Ny Fanisana

Toko faha-22

28 Nosokafan'ny Tompo ny vavan'ity ampondra ka nilaza tamin'i Balaama hoe: Naninona anao aho no dia nokapohinao intelo izao? 29 Dia hoy ny navalin'i Balaama tamin'ny ampondra: Satria namazivazy ahy hianao, ka raha nisy sabatra tety an-tànako dia matiko ankehitriny izao ihany hianao. 30 Hoy ny ampondra tamin'i Balaama: Moa tsy ampondranao va aho, ka efa notaingenanao mandrakariva hatramin'izao? Moa mba fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy ny navaliny: Tsia. 31 Nosokafan'ny Tompo ny mason'i Balaama, dia hitan'i Balaama ilay anjelin'ny Tompo izay teo an-dàlana teo sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tànany, ka niondrika sy niankohoka tamin'ny tany izy.

32 Dia hoy ilay anjelin'ny Tompo taminy: Ahoana no nikapohanao ny ampondranao intelo izao? Indro nivoaka hisakana anao aho, satria araka ny hitako, làlana mamarina anao amin'ny loza no ombanao. 33 Nahita ahy ny ampondra, ka nitanila teo anatrehako intelo izao; raha tsy nitanila teo anatrahako izy, dia hianao no nataoko maty, fa izy navelako ho velona aina. 34 Ary hoy Balaama tamin'ny anjelin'ny Tompo: Efa nanota aho, fa tsy fantatro hoe teo anoloako hianao, ary ankehitriny raha tsy sitrakao izao, dia hody aho. 35 Hoy ny anjelin'ny Tompo tamin'i Balaama: Mandehana ihany miaraka amin'ireo lehilahy ireo, nefa aza milaza zavatra hafa afa-tsy izay holazaiko aminao. Dia nandeha Balaama, niaraka tamin'ny andriandahin'i Balàka. 36 Nony ren'i Balàka fa tamy Balaama, dia nivoaka izy hitsena azy hatrany amin'ny tanàna Moaba eo amin'ny faritr'i Arnòna, any amin'ny sisin-tany indrindra. Hoy Balàka tamin'i Balaama:

37 Moa tsy efa naniraka tany aminao va aho, nampaka anao? Nahoana no dia tsy nankaty amiko hianao? Sa dia tsy hahay manome voninahitra anao marina tokoa aho? 38 Hoy Balaama tamin'i Balàka: Indro aho mankaty aminao; fa ankehitriny moa ho afa-milaza na inona na inona va aho? Ny teny hataon'Andriamanitra ao am-bavako no holazaiko. 39 Niainga niaraka tamin'i Balàka Balaama ka tonga tany Kiriata-Kotsota izy ireo.

40 Namono omby aman'ondry hatao sorona Balàka, ka nampanateriny ho an'i Balaama sy ireo andriandahy teo aminy izany. 41 Nony maraina, nalain'i Balàka i Balaama, ka nentiny niakatra ho ao Bamota-Baala, izay nahatazanan'i Balaama ny vody làlan'ny vahoaka.

Toko faha-23

1 Hoy Balaama tamin'i Balàka: Anangano otely fito eto aho, ary manomàna vantotr'ombalahy fito sy ondralahy fito eo koa.

2 Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balaama, ary samy nanateran'i Balàka sy Balaama vantotr'ombalahy iray sy ondralahy iray avy teo ambonin'ny otely. 3 Hoy Balaama tamin'i Balàka: Mitoera hianao eo anilan'ny sorona dorana, fa izaho kosa hihataka; angamba ho avy hihaona amiko Iaveh, ary na inona na inona hasehony amiko, dia holazaiko anao. Dia lasa izy nankany amin'ny havoana anankiray mangadihady. 4 Tonga nihaona tamin'i Balaama tokoa Andriamanitra, ka hoy Balaama taminy: Efa nanangana ny otely fito aho, ary efa nanatitra vantotr'ombalahy iray sy ondralahy iray avy isan'otely.

5 Dia nanisy teny tao am-bavan'i Balaama Iaveh sy nanao taminy hoe: Miverena any amin'i Balàka, ka izao sy izao no lazaina aminy. 6 Niverina nankany aminy izy, ka inty Balàka sy ireo andriandahin'i Moaba nitoetra teo anilan'ny sorona dorany; 7 ka nilaza ny lahateniny Balaama nanao hoe: Balàka nampaka ahy avy tany Arama; Ny mpanjakan'i Moaba nampaka ahy, avy tany an-tendrombohitry ny Atsinanana; Avia, ozony Jakoba!

