Ny Fanisana
Toko faha-21
13 Niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnòna, izay mivalana amin'ny efitra, rahefa mivoaka ny faritanin'ny Amoreana; fa Arnòna no faritr'i Moaba, eo anelanelan'i Moaba sy ny Amoreana. 14 Ka izany no ilazana ao amin'ny bokin'ny Adin'ny Tompo hoe: Lasan'ny Tompo Vaheba mirimorimo fandeha, sy ny ranon-driakan'i Arnòna, 15 ary ny kisolosolon'ny ranon-driaka izay mitsontsorika mankany amin'ny fitoerana Ara, sy mipaka amin'ny Amoreana. 16 Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan'ny Tompo tamin'i Moizy hoe: Angony ny vahoaka ka homeko rano izy ireo.17 Tamin'izay no nihira izao tononkira izao Israely: 18 Misondrota, ry fantsakana! Hobionareo izy. Fantsakana nolavahin'ny andriandahy, nabanabanan'ny lehiben'ny vahoaka, tamin'ny tehina fanapahana, dia ny tehin'izy ireo.
19 Avy tany an'efitra izy ireo, dia nankany Matanà; avy any Matanà dia nankany Nahaliela; avy any Nahaliela, dia nankany Bamota;
20 avy any Bamota, dia nankany amin'ny lohasaha izay ao amin'ny sahan'i Moaba, eo an-tampon'i Fasgà, izay manerinerina amin'ny efitra. 21 Ary Israely nandefa iraka ho any amin'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, hanao aminy hoe:
22 Avelao aho mba handalo ny taninao: fa tsy hivily ho amin'ny saha izahay, na ho amin'ny tanim-boaloboka; ary tsy hisotro ny rano amin'ny fantsakana; fa hizotra amin'ny làlan'andriana izahay, mandra-pahafakay ny faritaninao. 23 Tsy navelan'i Sehona handalo ny faritaniny Israely, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy, ka nivoaka hitsena an'Israely, tany an'efitra; dia tonga tany Jasà ary rafitra ady tamin'Israely. 24 Israely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnòna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin'ny zanak'i Amona, fa mafy ny faritry ny tanin'ny zanak'i Amona. 25 Nalain'Israely avokoa izany tanàna rehetra izany, ka nonenan'Israely ny tanànan'ny Amoreana rehetra, dia Hesebona sy ny zana-bohiny rehetra. 26 Hesebona no tanànan'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha sy naka ny taniny rehetra hatrany Arnòna. 27 Izany no nanaovan'ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona hianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan'i Sehona. 28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesebona, Ary lelafo avy tao an-tanànan'i Sehona, Ka nandevona an'i Ara-Moaba, Dia ny tompon'ny havoan'i Arnòna.
29 Loza ho anao, ry Moaba! Levona hianao, ry vahoakan'i Kamosy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana.
30 Nolefasantsika zana-tsipìka izy ireo; Rava Hesebona hatrany Dibona, Ary nofoanantsika hatrany Nofe, Sy norehetantsika hatrany Medabà.
31 Dia nitoetra teo amin'ny tanin'ny Amoreana Israely. 32 Naniraka olona hisafo an'i Jazera Moizy; dia afak'izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amoreana tamin'ireny. 33 Izay izy, dia niova làlana ka niakatra ny làlana mankany Basàna; Nivoaka Oga, mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny vahoakany rehetra nitsena azy ireo, mba hiady aminy ao Edraìa.
34 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tànanao izy mbamin'ny vahoakany rehetra, ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an'i Sehona, mpanjakan'ny Amoreana izay nonina tao Hesebona. 35 Dia nandresy azy mbamin'ny zanany lahy sy ny vahoakany rehetra izy ireo; tsy nasiany niangana na dia iray aza, ka azony ny taniny.
