Bokin'i Jodita
Toko faha-5
3 nilazany hoe: Lazao ahy, vahoaka inona no mitana ny tendrombohitra? An'inona ny tanànany, manao ahoana ny heriny sy ny hamaroany, manao ahoana ny herin'ny miaramilany, firy no isany, ary iza no lehibe mifehy azy? 4 Nahoana no izy ireo ihany tamin'ny vahoaka rehetra aty andrefana no naneso anay sy tsy mba nivoaka hitsena anay handray anay amim-pihavanana? 5 Dia hoy Akiora, mpifehy ny taranak'i Amona rehetra, namaly azy: Raha sitrakao ny hihaino ahy, tompoko, indro, holazaiko eto imasonao ny marina, ny amin'ireo vahoaka monina amin'ny tendrombohitra ireo, ary tsy hisy diso na dia iray aza ny teny haloaky ny vavako.6 Taranaky ny Kaldeana ireo vahoaka ireo. 7 Tonga nonina tany Mesopotamia izy aloha, satria tsy tiany ny nanaraka ireo andriamanitry ny razany, izay nitoetra tany amin'ny tanin'ny Kaldeana. 8 Nony efa nilaozan'izy ireo ny fombam-pivavahan'ny razany, izay nivavaka tamin'andriamanitra maro, 9 dia ny Andriamanitry ny lanitra tokana izay nandidy azy hiala amin'ny taniny sy handeha honina any Kanaana, no nivavahan'izy ireo. Fa tamin'ilay mosary namely ny tany rehetra dia nidina tany Ejipta izy, ary nitombo fatratra izy tany, ka nandritra ny efa-jato taona dia tonga vahoaka tsy tambo isaina. 10 Nony mafy ny nitondran'ny mpanjakan'i Ejipta azy, fa notereny hanorina ny tanànany tamin-drihitra amam-biriky izy, dia niantso ny Tompo Andriamaniny, izay namely ny tany Ejipta manontolo tamin'ny loza samihafa. 11 Noroahin'ny Ejipsiana hiala tany aminy izy ireo ka nitsahatra ny loza namely azy; kanjo notadiaviny halaina indray hatao andevony fanindroany izy. 12 Nandositra ny Israelita, ary nosokafan'Andriamanitra teo anoloan'izy ireo ny ranomasina, ka tonga toy ny rindrina teo an-daniny roa ny rano, dia azony novakina nandia tany maina ny fanambanin'ny ranomasina. 13 Nanenjika azy ireo ny tafiky ny Ejipsiana tsy tambo isaina, kanjo nosaforan'ny rano, tsy nisy afaka hitantara izany amin'ny taranaka mandimby akory na dia iray aza. 14 Nony tafavoaka ny ranomasina Mena ny Israelita dia nitoetra tao an'efitry ny tendrombohitra Sinai, izay tsy azon'olombelona nonenana na azon-janak'olombelona niorenam-ponenana na dia iray aza. 15 Ny loharano mangidy tao niova ho rano mamy hialany hetaheta, ary nandritra ny efapolo taona, hanina avy any an-danitra no noraisiny. 16 Na taiza na taiza nirosoany, tsy nitondra tsipìka, na zana-tsipìka izy, tsy nitondra ampinga na lefona izy, fa ny Andriamanitr'izy ireo no niady ho azy, sy nandresy hatrany. 17 Ary tsy mbola nisy nahaleo an'ireo vahoaka ireo na oviana na oviana, afa-tsy raha sendra niala tamin'ny fanompoana ny Tompo Andriamaniny izy. 18 Fa isaky ny nanompo andriamani-kafa afa-tsy izy ihany izy ireo, dia natolony ho amin'ny fandrobana sy ny sabatra ary ny fahafaham-baraka. 19 Kanefa isaky ny nanenina indray izy ireo, tamin'ny nandaozany ny fanompoana ny Andriamaniny, dia nomen'ny Andriamanitry ny lanitra hery hanohitra ny fahavalony indray izy. 20 Farany noresen'izy ireo ny mpanjakan'ny Kananeana, ny Jeboseana, ny Ferezeana, ny Heteana, ny Heveana, ny Amoreana, ary ny manam-pahefana rehetra tamin'i Hesebona; dia nalainy ho azy ny taniny aman-tanànan'ireo. 21 Ka teo amin'izy ireo ny fiadanana, raha tsy nanota teo anatrehan'ny Andriamaniny koa izy ireo, satria halan'Andriamaniny ny ratsy. 22 Izany tokoa marina, fa talohan'ireto taona faramparany teo mantsy, niala tamin'ny làlana nodidian'ny Andriamaniny nalehany izy ireo dia resin'ny firenena maromaro tamin'ny ady, ka lasan-ko babo tany an-tany hafa aza ny betsaka taminy. 23 Vao faingampaingana anefa, dia niverina tamin'ny Tompo Andriamaniny indray izy ireo, ka tafangona avy any am-pihahafany tany, sy nonina tamin'ireo tendrombohitra rehetra ireo ary nahazo any Jerosalema, izay misy ny fitoerana masiny indray. 24 Koa ankehitriny, tompoko, manaova famotorana: raha misy hadisoana mahameloka azy eo anatrehan'ny Andriamaniny dia ndeha isika hiakatra hamely azy, fa tsy maintsy hatolotry ny Andriamaniny aminao izy ireo, sy ho tafalatsaka eo ambany jiogan'ny fahefanao.
