Bokin'i Nehemia
Toko faha-2
5 Nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin'ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray. 6 Nipetraka teo anilany koa ny mpanjakavavy tamin'izay, ary hoy ny mpanjaka tamiko: Haharitra hoatrinona ny dianao, ary rahoviana no hiverina hianao? Dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy, ka nilaza fetr'andro taminy aho. 7 Ary hoy koa aho tamin'ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy aho, ho an'ny governora any an-dafin'ny ony, mba hamelany ahy handeha, mandra-pahatongako any Jodà, 8 ary taratasy anankiray koa ho an'i Asafa mpitandrina ny alan'ny mpanjaka, mba hanomezany hazo ahy, hanaovana sakamandimby hatao amin'ny varavaran'ny trano mimanda manolotra ny tempoly sy hatao amin'ny mandan'ny tanàna, mbamin'ny trano hihatahako. Dia nomen'ny mpanjaka ahy izany, fa nomba ahy ny tanana manambin'Andriamanitro. 9 Dia lasa ho any amin'ireo governora any an-dafin'ny ony aho ka natolotro azy, ireo taratasin'ny mpanjaka, ary nisy manamboninahitra amam-pitaingin-tsoavaly koa, nalefan'ny mpanjaka hiaraka amiko.10 Nony fantatr'i Sanabalata Horonita, sy Tobia ilay mpanompo Amonita izany, dia ratsy mihitsy ny heviny amin'ny hoe, nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny zanak'Israely. 11 Dia tonga tany Jerosalema aho ka nony afaka hateloana no nitoerako tao,
12 nifoha tamin'ny alina aho, nomban'olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin'olona izay natoron'Andriamanitra tao am-poko hatao ho an'i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay notaingenako ihany. 13 Mbola alina, dia nivoaka teo amin'ny vavahadin'ny Lohasaha aho, dia nandroso mankany amin'ny loharanon'ny Dragona sy ny vavahadin'ny Zezika; nozahako ny mandan'i Jerosalema efa rava sy ny vavahadiny efa levon'ny afo. 14 Notohizako ny diako mankany amin'ny vavahadin'ny Loharano, sy ny Farihin'ny Mpanjaka, nefa tsy nisy fitoerana azon'ilay biby notaingenako naleha, raha mbola taingenako izy. 15 Nandeha alina aho niakatra tamin'ny lohasahan-driaka, ka nizaha ny manda; izay vao niverina tany amin'ny vavahadin'ny Lohasaha, ka dia niditra. 16 Tsy nisy nahalala izay nalehako na izay kendreko hatao ny andriambaventy. Fa hatramin'izay dia mbola tsy nisy nambarako tamin'ny Jody na inona na inona, na tamin'ny mpisorona, na tamin'ny lehibe, na tamin'ny andriambaventy, na tamin'ny hafa amin'ny vahoaka izay tsy maintsy manao ny asa.
17 Nony inona, dia hoy aho tamin'izy ireo: Hitanareo ny toetra mahonena mahazo antsika, fa rava ity Jerosalema, ary levon'ny afo ny vavahadiny. Koa andeha hatsangantsika ny mandan'i Jerosalema, dia tsy ho fandatsa intsony isika. 18 Dia notantaraiko tamin'izy ireo ny nomban'ny tànana manambin'Andriamanitra ahy, mbamin'ny teny nolazain'ny mpanjaka tamiko, ka hoy izy ireo namaly: Mitsangàna ary isika, hanorina. Dia rafitra nanao izany asa izany tamin-kerim-po tokoa izy ireo. 19 Nony nandre izany, Sanabalata Horonita, sy Tobia ilay mpanompo Amonita, ary Gosena Arabo, dia nanaraby sy naneso anay, nanao hoe: Inona izato ataonareo ao? Hikomy amin'ny mpanjaka angaha hianareo?
20 Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha hianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, aty Jerosalema hianareo.
Toko faha-3
1 Eliasiba mpisorona lehibe, mbamin'ireo mpisorona rahalahiny dia nanomboka nanorina ny vavahadin'ny Ondy, nanamasina azy izy, dia nandatsaka ny lela-vavahady; namboariny ny manda dia nohamasininy hatramin'ny tilikambon'i Meà, ka hatramin'ny tilikambon'i Hananeela.2 Ny mponina ao Jerikao no nanorina teo anilany, ary Zakora, zanak'i Amrì, nanorina teo anilany. 3 Ny taranak'i Senaà no nanao ny vavahadin'ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany;
4 ary teo anilany dia Merimota zanak'i Oria, zanak'i Akosa no nanamboatra; ary teo anilany dia Mosolama zanak'i Barakia, zanak'i Mesezebela, no nanamboatra; ary teo anilany dia Sadaoka zanak'i Baanà no nanamboatra; 5 teo anilany dia ny Tekoita no nanamboatra, saingy tsy nilatsaka hanampy tamin'ny fanompoana ny Tompony, ny lehibe tamin'izy ireo. 6 Joiadà zanak'i Faseà, sy Mosolama zanak'i Besodiasa, no nanamboatra ny Vavahady Goga, nataony teo ny sakamandimby dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany.
7 Meltiasa Gabaonita, Jadòna Meronatita, mbamin'ny mponina ao Gabaona sy Masfà no nanamboatra teo anilany, akaikin'ny fitsaran'ny governoran'ny any an-dafin'ny ony; 8 Oziela zanak'i Araiasa lohan'ny mpanefy volamena, nanamboatra teo anilany; ary Anania isan'ny fikambanan'ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; ary Anania isan'ny fikambanan'ny mpanao zava-manitra no nanamboatra teo anilany; navelany Jerosalema hatreo amin'ny manda malalaka. 9 Nanamboatra teo anilany, Rafaiasa, zanak'i Hora, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Jerosalema.
