Bokin'i Jodita

Toko faha-2

3 Nolazainy tamin'ireo fa ny hampanaiky ny tany rehetra ho ambany fahefany no fikasany. 4 Nankatoavin'izy rehetra izany lahateniny izany, ka nampiantsoin'i Nabokodonosora Holoferina, komandy ben'ny tafiny, 5 nilazany hoe: Miaingà hianao handeha hamely ny fanjakana rehetra any andrefana, indrindra indrindra ireo izay namotsifotsy ny teniko. 6 Aoka ny masonao tsy hitsitsy fanjakana iray akory, ary ampanekeo ahy avokoa ny tanàna mimanda rehetra. 7 Tamin'izay dia nantsoin'i Holoferina ny lehibe sy ny manam-boninahitry ny foloalin-dahin'ny Asiriana, ka naka miaramila hiantafika, araka ny didin'ny mpanjaka izy; roa alina sy iray hetsy no isan'ny miaramila an-tongotra, ary roa arivo sy iray alina ny an-tsoavaly mpandefa tsipìka.

8 Rameva maro be tsy hita isa nitondra fitaovana sesehena ho an'ny miaramilany, sy andian'omby aman'ondry tsy tambo isaina, no nampialohainy ny tafiny. 9 Nasainy novononina eny amin'ny halehany ny vary avy amin'i Siria manontolo. 10 Volamena sy volafotsy tsy hita noanoa no nalainy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. 11 Dia niainga izy sy ny tafiny rehetra, mbamin'ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly sy mpandefa tsipìka, ka nandrakotra ny tany, mova tsy ny valala. 12 Nony avy namaky ny sisin-tanin'i Asiria izy, dia tonga teo amin'ireo tendrombohitra lehibe any Ange, izay ao avaratr'i Silisia, dia nitsofohany avokoa ny tanàna mimanda, dia afany daholo ny fiarovana rehetra. 13 Nanihiny ka afany Melitena ilay tanàna malaza, ary nobaboiny avokoa ny mponina tao Tarsa, mbamin'ny taranak'Ismaely izay nonina teo an-tandrifin'ny efitra, sy teo atsimon'i Selòna. 14 Nita an'i Eofrata izy, dia nankany Mesopotamia, ary niadiany an-keriny avokoa ny tanàna mimanda rehetra tamin'izany tany izany, hatramin'ny mason-dranon-driaka Kaborasa ka hatrany amin'ny ranomasina.

15 Manaraka izany, dia azony avokoa ny tany rehetra manolotra an'i Eofrata, hatrany Silisia ka hatrany amin'ny faritanin'i Jafeta, izay mandroso mianatsimo.

16 Nentiny ho babo avokoa ny taranak'i Madiana, norobainy daholo ny hareny ary novonoiny tamin'ny sabatra izay rehetra nanohitra azy. 17 Avy eo dia nidina teny an-tsahan'i Damasa izy, tamin'ny fotoam-pijinjana, nandoro ny vokatra rehetra sy nampikapa ny hazo amam-boaloboka rehetra. 18 Dia raiki-tahotra ny fiadiany ny mponina rehetra amin'ny tany.

Toko faha-3

1 Tamin'izany ny mpanjaka aman'andriandahy amin'ny tanàna rehetra sy amin'ny tany rehetra, dia ny tao Sirian'i Mesopotamia, Sirian'i Soba, Libia ary Silisia, dia naniraka ambasadaoro nankany amin'i Holoferina nanao taminy hoe:

2 Aonony ny hatezeranao aminay, fa aleo velona aina hanompo an'i Nabokodonosora mpanjaka lehibe sy manaiky anao, toy izay maty, sady efa mifaditra ny ahitra amin'ny fahandevozana indray no hahafatesana. 3 Indro eo anatrehanao avokoa ny tanànanay rehetra, sy izay mety ho fanananay, ny tendrombohitra rehetra, ny havoanay, ny sahanay, ny andian'ombinay aman'ondry sy osy, ny soavalinay, ny ramevanay, ny harenay, ary ny fianakavianay. 4 Aoka ho eo ambany fifehezanao avokoa izay anananay rehetra. 5 Mpanomponao avokoa izahay sy ny zanakay. 6 Tongava any aminay, toy ny tompo tia fihavanana, ary alamino araka izay itiavanao azy ny fanompoana hataonay. 7 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Holoferina mbamin'ny mpitaingin-tsoavaliny, tamin-kery lehibe, ka nanjary tompon'ny tanàna rehetra mbamin'ny mponina rehetra amin'ny tany izy.