25 Fa raha tsy nahatezitra an'Andriamaniny ireo vahoaka ireo, dia tsy ho leontsika, satria harovan'ny Andriamaniny izy, ka isika indray no hanjary faneso amin'ny tany rehetra. 26 Nony vao nitsaha-niteny Akiora, nisafoaky ny hatezerana avokoa ny lehibe rehetran'i Holoferina, ka efa nihevitra ny hamono azy aza, nifampilaza hoe:
27 Zovy moa ity olona ity no sahy milaza ny zanak'Israely ho mahatohitra an'i Nabokodonosora mpanjaka sy ny tafiny, nefa ireo olona tsy àry fiadiana, tsy manan-kery, tsy mahay akory izay fomban'ady? 28 Ka mba hampiharihary amin'i Akiora fa namitaka antsika izy, ndao hiakarantsika ireo tendrombohitra ireo, ary rahefa mby eo an-tanantsika ny mahery indrindra amin'ireo, dia hataontsika indray mamono amin'ny sabatra izy sy ireo, mba hahafantaran'ny firenena fa Nabokodonosora no andriamanitry ny tany, ary tsy misy afa-tsy izy.
Toko faha-6
1 Nony nitsaha-niteny ireo, nentin'ny hatezerana Holoferina ka hoy izy tamin'i Akiora:2 Noho hianao mitsangan-ko mpaminany, ka manambara aminay fa harovan'Andriamaniny ny vahoakan'Israely, dia tiako haseho anao kosa fa tsy misy andriamani-kafa afa-tsy Nabokodonosora ihany. 3 Koa rahefa ataonay indray mamely toy ny olona iray monja ireo, dia ho fatin'ny sabatry ny Asiriana mbamin'hianao koa, ary ho indray levona aminao Israely rehetra. 4 Ho fantatrao amin'izany fa Nabokodonosora no tompon'ny tany rehetra. Amin'izay, ny sabatry ny miaramilako hahatrobaka ny valahanao, hianao hitsingidina voatrobaka, eo afovoan'ny voaratra amin'Israely, ka tsy hiaina intsony mandra-paharinganao miarak'amin'ireo. 5 Raha inoanao ho marina ny faminanianao, atsaharo ity tarehy kivikivy, ary raha heverinao ho tsy mety tanteraka ny teniko, halaviro hiala aminao ity hatsatratsatra mandrakotra azy. 6 Mba hahafantaranao tsara anefa fa hiara-maty amin'ireo hianao, dia hakambana amin'ireo vahoaka ireo hianao hatramin'izao ankehitriny izao, mba hiara-mitsingidina aminy, voan'ny famaliako, rahefa ahatran'ny sabatro amin'ireo ny famaizana tandrify azy. 7 Izay dia nomen'i Holoferina didy ny mpanompony hisambotra an'i Akiora sy hitondra azy ho any Betolia any, ary hanolotra azy ho eo an-tanan'ny zanak'Israely.
