Ny Fanisana
Toko faha-19
15 Ny fitoeran-javatra rehetra misokatra fa tsy misy sarona mipetaka aminy, dia haloto. 16 Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin'olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana. 17 Dia hangalana ho an'izay maloto ny lavenon'ny sorona izay nodorana, natao sorom-panonerana, ka hametrahana rano velona eo an-dovia eo amboniny. 18 Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin'ny rano, dia hamafy izany amin'ny lay sy amin'ny fanaka rehetra, ary amin'ny olona rehetra tao, amin'izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana. 19 Ny olona madio no hamafy amin'izay maloto, amin'ny andro fahatelo sy amin'ny andro fahafito, ka hanala ny otany amin'ny andro fahafito. Dia hanasa ny fitafiany sy handro amin'ny rano ilay maloto, ka hadio rahefa hariva. 20 Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin'ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin'ny Tompo. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto. 21 Lalàna mandrakizay ho azy ireo izany. Izay mamafy ny rano manafaka ny loto, dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano manafaka ny loto, dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 22 Ny zavatra rehetra kasihin'izay maloto, dia haloto, ary ny olona mikasika azy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro.Toko faha-20
1 Tonga tao amin'ny efitra Sina, tamin'ny volana voalohany, ny zanak'Israely, dia ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan'i Maria sy nandevenana azy.2 Noho ny tsy fisian'ny rano ho an'ny fiangonana, dia nivory hiodina amin'i Moizy sy Aarona izy ireo.
3 Nifanditra tamin'i Moizy ny vahoaka, ka nanao hoe: Inay anie izahay mba maty, tamin'ny nahafatesan'ny rahalahinay teo anatrehan'ny Tompo! 4 Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan'ny Tompo amin'ity efitra ity, mba hahafatesanay ato, izahay sy ny biby fiompinay? 5 Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankaty amin'itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongabendanitra, na rano hosotroina akory. 6 Dia niala teo amin'ny fiangonana Moizy sy Aarona, nankeo am-baravaran'ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo. 7 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, nanao hoe:
8 Alao ny tehina, ka vorionao sy Aarona, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan'izy ireo hianareo, dia hiteny amin'ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin'ny vatolampy ho azy ireo hianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 9 Dia nalain'i Moizy, araka ny nandidian'ny Tompo azy, ny tehina izay teo anatrehan'ny Tompo. 10 Manaraka izany novorin'i Moizy sy Aarona teo anoloan'ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy Moizy tamin'izy ireo: Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin'ity vatolampy ity va izahay? 11 Dia naingain'i Moizy ny tànany, ary nokapohiny indroa tamin'ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. 12 Fa hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona: Noho hianareo tsy nino ahy, mba hanamasina ahy, eo imason'ny zanak'Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin'ny tany izay omeko azy hianareo. 13 Izany no ranon'i Meribà izay nilan'ny zanak'Israely ady tamin'ny Tompo, ka nanamasin-tena tamin'izy ireo izy.
14 Avy ao Kadesy no nandefasan'i Moizy iraka tamin'ny mpanjakan'i Edoma, hilaza aminy hoe: Izao no lazain'Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay.
15 Nidina tany Ejipta ny razanay, ary nitoetra tany ela izahay, fa samy nampahorin'ny Ejipsiana, na izahay na ny razanay. 16 Dia nitaraina tamin'ny Tompo izahay, ary nihaino ny feonay izy; naniraka anjely izy ary nitondra anay nivoaka tany Ejipta. Ary indreto izahay izao dia eto Kadesy, tanàna amin'ny faritry ny taninao. 17 Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanim-boaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin'ny fantsakana; hizotra amin'ny làlan'andriana izahay fa tsy hivily ho amin'ny an-kavanana, na ho amin'ny an-kavia, mandra-pahafakay ny faritaninao. 18 Hoy Edoma taminy: Tsy handalo aty amiko hianao, fa raha tsy izany, hivoaka hitsena anao amin'ny sabatra aho. 19 Dia hoy ny zanak'Israely taminy: Ny làlambe ihany no hiakaranay, ary raha misotro ny ranonao izahay, na izaho na ny biby fiompiko, dia hefaiko ny vidin'izany. Zavatra tsy mampaninona akory izany, fa handalo mandeha tongotra fotsiny ihany aho. 20 Hoy ny navaliny: Tsy handalo hianao. Sady nivoaka hitsena azy Edoma, nombam-bahoaka be sy tafika mahery. 21 Nolavin'i Edoma tsy handalo ny faritaniny Israely, ka dia nivily niala taminy Israely. 22 Niala tao Kadesy ny zanak'Israely, ny fiangonana manontolo, dia tonga tao an-tendrombohitra Hora.
23 Hoy Iaveh tamin'i Moizy sy Aarona tao an-tendrombohitra Hora, amin'ny faritry ny tanin'i Edoma: 24 Efa hakambana amin'ny razany Aarona, fa tsy hiditra any amin'ny tany omeko ny zanak'Israely izy, satria nandà ny teniko hianareo, tao amin'ny ranon'i Meribà. 25 Alao Aarona sy Eleazara zanany, ary ento miakatra any an-tendrombohitra Hora izy. 26 Dia esory amin'i Aarona ny fanamiany ka atafio an'i Eleazara zanany. Fa ao Aarona no horaisina sy ho faty. 27 Nataon'i Moizy izay nandidian'ny Tompo: niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason'ny fiangonana rehetra izy ireo; 28 ka nony efa nalain'i Moizy ny fanamian'i Aarona, dia natafiny an'i Eleazara zanany. 29 Ary Aarona dia maty tao an-tampon'ny tendrombohitra. 30 Hitan'ny fiangonana rehetra, fa maty Aarona, dia nitomany an'i Aarona telopolo andro ny fianakavian'Israely rehetra.
Toko faha-21
1 Ren'ilay Kananeana, mpanjakan'i Arada, nonina tao Negeba, fa hoe tamy Israely, mihazo ny làlana mankany Atarina, ka rafitra niady taminy, sy nahazo sambo-belona tamin'Israely izy.2 Dia nivoady tamin'ny Tompo Israely, nanao hoe: Raha atolotrao eo an-tànako ity firenena ity, dia hovoadiko hatao anatema ny tanànany. 3 Nohenoin'ny Tompo ny feon'Israely, ka natolony ny Kananeana, dia natao anatema izy ireo, mbamin'ny tanànany. Ary ny anaran'izany fitoerana izany, dia natao hoe Hormà. 4 Niala tany an-tendrombohitra Hora izy ireo, dia nihazo ny làlan'ny ranomasina Mena, hanodidina ny tanin'i Edoma. Namoifo tsy niaritra ny vahoaka tamin'io làlana io,
5 ka niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an'efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan'itony hanina tsinontsinona itony. 6 Ary Iaveh tamin'izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokekerin'ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin'Israely. 7 Nankeo amin'i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an'ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin'ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an'ny vahoaka Moizy, 8 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin'ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. 9 Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin'ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona. 10 Niainga ny zanak'Israely, ka nitoby tao Obota;
11 Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Jeabarima ao amin'ny efitra mifanandrify amin'i Moaba, ao amin'ny fiposahan'ny masoandro. 12 Niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan'i Zareda.