Ny Fanisana

Toko faha-26

64 Tamin'izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan'ny zanak'Israely, izay efa nisain'i Moizy sy Aarona mpisorona tany an'efitra Sinaia. 65 Fa ireny efa nilazan'ny Tompo hoe: Ho faty any an'efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin'ireny, afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefona, sy Josoe zanak'i Nòna.

Toko faha-27

1 Tamin'izay tonga ny zanakavavin'i Salfaada, zanak'i Hefera, zanak'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy amin'ny fokon'i Manase, zanak'i Josefa; ny anaran'izy ireo dia izao: Maalà, Noà, Heglà, ary Tersà.

2 Teo anatrehan'i Moizy sy Eleazara mpisorona, ary ny lohan'ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran'ny trano lay fihaonana, ka nanao hoe: 3 Maty tany an'efitra ny rainay; izy tsy mba anatin'ilay antokony, izay niray tetika hiodina amin'ny Tompo, dia ny antokon'i Kore, fa maty noho ny fahotany izy, ary tsy mba nanan-janaka lahy izy. 4 Ka raha saingy tsy nanan-janaka lahy izy, nahoana no dia hovonoina tsy ho eo amin'ny fokony ny anaran'ny rainay? Mba omeo zaratany eo amin'ny rahalahin-drainy izahay. 5 Dia nentin'i Moizy teo anatrehan'ny Tompo ny fitarainan'izy ireo,

6 ka hoy Iaveh tamin'i Moizy: 7 Zavatra araka ny rariny tsara ny nolazain'ny zanakavavin'i Salfaada, ka omeo zaratany ho lovany eo amin'ny rahalahin-drainy izy, dia ny anjaran-drainy no atolory ho lovany. 8 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao hoe: Raha misy lehilahy maty tsy nanan-janakalahy, dia ny zanany vavy no hamindranareo ny lovany. 9 Ary raha tsy manan-janakavavy izy, dia ny rahalahiny no homenareo ny lovany. 10 Raha tsy manan-drahalahy izy, dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny lovany. 11 Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin'ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an'ny zanak'Israely izany, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy. 12 Hoy Iaveh tamin'i Moizy: Miakara amin'io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak'Israely.

13 Hahita izany hianao, dia hangonina any amin'ny razanao tahaka ny nanangonana an'i Aarona rahalahinao koa, 14 satria hianareo tany amin'ny efitra Sina, ilay nilan'ny fiangonana ady iny, dia nanohitra ny teny nomeko hanamasinana ahy teo imasony, ny amin'ny momba ny rano, dia ny ranon'i Meribà, any Kadesy, any an'efitra Sina. 15 Dia niteny tamin'ny Tompo Moizy, nanao hoe:

16 Aoka Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana. 17 Ka hivoaka sy hiditra eo alohany ary hitarika azy hivoaka sy hiditra, mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan'ny Tompo. 18 Ary hoy Iaveh tamin'i Moizy: Alao Josoe zanak'i Nòna, lehilahy itoeran'ny Fanahy ka ametraho tànana izy. 19 Dia apetraho eo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra izy, ka atokano eo imason'izy ireo. 20 Ametraho anjara amin'ny fahefanao izy, mba haneken'ny fiangonan'ny zanak'Israely rehetra azy. 21 Izy hankeo anatrehan'i Eleazara mpisorona izay hanadina amin'ny fitsaran'ny Orima ho azy, eo anatrehan'ny Tompo, ka araka ny teniny no hivoahan'i Josoe, araka ny teniny no hidirany, dia Josoe, ny zanak'Israely rehetra miaraka aminy, ary ny fiangonana rehetra. 22 Dia nataon'i Moizy izay nandidian'ny Tompo azy: Naka an'i Josoe izy, nametraka azy teo anatrehan'i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra,

23 ka nony efa nametra-tànana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan'ny Tompo tamin'ny alàlan'i Moizy.

Toko faha-28

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Ento amin'ny zanak'Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho ahy, dia ny fahana ho ahy amin'ny sorona atao amin'ny afo izay mani-pofona amiko. 3 Lazao aminy hoe: Izao no sorona atao amin'ny afo, haterinareo ho an'ny Tompo: isan'andro, zanak'ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka.

4 Ny iray amin'ireo zanak'ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin'ny àty takariva; 5 ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon'ny efah, voadity tamin'ny diloilo oliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra. 6 Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 7 Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray, ka ao amin'ny fitoerana masina, no hanaovana ny fanatitra araraka amin'ny divay madio ho an'ny Tompo. 8 Ny zanak'ondry iray haterina amin'ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin'ny maraina, mbamin'ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin'ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin'ny Tompo. 9 Amin'ny andro sabata kosa, dia zanak'ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin'ny fanatitra araraka momba azy.

10 Sorona dorana amin'ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin'ny fanatitra araraka momba azy. 11 Amin'ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an'ny Tompo dia vantotr'ombalahy roa, ondralahy iray, zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema;

12 ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo, hatao fanatitra amin'ny isam-bantotr'ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo, hatao fanatitra amin'ny ondrilahy; 13 ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin'ny diloilo, hatao fanatitra amin'ny isan-janak'ondry iray; sorona dorana atao amin'ny afo ho an'ny Tompo. 14 Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin'ny isam-bantotr'ombalahy iray, ampahatelon'ny hina, amin'ny isan'ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin'ny volana mandritra ny taona. 15 Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an'ny Tompo, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy. 16 Amin'ny volana voalohany, andro fahefatra ambin'ny folon'ny volana, dia Pakan'ny Tompo.

17 Ary ny andro fahadimy ambin'ny folon'izany volana izany, dia ho andro fety. Hafitoana hihinana mofo tsy misy lalivay hianareo. 18 Amin'ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona. 19 Ary izao no haterinareo ho sorona amin'ny afo, sorona dorana ho an'ny Tompo, vantotr'ombalahy roa, ondralahy iray, zanak'ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, 20 ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin'ny diloilo telo ampahafolony, atao amin'ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin'ny ondralahy iray, 21 iray ampahafolony amin'ny zanak'ondry fito tsirairay avy. 22 Ary osilahy iray no hatao sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo. 23 Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka. 24 Isan'andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin'ny sorona atao amin'ny afo, ho hanitra ankasitrahan'ny Tompo. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin'ny fanatitra araraka momba azy. 25 Amin'ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia tsy hanao asa fanaon'ny mpiasa na inona na inona hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2202