo sy roan-jato lahy nanatitra zava-manitra.

Toko faha-17

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ilazao Eleazara, zanak'i Aarona mpisorona, hanala ny fanembohana eny amin'ny may sy hanely ny afo any lavitra any, fa zava-masina ireny. 3 Aoka ny fanembohan'ireo olona nanota nihatra amin'ny ainy ireo hofisahina ho takelaka manify mba handrakofana ny otely, fa efa naterina teo anatrehan'ny Tompo ireny, ka tonga zava-masina; dia ho famantarana ho an'ny zanak'Israely izany. 4 Dia nalain'i Eleazara mpisorona ny fanembohana varahina naterin'ireo olona levon'ny afo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny otely. 5 Fahatsiarovana ho an'ny zanak'Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan'ny taranak'i Aarona handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan'ny Tompo, ka dia ho tahaka an'i Kore sy ny tariny, araka izay nolazain'ny Tompo taminy, tamin'ny alalan'i Moizy. 6 Nony ampitso dia nimonomonona tamin'i Moizy sy Aarona ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny vahoakan'ny Tompo.

7 Fa raha ilay nivory hanohitra an'i Moizy sy Aarona iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, ka indro fa nanarona an'io ny rahona ary ny voninahitry ny Tompo niseho. 8 Nandroso teo anoloan'ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, 9 ka niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe: 10 Mialà hianareo eo afovoan'ity fiangonana ity, handringanako azy indray mihelina. Dia niankohoka tamin'ny tany izy. 11 Ary hoy Moizy tamin'i Aarona: Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin'ny otely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana ho eo amin'ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan'ny Tompo ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza. 12 Nalain'i Aarona araka ny voalazan'i Moizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan'ny fiangonana izy; ary indro, efa nanomboka ny loza eo amin'ny vahoaka. Dia nasiany zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an'ny vahoaka. 13 Nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza. 14 Fiton-jato sy efatra arivo sy iray alina, no matin'io loza io, afa-tsy ireo maty noho ny amin'i Kore. 15 Dia niverina nankeo amin'i Moizy teo anoloan'ny trano lay fihaonana Aarona ary efa nitsahatra ny loza. 16 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Mitenena amin'ny zanak'Israely, ary angalao tehina izy ireo, dia tehina iray avy isam-pokom-pianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo. Samy soraty amin'ny tehina ny anarany tsirairay avy. 18 Ny anaran'i Aarona no soraty amin'ny tehin'i Levì, fa ho iray ny tehina isam-pilohan'ny fokom-pianakaviany avy. 19 Dia hapetrakao ao an-trano lay fihaonana ireo, eo anoloan'ny vavolombelona, izay ihaonako aminareo. 20 Izay lehilahy tompon'ny tehina hamony, dia izy no hofidiko, ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny zanak'Israely aminareo eo anatrehako. 21 Niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy, ka nanatitra tehina iray taminy ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina roa ambin'ny folo izany, ary ny tehin'i Aarona dia teo afovoan'ny tehin'izy ireo.

22 Napetrak'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina, tao an-trano lay fihaonana. 23 Nony ampitso, niverina tao an-trano lain'ny vavolombelona Moizy, ka indro fa ny tehin'i Aarona, dia naniry vony ho an'ny fokon'i Levì, naniriam-bokony sy nivelaram-bony ary namoazana amandy. 24 Nentin'i Moizy avy teo anatrehan'ny Tompo ny tehina rehetra ho eo amin'ny zanak'Israely rehetra, dia nahita izany izy ireo, ka samy naka ny tehiny avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2047