Toko faha-22
1 Dia nandroso ny zanak'Israely ka nitoby teo amin'ny lohasahan'i Moaba, tandrifin'i Jerikao.2 Hitan'i Balàka zanak'i Sefora, izay rehetra nataon'Israely tamin'ny Amoreana,
3 ary tsiravina indrindra Moaba teo anatrehan'ity vahoaka ity, fa maro be; nangorohoro fatratra izy teo anatrehan'ny zanak'Israely. 4 Hoy Moaba tamin'ny loholon'i Madiana: Holevonin'ity vahoaka be ity, toy ny fandevon'ny omby ny zava-maitso any an-tsaha izay rehetra manodidina antsika. Balàka, zanak'i Sefora no mpanjakan'i Moaba tamin'izay. 5 Ka naniraka olona izy ho any amin'i Balaama, zanak'i Beora, any Petora, izay eo amoron'ny ony, eo amin'ny tanin'ny zanaky ny vahoakany, mba hiantso azy sy hanao aminy hoe: Indro misy vahoaka nivoaka avy any Ejipta, rakotra azy ny tany, ary tandrify ahy no itobiany. 6 Koa mihanta aminao aho, tongàva aty amiko hianao, hanozona io vahoaka io fa mahery noho izaho izy; angamba izany no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy hiala amin'ny tany; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatso-drano ary izay ozoninao dia voaozona. 7 Niainga ny loholon'i Moaba sy ny loholon'i Madiana, nataony an-tànana ny tambin'ilay mpanandro. Nony tonga tany amin'i Balaama izy ireo, dia nambarany azy ny tenin'i Balàka,
8 ary hoy Balaama taminy: Mandria aty anio alina, fa homeko valiny, araka izay hambaran'ny Tompo amiko hianareo. Dia tafajanona tao amin'i Balaama ireo andriandahin'i Moaba. 9 Ary tonga tamin'i Balaama Andriamanitra ka nanao hoe: Iza moa ireo olona ato aminao ireto?
10 Dia hoy ny navalin'i Balaama an'Andriamanitra: Balàka, zanak'i Sefora mpanjakan'i Moaba no naniraka an'ireo hilaza amiko hoe: 11 Indro ilay firenena nivoaka avy tany Ejipta fa mandrakotra ny tany, tongàva aty amiko àry ka hanozona azy hianao; izany angamba no hahazoako mandresy azy sy mandroaka azy. 12 Fa hoy Andriamanitra tamin'i Balaama: Aza mandeha miaraka amin'ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy. 13 Nony nifoha Balaama, ny maraina, dia nilaza tamin'ireo andriandahin'i Balàka hoe: Mandehana any amin'ny taninareo, fa lavin'ny Tompo ka tsy avelany handeha miaraka aminareo aho. 14 Dia nitsangana tamin'izay ireto andriandahin'i Moaba, ka lasa niverina tany amin'i Balàka, sy nilaza taminy hoe: Nandà Balaama ka tsy nety nandeha niaraka taminay. 15 Fa naniraka andriandhy sady maro no ambony noho ny teo indray Balàka.
16 Ka nony tonga tany amin'i Balaama ireo, dia nanao taminy hoe: Izao no tenin'i Balàka zanak'i Sefora: Mihanta aminao re aho, mba tsy hisy hahasakana anao tsy hankaty amiko, 17 fa homeko voninahitra lehibe indrindra hianao, ary hotanterahiko avokoa izay rehetra holazainao amiko. Koa mihanta aminao re aho, tongàva aty amiko, ozony io vahoaka io. 18 Dia namaly Balaama, ka nanao tamin'ny mpanompon'i Balàka hoe: Na homen'i Balàka volafotsy sy volamena eran'ny tranony aza aho, dia tsy mahazo mandika ny tenin'ny Tompo Andriamanitro aho, ka hanao zavatra na kely na lehibe. 19 Ary ankehitriny, mihanta aminareo aho mba hijanona aty indray koa hianareo anio alina, hahafantarako izay holazain'ny Tompo amiko indray. 20 Nony alina dia tonga tamin'i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao. 21 Dia nifoha Balaama nony maraina, nanisy lasely ny ampondravaviny ka nandeha niaraka tamin'ny andriandahin'i Moaba. 22 Nirehitra anefa ny fahatezeran'Andriamanitra raha nandeha izy ka nankeo amin'ny làlana ny anjelin'ny Tompo hisakana azy. Nitaingina ny ampondrany Balaama ary narahin'ny mpanompony roa lahy. 23 Hitan'ity ampondra ilay anjelin'ny Tompo nijanona teo an-dàlana sy nitana sabatra voatsoaka teny an-tànany, ka nivily làlana nankany anaty saha izy. Nokapohin'i Balaama ny ampondrany, hampiverenany azy amin'ny làlany indray. 24 Tamin'izay ilay anjelin'ny Tompo, dia nibahana teo an-dàlana an-kandemponana anankiray, tanelanelan'ny tanim-boaloboka, voafefy eo an-daniny roa. 25 Nony nahita ilay anjelin'ny Tompo ilay ampondra dia nitampisaka manaraka ny rindrina, ka voatery tamin'ny rindrina ny tongotr'i Balaama, dia nikapoka azy indray izy. 26 Nandroso lavidavitra kokoa ny anjelin'ny Tompo nijanona tamin'ny toerana ety anankiray, izay tsy misy hidifiana akory, na ho amin'ny an-kavanana na ho amin'ny an-kavia. 27 Nony nahita ilay anjelin'ny Tompo ity ampondra, dia nandry teo ambanin'i Balaama; ary nirehitra ny fahatezeran'i Balaama, ka nokapohiny tamin'ny tehina ny ampondra.