Ny Fanisana

Toko faha-17

25 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Avereno ho eo anoloan'ny vavolombelona ny tehin'i Aarona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomononan'izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy.

26 Dia nataon'i Moizy izany, nataony araka ny nandidian'ny Tompo azy. 27 Hoy ny zanak'Israely tamin'i Moizy: Indro fa maty izahay, ringana izahay, ringana avokoa izahay rehetra. 28 Fa maty izay rehetra manakaiky ny Fonenan'ny Tompo, ka dia ho faty avokoa izany izahay?

Toko faha-18

1 Hoy Iaveh tamin'i Aarona: Hianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; hianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo.

2 Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon'i Levì, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rahefa mby anoloan'ny trano lain'ny vavolombelona hianao sy ny zanakao miaraka aminao. 3 Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an'ny otely, fandrao maty hianareo, dia izy sy hianareo. 4 Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin'ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo. 5 Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny otely, mba tsy hisy fahatezerana amin'ny zanak'Israely intsony. 6 Indro efa nalaiko teo afovoan'ny zanak'Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an'ny Tompo izy ka atolotra aminareo ho fanomezana mba hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana. 7 Hianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin'ny zavatra rehetra momba ny otely, mbamin'izay rehetra ao anatin'ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty. 8 Ary hoy Iaveh tamin'i Aarona: Indro omeko anao ny fizakàna ny zavatra rehetra voavaka ho ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin'ny zanak'Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay.

9 Izao no ho anjaranao amin'ny zava-masina indrindra, ialan'izay holevonin'ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao. 10 Amin'ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany. 11 Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voavaka amin'ny fanomezany, dia amin'ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin'ny zanak'Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin'izany avokoa. 12 Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin'ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin'ny divay vaovao sy amin'ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an'ny Tompo. 13 Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin'izy ireo ho an'ny Tompo. Hihinana amin'izany izay rehetra madio ao an-tranonao. 14 Ho anao ny zavatra rehetra nivoadiana ho anatema ao amin'Israely. 15 Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an'ny Tompo, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy havotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto. 16 Ny amin'ny fanavotana azy dia asaovy havotana rahefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gera avy. 17 Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina havotana, fa masina ireny; ka hararakao eo ambonin'ny otely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an'ny Tompo; 18 ary ny henany dia ho anao, tahaka ny tratrany ahevaheva, sy ny feny havanana. 19 Izay rehetra voavaka avy amin'ny zavatra masina, izay avahan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo, dia omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan'ny Tompo izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao. 20 Ary hoy Iaveh tamin'i Aarona: Tsy mba hanan-dova eo amin'ny taniny hianao, ary tsy mba hisy izay ho anjaranao eo afovoan'izy ireo; fa izaho no anjaranao sy lovanao eo afovoan'ny zanak'Israely.

21 Indro omeko ho lovan'ny taranak'i Levì ny fahafolon-karena rehetra amin'Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan'ny trano lay fihaonana. 22 Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak'Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty. 23 Ny Levita ihany no hanao ny raharahan'ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan'ny zanak'Israely. 24 Fa ny fahafolon-karena hatokan'ny zanak'Israely ho an'ny Tompo no omeko ho lovan'ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan'ny zanak'Israely izy. 25 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe:

26 Mitenena amin'ny Levita hianao, ka lazao amin'izy ireo hoe: Rahefa mandray ny fahafolon-karena avy amin'ny zanak'Israely hianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin'ny fananan'izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an'ny Tompo, ampahafolon'ny ampahafolon-karena. 27 Ary izany fanokanana hataonareo izany dia horaisina ho solon'ny vary atokana avy eo ampamoloana, ho solon'ny divay vaovao avy amin'ny barika. 28 Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an'ny Tompo, avy amin'ny fahafolon-karena horaisinareo amin'ny zanak'Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an'ny Tompo izany, dia homenareo an'i Aarona mpisorona. 29 Amin'ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an'ny Tompo: amin'ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy. 30 Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin'izany hianareo, dia hisaina ho an'ny Levita ny am-pahafolony, ho solon'ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon'ny vokatra avy eo amin'ny famiazana. 31 Hihinana izany amin'ny toerana rehetra hianareo sy ny finakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin'ny trano lay fihaonana. 32 Rahefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin'izany hianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin'ny zanak'Israely, ka tsy ho faty hianareo.

Toko faha-19

1 Niteny tamin'i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe:

2 Izao no didin'ny lalàna nandidian'ny Tompo, nataony hoe: Ilazao ny zanak'Israely hitondra ombivavy manja mena iray, tsy misy takaitra na kilemam-batana sady mbola tsy nitondra jioga. 3 Hatolotrareo an'i Eleazara mpisorona izany, dia hasainy havoaka ny toby, ary hovonoina eo anatrehany. 4 Ary hangalan'i Eleazara mpisorona amin'ny rantsan-tànany ny ran'ny ombivavy ka hafafiny impito mankamin'ny varavaran'ny trano lay fihaonana. 5 Dia hodorana eo imasony ilay omby, hodorana ny hodiny, ny nofony, ny rany, mbamin'ny tain-drorohany. 6 Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan'ny afo mandoro ny ombivavy. 7 Dia hosasan'ny mpisorona ny fitafiany ary hampandroiny amin'ny rano ny tenany; manaraka izany, dia hiditra eo an-toby izy, ka haloto mandra-paharivan'ny andro. 8 Izay nandoro ny omby dia hanasa ny fitafiany amin'ny rano, ary hampandro ny tenany amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 9 Hisy lehilahy madio anankiray hanangona ny lavenon'ilay ombivavy, sy hametraka azy amin'ny toerana madio anankiray any ivelan'ny toby, hotehirizina ho an'ny fiangonan'ny zanak'Israely izany hatao amin'ny rano manafaka ny loto; sorona noho ny ota izany. 10 Izay nanangona ny lavenon'ny ombivavy dia hanasa ny lambany, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. Lalàna mandrakizay izany ho an'ny zanak'Israely sy ho an'ny vahiny mitoetra eo aminy. 11 Izay mikasika faty, rahefa mety ho fatin'olona, dia haloto hafitoana.

12 Hanadio tena amin'izany rano izany izy, amin'ny andro fahatelo sy fahafito, dia hadio, fa raha tsy manadio tena amin'ny andro fahatelo sy fahafito izy, dia tsy hadio. 13 Izay hikasika faty, dia ny vatan'olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan'ny Tompo, ka hoesorina amin'Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany. 14 Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin'ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anaty lay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1496