Ny Fanisana
Toko faha-26
14 Ireo no fokon'ny Simeonita, roan-jato amby roa arivo sy roa alina izy. 15 Zanak'i Gada, araka ny fokony avy; ny fokon'ny Sefonita avy tamin'i Sefona; ny fokon'ny Agita avy tamin'i Agy;16 ny fokon'ny Oznita avy tamin'i Oznì; ny fokon'ny Herita, avy tamin'i Hera; 17 ny fokon'ny Arodita, avy tamin'ny Aroda; ny fokon'ny Arielita avy tamin'i Ariela. 18 Ireo no fokon'ny zanak'i Gada, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy efatra alina. 19 Zanak'i Jodà: Era sy Onàna, fa maty tany Kanaana Era sy Onàna.
20 Izao no zanak'i Jodà, araka ny fokony avy: Ny fokon'ny Selaita avy tamin'i Selà; ny fokon'ny Farezita, avy tamin'i Farezy; ny fokon'ny Zareita, avy tamin'i Zare. 21 Ny zanak'i Farezy dia izao: ny fokon'ny Hesronita avy tamin'i Hesrona; ny fokon'ny Hamolita avy tamin'i Hamola. 22 Ireo no fokon'i Jodà, araka ny voaisa amin'izy ireo: diman-jato amby enina arivo sy fito alina. 23 Zanak'Isakara, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Tolaïta avy tamin'i Tolà; ny fokon'ny Foaita avy tamin'i Foà;
24 ny fokon'ny Jasobita avy tamin'i Jasoba; ny fokon'ny Semranita avy tamin'i Semrana. 25 Ireo no fokon'Isakara araka ny voaisa amin'izy ireo: telon-jato amby efatra arivo sy enina alina. 26 Zanak'i Zabolona, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Saredita avy tamin'i Sareda; ny fokon'ny Elonita avy tamin'i Elona; ny fokon'ny Jalelita avy tamin'i Jalela.
27 Ireo no foko avy tamin'i Zabolona, araka ny voaisa amin'izy ireo, dia diman-jato sy enina alina. 28 Zanak'i Josefa, araka ny fokony, dia Manase sy Efraima.
29 Zanak'i Manase: ny fokon'ny Makirita, avy tamin'i Makira; ary Makira niteraka an'i Galaada; ny fokon'ny Galaadita avy tamin'i Galaada. 30 Izao no zanak'i Galaada: Jezera ihavian'ny fokon'ny Jezerita; avy amin'i Heleka ny fokon'ny Helikita; 31 Asriela ihavian'ny fokon'ny Asrielita; Sekema ihavian'ny fokon'ny Sekemita; 32 Semidà ihavian'ny fokon'ny Semidaïta; Hefera ihavian'ny fokon'ny Hefrita. 33 Salfaada, zanak'i Hefera tsy nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ka ireto no anaran'ny zanakavavin'i Salfaada: Maalà, Noà, Heglà, Melkà ary Tersà. 34 Ireo no fokon'i Manase: fiton-jato amby roa arivo sy dimy alina no voaisa amin'izy ireo. 35 Ireto no zanak'i Efraima, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Sotalaïta, avy amin'i Sotalà; ny fokon'ny Bekrita avy amin'i Bekera; ny fokon'ny Tehenita avy amin'i Tehena.
36 Ary izao no zanak'i Sotalà: ny fokon'ny Heranita, avy amin'i Heràna. 37 Ireo no fokon'ny zanak'i Efraima, araka ny voaisa amin'izy ireo; diman-jato amby roa arivo sy telo alina. Dia izay no zanak'i Josefa araka ny fokony. 38 Zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Belaita, avy tamin'i Belà; ny fokon'ny Asbelita, avy tamin'i Asbela; ny fokon'ny Ahiramita avy tamin'i Ahirama;
39 ny fokon'ny Sofamita avy tamin'i Sofama; ny fokon'ny Hofamita avy tamin'i Hofama. 40 Ary ny zanak'i Belà, dia Hereda sy Noemana: ny fokon'ny Heredita, avy tamin'i Hereda; ny fokon'ny Noemanita, avy tamin'i Noemana; 41 Ireo no zanak'i Benjamina, araka ny fokony avy, ary enin-jato amby dimy arivo sy efatra alina, ny voaisa amin'izy ireo. 42 Izao no zanak'i Dana, araka ny fokony: avy amin'i Sohama ny fokon'ny Sohamita. Ireo no fokon'i Dana raka ny fokony.
43 Efa-jato amby efatra arivo sy enina alina no tontalin'ny fokon'ny Sohamita araka ny voaisa amin'izy ireo. 44 Zanak'i Asera, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jemnita avy tamin'i Jemnà; ny fokon'ny Jesoaita, avy tamin'i Jesoaì; ny fokon'ny Brieita, avy tamin'i Brie.
45 Avy amin'ny zanak'i Brie: ny fokon'ny Hebrita avy tamin'i Hebera; ny fokon'ny Melkielita avy tamin'i Melkiela. 46 Ny anaran'ny zanakavavin'i Asera, dia Sarà. 47 Ireo no fokon'ny zanak'i Asera araka ny voaisa amin'izy ireo: efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. 48 Zanak'i Neftalì, araka ny fokony avy: ny fokon'ny Jesielita avy tamin'i Jesiela; ny fokon'ny Gonita, avy tamin'i Gonì;
49 ny fokon'ny Jeserita, avy tamin'i Jesera; ny fokon'ny Selemita avy tamin'i Selema. 50 Ireo no fokon'i Neftalì araka ny fokony. Efa-jato amby dimy arivo sy efatra alina ny voaisa amin'izy ireo. 51 Izao no zanak'Israely voaisa: telopolo amby fiton-jato sy arivo sy enina hetsy.
52 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:
53 Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan'ny anarana avy. 54 Ny maro isa homenao ny zaratany beba kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka ny voaisa aminy izy. 55 Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran'ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny. 56 Loka no hizarana ny lova, na ny ho an'ny maromaro kokoa, na ny ho an'ny vitsivitsy kokoa. 57 Izao kosa no voaisa tamin'ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon'ny Gersonita avy tamin'i Gersona; ny fokon'ny Kaatita avy tamin'i Kaata; ny fokon'ny Merarita avy tamin'i Merarì.
58 Izao no fokon'i Levì: ny fokon'ny Lobnita, ny fokon'ny Hebronita, ny fokon'ny Moholita, ny fokon'ny Mosita, ary ny fokon'ny Koreita. 59 Kaata niteraka an'i Amrama, ary ny anaran'ny vadin'i Amrama dia Jokabeda, zanakavavin'i Levì, izay nateraky ny reniny tamin'i Levì tany Ejipta, ary izy niteraka an'i Aarona sy Moizy ary Maria anabavin'ireo, tamin'i Amrama. 60 Aarona niteraka an'i Nadabà, Abiò, Eleazara ary Itamara. 61 Nadabà sy Abiò maty, tamin'izy ireo nanatitra afo hafa teo anatrehan'ny Tompo. 62 Ny lahy rehetra hatramin'ny iray volana no ho miakatra voaisa tamin'izy ireo dia telo arivo sy roa alina. Fa tsy mba anatin'ny voaisa tamin'ny zanak'Israely izy ireo, satria tsy mba nomena zaratany teo afovoan'ny zanak'Israely. 63 Ireo no lehilahy voaisan'i Moizy sy Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak'Israely teo amin'ny tany lemak'i Moaba, akaikin'i Jordany, tandrifin'i Jerikao.