Bokin'i Jodita
Toko faha-7
4 Nony nahatazana izany vahoaka be izany ny zanak'Israely dia nihohoka tamin'ny tany, nanisy lavenona ny lohany, niara-nivavaka tamin'ny Andriamanitr'Israely mba hampiharihary ny indrafony amin'ny vahoakany. 5 Rahefa izany, noraisiny ny fiadiany, dia notanany ireo toerana misy sakeli-dàlana azo aleha eo anelanelan'ny tendrombohitra ka nambenany andro aman'alina. 6 Raha nitetitety ny manodidina Holoferina, dia nahita loharano anankiray taty ivelan'ny tanàna tamin'ny ilany atsimo, misy lakan-drano nalehan'ny rano mankao, dia nasainy notapahina ny lakan-drano.7 Nisy loharano sasany koa anefa, tsy lavitra ny manda loatra, falehan'izy ireo nafahy rano, an-katakonana, nantsaka rano kely toa hampitony ny hetahetany fotsiny, fa tsy hoe hanafak'hetaheta azy. 8 Kanjo tonga tao amin'i Holoferina ny taranak'i Amona sy Moaba, nanao hoe: Ny zanak'Israely tsy mba mitoky amin'ny lefony na amin'ny zana-tsipìkany, fa ireo tendrombohitra ireo no miaro azy, ary ireo havoana mihantona ambony hantsana ireo no heriny. 9 Ka mba hahazoanao mandresy tsy miady an'ireo, asio mpiambina eo amin'ny loharano hisakana azy ireo tsy hantsaka rano eo, dia ho fatinao tsy amin'ady ireo, na ho reraky ny hetaheta, ka hanolotra ity tanànany, izay heveriny tsy ho azo anihina, noho izy miorina ambony tendrombohitra. 10 Nankasitrahan'i Holoferina sy ireo manamboninahiny izany hevitra izany, ka nasiany antoko miaramila zato lahy avy manodidina ny isan-doharano. 11 Rahefa roapolo andro no nanaovana izany fiambenana izany dia tankina maina avokoa ny rano tamin'ny lavadrano sy ny famorian-drano rehetra amin'ny mponina rehetra ao Betolia, any ka tsy nisy tavela hialany hetaheta intsony tao an-tanàna, na dia indray andro monja aza, fa am-patrany no nizarana ny rano isan'andro ho an'ny vahoaka.
12 Tamin'izay, indray niangona teo amin'i Oziasa avokoa ny olona rehetra, na lahy na vavy, na tanora na ankizy, ka indray niredona nanao taminy hoe:
13 Hotsarain'Andriamanitra anie hianao sy izahay, fa nampidi-doza anay ny nataonao, tamin'ny nandavanao tsy hanao fanekem-pihavanana tamin'ny Asiriana; ka izany no nanoloran'Andriamanitra antsika ho eo an-tanan'ireo. 14 Izany no tsy isian'ny olona tonga hamonjy antsika, kanefa isika ity efa hanan'ny hetaheta amam-pahoriana lehibe eo imason'ireo. 15 Koa ankehitriny, angony avokoa ny olona eto an-tanàna, dia ndeha isika hitolo-tena an-tsitra-po amin'ny fehin'i Holoferina. 16 Fa aleonay velon'aina sy misaotra an'Andriamanitra any am-pahababoana toy izay maty sy ho afa-baraka amin'ny olon-drehetra, rahefa hitanay maty teo imasonay ny vady aman-janakay. 17 Alainay ho vavolombelona anio ny lanitra sy ny tany ary ny Andriamanitry ny razantsika, izay mamay antsika araka ny fahotantsika, fa mihanta aminao izahay, hanolotra ny tanàna izao ankehitriny izao eo an-tanan'ny miaramilan'i Holoferina, mba ho tojo faingana ny fahafatesana amin'ny lelan-tsabatra izahay, fa tsy hijaly foana mandra-pahafaty amin'ny hetaheta mahamay. 18 Nony avy niteny toy izany izy ireo dia nanezaka nigogogogo sy niantso mafy, nandritra ny ora maro, ny fiangonana rehetra, nitaraina tamin'Andriamanitra nanao hoe:
19 Nanota avokoa izahay sy ny razanay, nivadika izahay, nanao ny tsy marina izahay! 20 Hianao anefa, izay mpamindra fo, mamindra fo aminay; na aoka ny tenanao ihany no hamaly ny helokay amin'ny famaizana anay; fa aza atolotrao amin'izay vahoaka tsy mahalala anao akory ny olona manome voninahitra anao, 21 mba tsy hisy hilaza amin'ny firenena hoe: Aiza ny Andriamanitr'izy ireo? 22 Nony efa sasatry ny nitaraina mafy sy nitomany teo izy ireo, dia nangina.
23 Izay Oziasa vao nitsangana, vonton-dranomaso, nanao hoe: Matokia tsara, ry rahalahiko, ary andraso hadimiana aloha ny famindra-pon'ny Tompo. 24 Fa angamba hatsahany ny fahatezerany ary homeny voninahitra ny anarany. 25 Rahefa tapitra ny hadimiana ka tsy tonga ny vonjy, dia hataontsika amin'izay ny hevitra naposakareo.