8 Ny tanàna rehetra dia samy nangalany lehilahy mahery sy izay voatsonga hiady, nataony mpanampy. 9 Ary loza tokoa ny tahotra nanindry ny olona tamin'izany faritany izany, ka ny mponina tamin'ny tanàna rehetra, na ny andriambaventy na ny olona manan-kaja indrindra, na ny sarambabem-bahoaka, raha tamy izy, dia nivoaka hitsena azy avokoa, 10 nitondra satro-boninahitra amam-panilo handray azy, nandihy tamin'ny feon'amponga aman-tsodina. 11 Na dia izany aza anefa tsy hain'izy ireo notonena ny hasiahan'ny fony tamin'izany nataony izany. 12 Noravany ny tanànan'izy ireo, nokapainy ny hazo masiny. 13 Satria didy azony tamin'i Nabokodonosora ny handringana ny andriamanitry ny tany rehetra, mba ho izy irery ihany no hantsoina hoe andriamanitra amin'ny firenena rehetra izay azon'ny herin'i Holoferina hampanekena. 14 Nony avy nitety an'i Sirian'i Sobà, Apamea rehetra, mbamin'i Mesopotamia manontolo izy, dia tonga teo amin'ny Idomeana, amin'ny tanin'i Gabaà,

15 ka nony azony ny tanànan'ireo, dia nijanona telopolo andro teo izy, nanangona ny miaramila rehetra tamin'ny tafika nentiny.

Toko faha-4

1 Nony nandre izany zavatra izany ny zanak'Israely nonina tamin'ny tanin'i Jodà, dia raiki-tahotra tamin'ny hihavian'i Holoferina.

2 Nahatsiaro tsiravina sy nivadi-po loatra izy, nihevitra fa Jerosalema sy ny tempolin'ny Tompo koa dia ho azon'io atao toy ny nanaovany ny tanàna hafa sy ny tempolin'ireny. 3 Naniraka nankany Samaria manontolo sy amin'ny manodidina hatrany Jerikao izy, notanany rahateo ny tampon-tendrombohitra rehetra. 4 Nohodidininy manda ny vohiny, ary nanangom-bary izy hatao fitaovana ho fiomanana haharetany miady. 5 Eliasima mpisorona koa nanoratra ho any amin'izay rehetra monina tandrifin'i Esdrelona, tandrifin'ny tany lemaka lehibe izay ao akaikin'i Dotaina, ary tamin'izay rehetra monina amin'ny tany misy làlana faleha, 6 namporisika azy ireo hitana ny kisolosolon-tendrombohitra rehetra azo aleha mankany Jerosalema, sy hiambina ny hadilàlana azo aleha eo anelanelan'ny tendrombohitra. 7 Notanterahin'ny zanak'Israely ny didin'Eliasima mpisoron'ny Tompo. 8 Ary niantso ny Tompo tamim-pitalahoana mafy avokoa ny vahoaka rehetra sady samy nanetry ny fanahiny tamin'ny fifadian-kanina sy ny vavaka avokoa, na ny tenany, na ny vadiny. 9 Nanao akanjo malailay ny mpisorona, niankohoka teo anoloan'ny tempolin'ny Tompo ny ankizy madinika, ary norakofana lamba malailay ny otelin'ny Tompo. 10 Dia niray fo nitaraina tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy rehetra mba tsy havelany ho rembin'ny sasany ny zanany, na ho babo hozaraina ny vadiny, na horavana ny tanànany, na ho voaloto ny fitoerany masina, na ho tonga fandatsan'ny firenena ny tenan'izy ireo. 11 Tamin'izay, Eliasima mpisoron-dehiben'ny Tompo dia nitety ny tanin'Israely rehetra ka niteny tamin'ny vahoaka,

12 nanao hoe: Aoka ho fantatrareo fa hohenoin'ny Tompo ny fitalahoanareo raha maharitra amin'ny fifadian-kanina sy ny fivavahana eo anatrehany hianareo. 13 Tsarovinareo Moizy mpanompon'ny Tompo. Amaleka niantehitra tamin'ny heriny amam-pahefany, ny miaramilany aman'ampingany, ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny; Moizy kosa nandresy azy, tsy tamin'ny ady amim-by, fa tamin'ny vavaka masina nataony tamin'Andriamanitra. 14 Toy izany avokoa no hanjo ny fahavalon'Israely rehetra raha maharitra amin'ny asa efa natombokareo hianareo. 15 Nony efa izany famporisihana izany, dia nitaraina tamin'ny Tompo izy ireo, nitoetra teo anatrehany; 16 hany ka na dia ireo nanolotra ny sorona dorana aza, teny aminy ihany ny akanjo malailay, teo an-dohany ihany ny lavenona, no nanolotra izany tamin'ny Tompo izy. 17 Ary izy rehetra samy nivavaka tamin'Andriamanitra avokoa, mba hamangiany an'Israely vahoakany.

Toko faha-5

1 Nisy nilaza tamin'i Holoferina, komandin'ny tafiky ny Asiriana, fa mivonon-kanohitra ny zanak'Israely ary efa nohidiany ny làlana any an-tendrombohitra.

2 Nisafoaka sy nirehi-katezerana Holoferina, ka nantsoiny avokoa ny andriandahin'i Moaba sy ny mpifehy an'i Amona,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1854