8 Hataoko ahoana no fanozona raha tsy manozona Andriamanitra? Hataoko ahoana no fahatezitra raha tsy mitezitra Iaveh?

9 Fa eto am-tampon'ny vatolampy aho mahita azy, Ary eto ambony havoana aho mahatazana azy; Ka firenena manana fitoerana manokana izy, Fa tsy mba hampidirina amin'ny fanisana ny firenena.

10 Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, Na mahisa ny ampahefatr'Israely? Enga anie ka ho toy ny fahafatin'ny olo-marina ny fahafatiko, Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!

11 Dia hoy Balàka tamin'i Balaama: Fa inona ity nataonao tamiko, no hanozona ny fahalavoko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?

12 Fa hoy ny navaliny nanao hoe: Moa tsy tokony hotandremako va ny hilaza izay ataon'ny Tompo ato am-bavako? 13 Dia hoy Balàka taminy: Andeha hiaraka amiko hianao ho any amin'ny toeran-kafa izay hahitanao azy nefa ny sisiny ihany no ho hitanao, fa tsy ho izy manontolo, ary any dia ozòny izy. 14 Dia nentiny nankany an-tsahan'ny Tily, an-tampon'i Fasgà izy, ka nony efa nanangana otely fito, dia nanatitra vantotr'ombalahy iray sy ondrilahy iray avy isan'otely izy. 15 Ary hoy Balaama tamin'i Balàka: Mitoera hianao eto anilan'ny sorona doranao; fa izaho handeha ary hihaona amin'ny Tompo. 16 Dia tonga nihoana tamin'i Balaama Iaveh ka nanisy teny tao am-bavany, ary nilaza hoe: Miverena any amin'i Balàka, ka izao sy izao no holazainao. 17 Niverina tany amin'i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan'ny sorona dorany izy mbamin'ny andriandahin'i Moaba. Dia hoy Balàka taminy: Inona no nolazain'ny Tompo?

18 Ary Balaama nilaza ny laha-teniny ka nanao hoe: Mitsangàna, ry Balàka, ka mihainoa, Mampandria sofina, ry zanak'i Sefora:

19 Tsy olombelona Andriamanitra ka handainga, Na zanak'olombelona ka hanenina. Moa mba milaza fotsiny va izy fa tsy manatanteraka, Na miteny ihany fa tsy manefa?

20 Indro efa nahazo teny hitso-drano aho; Izy efa nitso-drano, ka tsy hanova izany aho.

21 Tsy mahita faharatsiana amin'i Jakoba izy, Tsy mahita tsy fahamarinana amin'Israely. Iaveh Andriamaniny no momba azy; Fihobiana mpanjaka no manakoako ao aminy;

22 Andriamanitra no mamoaka azy avy tany Ejipta, Ary manan-kery toy ny ombimanga izy.

23 Noho ny tsy fisian'ny fanandroana eo amin'i Jakoba, Sy ny tsy fisian'ny sikidy eo amin'Israely, Dia holazaina amin'i Jakoba sy Israely amin'ny fotoana mety Izay tian'Andriamanitra hotanterahina.

24 Indro firenena miarina toy ny liom-bavy, Sy mitsangana mova tsy ny liona! Tsy mandry izy raha tsy nihinana ny hazany, Sy efa nisotro ny ran'ny voaratra.

25 Dia hoy Balàka tamin'i Balaama: Aza manozona azy, ary aza mitso-drano azy.

26 Fa hoy ny navalin'i Balaama an'i Balàka nanao hoe: Moa tsy efa niteny taminao va aho nanao hoe: izay holazain'ny Tompo hataoko avokoa? 27 Hoy Balàka tamin'i Balaama: Andeha àry hianao hoentiko any amin'ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak'Andriamanitra ny hanozonanao azy any. 28 Dia nentin'i Balàka Balaama ho any an-tampon'i Fogora izay manerinerina amin'ny efitra. 29 Ary hoy Balaama tamin'i Balàka: Anangano otely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa. 30 Nataon'i Balàka izay nolazain'i Balaama; ary nanatitra ombalahy sy ondralahy iray avy isan'otely izy.

Toko faha-24

1 Hitan'i Balaama fa ny hitso-drano an'Israely no sitra'Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin'ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.

2 Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an'Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra izy, 3 ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: Faminanian'i Balaama zanak'i Beora; Faminanian'ny lehilahy voakimpy ny masony; 4 Faminanian'ilay mandre ny tenin'Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin'ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:

5 Endrey ity hatsaran'ny lainao, ry Jakoba! Ary izato fonenanao, ry Israely!

6 Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron'ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen'ny Tompo, Tahaka ny sedera amoron-drano!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1502