Toko faha-8
1 Nampandrenesina ireo teny ireo Jodita vehivavy mpitondra tena, zanakavavin'i Merarì, zanak'i Josefa, zanak'i Oziasa, zanak'i Elaì, zanak'i Jamnora, zanak'i Jedeona, zanak'i Rafaima, zanak'i Akitoba, zanak'i Melkiasa, zanak'i Enàna, zanak'i Nataniasa, zanak'i Salatiela, zanak'i Simeona, zanak'Israely.2 Maty tamin'ny fotoana fijinjana orja ny vadiny, atao hoe Manasesa. 3 Ilay nijery ny mpijinja nifehy amboara teny an-tsaha iny io, no voan'ny hainandro mahery ny lohany, ka maty tao Betolia tanànany izy, dia nalevina tao, teo amin'ny razany. 4 Efa telo taona sy enim-bolana no nitoetra ho mpitondra tena Jodita. 5 Nanao efitrano nitokana, teo ambony tafon-tranony izy, dia nitoetra nikatona tao niaraka tamin'ireo ankizivaviny. 6 Nohodidininy lamba malailay ny valahany, ary nifady hanina isan'andro nandritra ny andro niainany izy, afa-tsy tamin'ny andro sabata sy ny tsinam-bolana ary ny fetin'ny firenen'Israely. 7 Tsara tarehy indrindra izy, ary namelan'ny lahy harem-be, mpanompo maro, tany feno andian'omby aman'ondry. 8 Nohajain'ny olona rehetra fatratra izy, fa lalina ny fahatahorany an'Andriamanitra, ka tsy nisy olona niteny ratsy azy, na dia indraim-bava aza. 9 Nony reny fa hoe nanome teny hanolotra ny tanàna Oziasa, raha afaka hadimiana, naniraka tany amin'i Kabrì sy Karmì lohan'ny vahoaka izy.
10 Dia nankany aminy ireo, ka nilazany hoe: Ahoana ange no nahasahian'i Oziasa nilaza fa hatolony amin'ny Asiriana ny tanàna, raha tsy mahazo vonjy ao anatin'ny hadimiana hianareo? 11 Fa zovy moa hianareo no hizaha toetra ny Tompo toy izany? 12 Tsy mba teny mitarika ny famindram-pony izany, fa vao mainka koa manesika azy hitezitra sy mandrehitra ny fony hisafoaka. 13 Nametra fotoana tsy maintsy hanehoan'ny Tompo ny famindram-pony hianareo, ary nanondro andro taminy araka ny sitraky ny fonareo! 14 Mahari-po anefa ny Tompo, ka mivaloza isika amin'izany hadisoana izany; ary mangataha famelana amin-dranomaso. 15 Fa tsy mba mandrahona toy ny fanaon'olombelona, Andriamanitra, na mba mirehi-pahatezerana toy ny zanak'olombelona. 16 Ka aoka hanetry ny fanahintsika eo anatrehany isika; ary fo mietry no aoka hataontsika ao anatintsika fa izany no antonina ny mpanompony. 17 Manaova an-dranomaso amin'ny Tompo mba hampahitany antsika ny asan'ny famindram-pony araka izay fomba tiany, mba hanjary fototry ny voninahitra ho antsika ny fietren-tenantsika toraka ny nampidiran'ny fiavonavonan'ny fahavalontsika tebiteby tao am-pontsika. 18 Fa isika tsy mba nanaraka ny fahotan'ny razantsika, izay nahafoy ny Andriamaniny, sy nanompo andriamani-kafa, 19 ka noho izany heloka izany dia natolotra ho amin'ny sabatra amam-pandrobana sy ho fandatsan'ny fahavalony, fa isika kosa tsy mba mahalala andriamanitra hafa, afa-tsy izy ihany. 20 Andraso amim-panetren-tena ny fampiononany, fa hamaly ny rantsika, amin'ny fahavalontsika izay mampahory antsika, izy; haetriny ny firenena mitsangan-kamely antsika; ary hanafotra henatra an'ireny izy Tompo Andriamanitsika. 21 Ary ankehitriny, ry ranadahy, noho hianareo loholon'ny vahoakan'Andriamanitra sy iankinan'ny ain'izy ireo, velomy indray amin'ny teninareo ny herim-pon'izy ireo, mba hahatsiarovany fa nozahan-toetra ny razantsika, hahitana raha tena manompo ny Andriamaniny tokoa izy ireo.
22 Tsy maintsy tsarovany ny nizahan-toetra an'i Abrahama razantsika, sy ny niaretany fahoriana be, hahatongavany ho sakaizan'Andriamanitra. 23 Toy izany koa Isaaka, toy izany Jakoba, toy izany Moizy mbamin'izay rehetra nankasitrahan'Andriamanitra, dia niharam-pahoriana be izy ireo, nefa naharitra tsy nivadika. 24 Fa ireo izay tsy mba nandray izany fizahan-toetra izany tamim-pahatahorana ny Tompo, fa nanarana ny tsy fandeferany ka nimonomonona nanome tsiny ny Tompo,
25 ireo dia naripaky ny mpandringana sy nolevonin'ny bibilava. 26 Koa aza mba mety mivarina amin'ny tsy fandeferana isika, noho izao fahoriana manjo antsika izao. 27 Fa aoka izao fijaliana, izay kely noho ny fahotantsika izao dia hoheverintsika ho toy ny tsora-kazo hamaizan'ny Tompo antsika, toy ny famaizana ny mpanompony hanatsarana antsika, aoka hinoantsika fa tsy ny hamerezana antsika no nanirahana azy amintsika. 28 Dia hoy Oziasa sy ireo loholona, namaly azy: Marina avokoa izany voalazanao izany, ka tsy misy azo kianina na dia iray aza.