8 Rahefa nisambotra azy ny mpanompon'i Holoferina, dia namaky ny tany lemaka, kanjo nony mby teo akaikin'ny tendrombohitra ireo, nivoahan'ny mpandefa antsamotady hamely azy. 9 Niolaka ny Asiriana nanaraka ny kisolasolan'ny tendrombohitra; Akiora kosa nafatony tongotra aman-tànana teo amin'ny hazo anankiray, dia navelany teo, dia niverina ho any amin'ny tompony izy. 10 Tamin'izay, nidina avy any Betolia ny zanak'Israely, ka nony tonga teo aminy, novahany izy, nentiny ho any Betolia, dia nampandrosoiny ho eo afovoan'ny vahoaka, nanontaniany izay antony nandaozan'ny Asiriana azy nifatotra toy izany, teo.
11 Tamin'izany andro izany dia Oziasa zanak'i Mika, avy amin'ny fokon'i Simeona, ary Karmi atao hoe Gotoniela koa, no lehibe mifehy ny tanàna. 12 Koa notantarain'i Akiora avokoa teo afovoan'ny loholona sy teo anatrehan'ny vahoaka rehetra, ny navaliny ny fanontanian'i Holoferina, 13 ny nitadiavan'ireo fehin'i Holoferina hamono azy noho izay nolazainy, ary ny nandidian'i Holoferina efa nentin'ny hatezerana, ny hanolorana azy ho eo an-tanan'ny Israelita, noho izany ihany, fa rahefa resiny ny zanak'Israely dia hovonoiny Akiora amin'ny fampijaliana maro loha, noho izy nilaza fa ny Andriamanitry ny lanitra no mpiaro azy ireo. 14 Nony tapitra ny tenin'i Akiora dia indray nihohoka tamin'ny tany nitsaoka ny Tompo ny vahoaka rehetra, ary indray nandefa ny fitolokoany aman-dranomasony sy namboraka ny fivavahany tamim-piraisam-po, teo anatrehan'ny Tompo,
15 nanao hoe: Ry Tompo Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ô, jereo izany avonavon'ireny, ary hevero ity fietrenay, atodiho ny tavan'ny olonao masina ny masonao, asehoy fa tsy mandao izay mametraka ny fitokiany aminao hianao, fa manetry izay matoky ny tenany sy mirehareha amin'ny heriny kosa. 16 Nony nitsahatra nitomany ny vahoaka sy efa nandany ny andro manontolo tamin'ny fivavahana, dia nampionona an'i Akiora izy ireo,
17 nanao hoe: Ny Andriamanitry ny razanay, izay nankalazainao fahefana anie hamaly anao amin'izany, ka hampahita anao ho valin'izany ny fandringanana azy ireo. 18 Ary rahefa avy izay hanomezan'ny Tompo Andriamanitray izany famonjena izany ny mpanompony, homba anao eto afovoanay anie Andriamanitra, mba hiarahanao monina aminay, araka izay sitrakao, dia hianao sy ny mpianakavinao rehetra. 19 Nony nirava ny vahoaka tafavory teo, dia noraisin'i Oziasa tany an-tranony Akiora, ka nanaovany fihinanam-be. 20 Nasainy koa ny loholona, ka nony tapitra ny fifadian-kanina, dia niara-nihinana izy. 21 Rahefa izany, nivory indray ny vahoaka, ka niara-nivavaka mandritra ny alina tao amin'ny fitoerana niangonany, niantso vonjy tamin'ny Andriamanitr'Israely.
Toko faha-7
1 Ny ampitson'iny, dia nomen'i Holoferina didy ny miaramilany hiakatra hamely an'i Betolia.2 Ny tafiny dia miaramila an-tongotra roa alina sy iray hetsy, an-tsoavaly roa arivo sy roa alina, afa-tsy ny lehilahy volony hiady azony sambo-belona, sy ny tovolahy nalainy tamin'ny faritany sy ny tanàna. 3 Indray nioman-kiady amin'ny zanak'Israely avokoa izy rehetra ireo, dia nandeha nanaraka ny tendrombohitra, hatrany an-tampony mahatazana an'i Dotaina, dia nitoby hatreo amin'ny fitoerana atao hoe Belma, ka hatrany Kelmona, tandrifin'i Esdrelona.
