Ny Fanisana
Toko faha-35
9 Niteny tamin'i Moizy Iaveh nanao hoe:10 Mitenena amin'ny zanak'Israely ka lazao aminy hoe: Rahefa tafita an'i Jordany ka efa any amin'ny tany Kanaana hianareo, 11 dia mifidiana tanàna ho tanàna fialofana ho anareo, mba handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy. 12 Izany tanàna izany, dia ho fialofana ho anareo tsy ho azon'ny mpamaly rà; mba tsy hovonoina, alohan'ny hisehoany hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana izay nahafaty olona. 13 Ka amin'ny tanàna homenareo, dia enina no ho tanàna fialofana ho anareo. 14 Ny tanàna telo homenareo ety an-dafin'i Jordany ary ny tanàna telo homenareo any amin'ny tany Kanaana. 15 Ireo no ho tanàna fialofana, ary ireo tanàna enina ireo, dia ho fialofana ho an'ny zanak'Israely, ho an'ny vahiny ary ho an'izay mitoetra eo aminareo, mba handosiran'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy. 16 Raha namely vy olona izy ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona.
17 Raha namely azy, ka vato mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona izy ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 18 Raha namely azy, ka fiasana hazo mety hahafaty olona no teny an-tànany, ka nahafatesany azy izany, dia mpamono olona ka hohelohin-ko faty ilay mpamono olona. 19 Ny mpamaly rà no hamono ny mpamono olona; amin'izay hifanenany aminy no hamonoany azy. 20 Raha nampitsingadina olona izy, noho ny fankahalany, na nitoraka zavatra tamin'olona tamin'ny fanotrehana, ka nahafatesany azy izany; 21 dia namely tànana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly rà no hamono azy rahefa hifanena aminy izy. 22 Fa raha nampitsingadina olona tsy nahy kosa izy, tsy noho ny fankahalany azy, na nitoraka zavatra taminy tsy nikendreny azy,
23 na nanjera vato tsy nahy taminy, mety hahafaty, ka nahafatesany azy izany, nefa tsy fahavalony izy, na nitady hanisy ratsy azy, 24 dia hotsarain'ny fiangonana araka izany lalàna izany ilay namely sy ny mpamaly rà; 25 ary hanafaka ilay nahafaty olona amin'ny mpamaly rà ny fiangonana, hamerina azy ho any amin'ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin'izay mpisorom-be voahosotra tamin'ny diloilo masina. 26 Raha mivoaka ny faritry ny tanàna fialofana izay nandosirany ilay nahafaty olona, 27 ka azon'ny mpamaly rà any ivelan'ny faritry ny tanàna fialofana, ka vonoin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, dia tsy heloka ho azy izany vonoana izany; 28 satria tsy maintsy mitoetra ao an-tanàna fialofany izay nahafaty olona mandra-pahafatin'ny mpisorom-be; fa rahefa maty ny mpisorom-be vao mahazo mody any amin'ny zarataniny ilay nahafaty olona. 29 Ireo lalàna ireo, dia mametra ny rariny harahinareo, hianareo sy ny taranakareo na aiza na aiza honenanareo. 30 Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazan'ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazany hanamelohana olona ho faty.
31 Aza mandray avotra aina amin'ny mpamono olona mendrika hovonoina noho ny heloka nataony, fa tsy maintsy atao maty izy. 32 Aza mandray avotra amin'izay nandositra ho ao an-tanàna fialofana, mba hahazoany mody hitoetra any amin'ny taniny, alohan'ny fahafatesan'ny mpisorom-be. 33 Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny rà no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin'ny rà nalatsaka afa-tsy ny ran'ny nandatsaka azy ihany.
34 Aza manevateva ny tany onenanareo sy onenako koa, fa izaho no Iaveh mitoetra eo afovoan'ny zanak'Israely.
Toko faha-36
1 Nanatona niteny teo anatrehan'i Moizy sy teo anatrehan'ny lehibe, lohan'ny fokom-pianakavian'ny zanak'Israely, ny loham-pianakavian'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, zanak'i Josefa. Hoy izy ireo hoe:2 Nodidian'ny Tompo ny tompoko hizara amin'ny filokana ny tany holovan'ny zanak'Israely; nodidian'ny Tompo koa ny tompoko hanome ny lovan'i Salfaada rahalahinay, ho an'ny zanany vavy. 3 Koa raha manambady ny zanakalahin'ny foko hafa amin'ny zanak'Israely izy ireo, dia hesorina amin'ny anjara lovan'ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran'ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin'ny anjara lovany. 4 Ary rahefa tonga ny Jobile ho an'ny zanak'Israely, ny lovany dia hanampy ny an'izay foko hidirany, ka halana amin'ny lovan'ny fokon-drazanay ny lovany. 5 Ary nanome izao didy izao Moizy ho an'ny zanak'Israely araka ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Marina ny tenin'ny fokon'ny zanak'i Josefa.
