Ny Fanisana

Toko faha-33

44 Niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ije-Abarima, amin'ny sisin-tanin'i Moaba. 45 Niala tao Ije-Abarima izy, dia nitoby tao Dibon-Daga. 46 Niala tao Dibon-Daga izy, dia nitoby tao Helmon-Delbataïma. 47 Niala tao Helmon-Delbataïma izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Abarima tandrifin'i Nebao. 48 Niala tao an-tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao amin'ny tany lemak'i Moaba, amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao. 49 Ny moron'i Jordany nitobiany, dia hatreo Betsimota, ka hatrany Abela-Setima amin'ny tany leman'i Moaba. 50 Niteny tamin'i Moizy Iaveh, tao amin'ny tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany tandrifin'i Jerikao nanao hoe:

51 Mitenena amin'ny zanak'Israely hoe: Rahefa tafita an'i Jordany hianareo, ka efa any amin'ny tany Kanaana, 52 dia roahy eo alohanareo ny mponina rehetra amin'ny tany, fongory avokoa ny vato misy sarin-javatra voasokitra, mbamin'ny sary anidina rehetra, ary ravao daholo ny fitoerana avony rehetra; 53 dia alao ho anareo ny tany, ka oneno, fa efa nomeko anareo ny tany hanananareo azy. 54 Filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin'ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany. 55 Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin'ny tany dia ho tsilo amin'ny masonareo sy fitsindrona amin'ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy, ka ny fanao amin'ny fahavalo no hataony aminareo amin'ny tany honenanareo.

56 Ary izaho hampihatra aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

Toko faha-34

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

2 Mandidia ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafiditra any amin'ny tany Kanaana hianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy. 3 Ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edoma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny ranomasin-Tsira any atsinanana,

4 dia miolaka mianatsimo amin'ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon'i Kadesy-Barne, mitohy amin'ny Hatsar-Adar, mihazo any Asemona, 5 ary hatreo Asemona, dia mipaka hatrany amin'ny riakan'i Ejipta, sy mihatra amin'ny ranomasina. 6 Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin'ny andrefana.

7 Izao no sisin-taninareo amin'ny avaratra. Avy ao amin'ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hora;

8 avy ao an-tendrombohitra Hora, dia hofaritanareo mankao amin'ny vavahadin'i Hamata ka tonga hatrany sedada io faritra io; 9 dia hitohy amin'ny Jofrona sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: izany no ho faritrareo amin'ny avaratra. 10 Ny sisin-taninareo any atsinanana dia hatreo Hatsar-Enàna ka hatrany Sefama;

11 ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan'i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin'ny ranomasina Kenereta any atsinanana, 12 ary midina ny faritra manaraka ny moron'i Jordany ka tafapaka hatramin'ny ranomasin-Tsira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy. 13 Izao no nandidian'i Moizy ny zanak'Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana sy nodidian'ny Tompo homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.

14 Fa ny fokon'ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviny avy, sy ny fokon'ny zanak'i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon'i Manase efa nandray ny lovany. 15 Samy efa naka ny anjara lovany aty an-dafin'i Jordany hitsin'i Jerikao amin'ny lafiny any atsinanana, amin'izay iposahan'ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko. 16 Ary niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:

17 Izao no anaran'ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Josoe, zanak'i Nòna. 18 Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany, 19 ka izao no anaran'ireo lahilahy ireo: Kaleba zanak'i Jefone, amin'ny fokon'i Jodà, 20 Samoela, zanak'i Amioda amin'ny fokon'i Simeona, 21 Elidada, zanak'i Kaslona amin'ny fokon'i Benjamina. 22 Baoksy izay filohany, zanak'i Jogly amin'ny fokon'ny zanak'i Dana. 23 Ny amin'ny zanak'i Josefa: Haniela izay filohany, zanak'i Efoda, amin'ny fokon 'ny zanak'i Manase; 24 ary Kamoela izay filohany, zanak'i Seftàna amin'ny fokon 'ny zanak'i Efraima; 25 Elisafàna, izay filohany, zanak'i Farnàka, amin'ny fokon'ny zanak'i Zabolona; 26 Faltiela izay filohany, zanak'i Azana, amin'ny fokon'ny zanak'Isakara; 27 Ahioda izay filohany, zanak'i Salomy, amin'ny fokon'ny zanak'i Asera; 28 Fedaela izay filohany, zanak'i Amioda, amin'ny fokon'ny zanak'i Neftalì. 29 Ireo no nodidian'ny Tompo hizara ny tany Kanaana amin'ny zanak'Israely.

Toko faha-35

1 Niteny tamin'i Moizy Iaveh tao an-tany lemak'i Moaba amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao, nanao hoe:

2 Omeo didy ny zanak'Israely hanome tanàna ho an'ny Levita avy amin'ny lova hananany avy, mba honenany ao. Homenareo tany fiandrasam-biby manodidina izany tanàna izany koa ny Levita. 3 Hanana ny tanànany izy honenany, ary ny tany fiandrasam-biby, dia ho an'ny biby vaventy fiompiny sy ny fananany mbamin'ny bibiny rehetra. 4 Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin'ny mandan'ny tanàna avy eo ivelany. 5 Any ivelan'ny tanàna hianareo handrefy roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsinanana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan'izy ireo. 6 Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana enina, izay halaminareo handosiran'izay nahafaty olona; ary fanampin'izany dia homenareo tanàna hafa roa amby efapolo koa izy,

7 dia ho valo amby efapolo izany no ho tanàna homenareo ny Levita omban'ny tany fiandrasam-bibiny avy. 8 Ny zaratanin'ny zanak'Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be, ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin'ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.168