10 Teo anilany dia Jedaiasa zanak'i Haromafa no nanamboatra tandrifin'ny tranony; ary teo anilany dia Hatosa zanak'i Haseboniasa no nanamboatra. 11 Ny laniny sasany amin'ny manda sy ny tilikambon'ny Fatana fandoroana kosa, namboarin'i Melkiasa zanak'i Herema sy Hasoba zanak'i Fahata-Moaba. 12 Teo anilany dia Seloma zanak'i Alohesa, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Jerosalema, no nanamboatra niaraka tamin'ny zanany vavy. 13 Hanòna sy ny mponina ao Zanoe no nanamboatra ny vavahadin'ny Lohasaha; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany; fanampin'izany koa dia nanao ny manda arivo hakiho, hatreo amin'ny vavahadin'i Zezika izy.
14 Melkiasa zanak'i Rekaba, lehiben'ny faritanin'i Betakarama no nanamboatra ny vavahadin'ny Zezika; narafiny izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany.
15 Seloma zanak'i Kolkozà, lehiben'ny faritanin'i Masfà, no nanamboatra ny vavahadin'ny Loharano; narafiny sy notafoany izy, dia nalatsany ny lela vavahady, mbamin'ny karetsaka sy ny barany; fanampin'izany koa nanao ny mandan'ny farihin'i Siloa, anilan'ny zaridainan'ny Mpanjaka izy, hatreo amin'ny ambaratonga midina avy any an-tanànan'i Davida.
16 Nanaraka azy, Nehemia zanak'i Azbaoka, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Betsora, nanamboatra hatreo amin'ny tandrifin'ireo fasan'i Davida, hatreo amin'ilay dobo voarafitra sy hatreo amin'ny tranon'ny Lehilahy mahery.
17 Nanamboatra nanaraka azy, ny levita tarik'i Rehoma, zanak'i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an'ny faritaniny, Hasebiasa lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Keilà. 18 Nanamboatra nanarakaraka azy, ireo rahalahiny tarik'i Bavaì zanak'i Henadada, lehiben'ny antsasaky ny faritanin'i Keilà. 19 Teo anilany dia Azera zanak'i Josoe, lehiben'i Masfà, no nanamboatra ny ilan'ny manda, teo an-tandrifin'ny fiakaran'ny fitehirizam-piadiana, eo amin'ny zoro. 20 Nanarakaraka azy dia Barota zanak'i Zakaì, no nanamboatra tamin-kavitrihana ny ilany anankiray, hatreo amin'ny zoro ka hatreo amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba, mpisorona lehibe.
21 Nanarakaraka azy dia Merimota zanak'i Oria, zanak'i Akosa no nanamboatra ny ilany anankiray hatreo amin'ny varavaran'ny tranon'i Eliasiba, ka hatrarý amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba. 22 Ny nanarakaraka azy dia ireo mpisorona, lehilahin'ny tany lemak'i Jordany. 23 Manarakaraka ireo, dia Benjamina sy Hasoba nanamboatra teo an-trandrifin'ny tranony. Manaraka ireo, Azariasa zanak'i Maasiasa zanak'i Anania, nanamboatra teo akaikin'ny tranony. 24 Manarakaraka azy, Benoì zanak'i Henadada, nanamboatra ny laniny iray, hatreo amin'ny tranon'i Azariasa ka hatreo amin'ny zorony sy hatreo amin'ny fiolahana.
25 Falela zanak'i Ozì, nanamboatra teo an-tandrifin'ny zorony sy ny tilikambo avo izay mibohitra eo alohan'ny tranon'ny mpanjaka, akaikin'ny tokotanin'ny tranomaizina.
26 Ary ny Natineana dia nonina teo amin'ny Ofela, hatreo an-tandrifin'ny vavahadin'ny Rano, any atsinanana, sy ny tilikambo mandroso. 27 Manarakaraka azy, ny Tekoita nanamboatra ny laniny iray, tandrifin'ny tilikambo lehibe mibohitra, ka hatreo amin'ny mandan'i Ofela. 28 Teo ambonin'ny vavahadin'ny Soavaly dia ny mpisorona no samy nanamboatra ny tandrifin'ny tranony avy.
29 Manarakaraka azy, Sadaoka zanak'i Emera nanamboatra ny teo anoloan'ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra Semeiasa zanak'i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin'ny tempoly. 30 Manarakaraka azy, Hananìasa zanak'i Selemiasa sy Hanona fahenin'ny zanak'i Selefa, nanamboatra ny laniny iray hafa. Manarakaraka azy Mosolama, zanak'i Barakia, nanamboatra ny teo anoloan'ny tranony. 31 Manarakaraka azy, Melkiasa isan'ny fikambanan'ny mpanefy volamena, nanamboatra hatreo amin'ny tranon'ny Natineana sy ny mpivarotra, teo anoloan'ny vavahadin'i Mifkada ka hatreo amin'ny trano ambony eo anjorony. 32 Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra nanamboatra ny eo anelanelan'ny trano ambony eo anjorony sy ny vavahadin'ny Ondry. 33 Tezitra ary nisafoaka mafy Sanabalata, nony nandre fa hoe: Mandrafitra ny manda indray izahay. Dia naneso ny Jody izy.
34 Dia niteny teo anatrehan'ireo rahalahiny sy ireo miaramilan'i Samaria izy nanao hoe: Asa inona no ndeha hataon'ireo Jody tsy mahefa? Dia havelan'ny olona hanao eo ve ireo? Hahatitra sorona eo va ireo? Hahavita amin'ny indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato voalevina any ambany vovo-tany miavosa sy levon'ny afo va ireo?