6 Ka izao no didin'ny Tompo ny amin'ny zanakavavin'i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin'ny fianakavian'ny fokon-drainy ihany no ho vadiny; 7 dia tsy hifindra maso ny lovan'ny zanak'Israely, fa samy ho eo amin'ny lovan'ny fokon-drainy avy no hipetrahan'ny zanak'Israely. 8 Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin'ny fokon'ny zanak'Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin'ny fianakavian'ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak'Israely rehetra. 9 Tsy hisy lova hifindra maso any amin'ny foko hafa, fa ny fokon'Israely rehetra samy hipetraka amin'ny lovany avy. 10 Dia nanao arak'izay nandidian'ny Tompo an'i Moizy ny zanakavavin'i Salfaada.
11 Samy nanambady ny zana-drahalahin-drainy avy ny zanakavavin'i Salfaada, Maalà, Tersà, Heglà, Melkà sy Hoà; 12 nanambady teo amin'ny fianakavian'ny zanak'i Manase, zanak'i Josefa izy ireo ka dia nipetraka tamin'ny fokom-pianakavian-drainy ny lovany. 13 Ireo no didy aman-dalàna nomen'ny Tompo ny zanak'Israely tamin'ny alàlan'i Moizy, teo an-tany lemak'i Moaba, amoron'i Jordany, tandrifin'i Jerikao.
Ny Detoronomy
Toko voalohany
1 Izao no teny nataon'i Moizy tamin'ny zanak'Israely rehetra tany an-dafin'i Jordany tany an'efitra, tany Arabaha, tandrifin'i Sofa, anelanelan'i Faràna, Tofela, Labana, Haserota sy Di-Zahaba.2 Làlana iraika ambin'ny folo andro Kades-Barne, raha avy eo Horeba ka mihazo ny làlana amin'ny tendrombohitra Seira. 3 Tamin'ny taona fahefa-polo, volana faharaika ambin'ny folo, andro voalohan'ny volana dia niteny tamin'ny zanak'Israely Moizy, araka izay rehetra nodidian'ny Tompo holazainy amin'izy ireo, 4 dia nony efa nandresy an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nonina tao Hesebona, sy Oga mpanjakan'i Basàna, izay nonina tao Atarota sy Edraia. 5 Tany an-dafin'i Jordany, amin'ny tany Moaba, dia nanomboka nivaofy izao lalàna izao Moizy nanao hoe:
6 Niteny tamintsika Iaveh Andriamanitsika tany Horeba nanao hoe: Ampy izay ny haelan'ny nitoeranareo tamin'ity tendrombohitra ity,
7 ka mihodìna dia miaingà; mandehàna mankany amin'ny tendrombohitry ny Amoreana sy any amin'ny manodidina azy rehetra, any amin'i Arabaha, any amin'ny Tendrombohitra, any amin'i Sefelà, any amin'i Negeba, any amoron'ny ranomasina, any amin'ny tanin'ny Kanaeana ary any Libàna, hatrany amin'ny ony lehibe dia ny ony Eofrata. 8 Indro, ataoko eo anoloanareo izany tany izany, ka mandehana alaovy hanananareo azy, ny tany efa nianianan'ny Tompo tamin'i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba rainareo, homena azy, dia ho azy ireo sy ny taranany mandimby azy. 9 Toy izao no nitenenako taminareo tamin'izany andro izany: Tsy zakako izaho irery ny mitondra anareo.
10 Efa nampitombo anareo Iaveh Andriamanitrareo, ka indro ankehitriny efa maro toy ny kintana eny an-danitra hianareo. 11 Enga anie, ka hampitomboin'ny Tompo Andriamanitry ny razanareo ho in'arivo tahaka izao hianareo sy hotsofiny rano, araka ny efa nampanantenainy anareo.