Bokin'i Jodita

Toko faha-8

29 Koa ankehitriny mivavaha ho anay amin'Andriamanitra fa vehivavy masina sy matahotra an'Andriamanitra hianao. 30 Ary hoy Jodita taminy: Ekenareo fa avy amin'Andriamanitra izay mba voalazako; 31 ka mba zahao koa raha avy aminy ihany izao kasaiko hatao izao, dia mivavaha amin'Andriamanitra mba homeny hery hanatanterahako izay hevitra kasaiko aho. 32 Hianareo hijanona ao am-bavahady anio alina, izaho sy ny namako kosa hivoaka; dia mivavaha hianareo mba hitsinjo an'Israely vahoakany ny Tompo ao anatin'ny hadimiana, araka ny voalazanareo. 33 Tsy tiako anefa ny hanadihadianareo ny zavatra kasaiko hatao, fa mandra-piveriko hilaza aminareo ny amin'izany, dia aza manao na inona na inona, afa-tsy ny mivavaka ho ahy, amin'ny Tompo Andriamanitsika, hianareo. 34 Dia hoy Oziasa, lehiben'i Jodà, taminy: Mandehana soa aman-tsara ka homba anao anie ny Tompo hamaliana ny fahavalontsika. Dia niala teo aminy izy ireo ka lasa nandeha.

Toko faha-9

1 Nony lasa izy ireo dia niditra tao an'efitrano fivavahany Jodita, niakanjo malailay, nanisy lavenona ny lohany, nihohoka teo anatrehan'ny Tompo, ary niantso azy, nanao hoe:

2 Ry Tompo Andriamanitr'i Simeona raiko ô, izay nanome sabatra azy hamaliany ny olona hafa firenena, nanao an-keriny tamin'ny virjiny anankiray sy nandoto azy ho afa-baraka,

3 hianao izay nanolotra ny vadin'ireny, ho an'ny mpisavika, sy ny zanany vavy ho amin'ny fahandevozana, ary ny fananany rehetra ho anjara babon'ireo mpanomponao, izay nirehi-pahazotoana hiaro ny voninahitrao, mihanta aminao aho, mba ampio ity mpitondra-tena, ry Tompo Andriamanitro ô. 4 Hianao no nanao ireo asa mahagaga tamin'ny andro teo aloha, sy namorona ny fikasan'ireo izay nanaraka taty aoriana, ka tanteraka izany noho ny sitraponao. 5 Ny làlanao rehetra, voasoritra rahateo; ny fitsaranao koa voalaminao sahady, noho ny fahitanao mialoha. 6 Ankehitriny, jereo ity tobin'ny Asiriana, toraky ny nijerenao fahizay ny tobin'ny Ejipsiana izay nitoky tamin'ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny, sy tamin'ny habetsahan'ny miaramilany mpiady, fony izy nitam-piadiana nanenjika ny mpanomponao. 7 Kanjo nijery ny tobiny hianao ka nesorin'ny aizina ny heriny. 8 Ny hantsana nampihitsoka ny tongony, ary ny rano nanafotra azy. 9 Ho toy izany koa anie ireto, ry Tompo, fa mitoky amin'ny hamaroany izy ireo, sy amin'ny kalesiny aman-donginy, amin'ny ampingany aman-jana-tsipìkany, ary mitohatoha amin'ny lefony izy. 10 Tsy fantany fa hianao no Andriamanitray, dia hianao izay manamongomongo ny tafika hatramin'ny voalohany, sy manana anarana hoe Tompo. 11 Aingao, toy ny fahizany taona izany, ny sandrinao, ka montsany amin'ny herinao ny heriny, azerao eo anoloan'ny hatezeranao ny tanjany, fa manampò hiditra an-keriny amin'ny fitoeranao masina ireo, sy handoto ny tabernaklan'ny anaranao, ary hikapa ny tandroky ny otelinao amin'ny sabany. 12 Ka ny sabany ihany kosa no ataovy mamolona ny avonavon'izany lehilahy izany. 13 Aoka hahavoafandrika azy ny fijereny ahy, ary asio amin'ny teny malefaka aloaky ny vavako izy. 14 Ataovy ampy hery ny foko hanazimbako azy ary ampy tanjaka hamonoako azy. 15 Fa voninahitra tsy very tadidy ho an'ny anaranao, ny hanjeran'ny tanam-behivavy azy. 16 Fa ny herinao, ry Tompo, dia tsy mba amin'ny hamaroan'isa, ny sitra-ponao tsy mba miankina amin'izay tanjaky ny soavaly, ary hatramin'ny voalohany dia tsy mba nankasitraka ny mpiavonavona hianao, fa nankamamy mandrakizay ny olona manetry tena sy malemy fanahy kosa. 17 Ry Andriamanitry ny lanitra ô, Mpahary ny rano sy Tompon'ny zava-boahary rehetra, henoy ity vehivavy mahantra mihanta aminao, sy manankina ny fitokiany amin'ny indrafonao. 18 Tsarovy ny fanekenao, ry Tompo, ka omeo teny ny vavako, omeo hery ny hevitra voakasako ato am-poko, mba hahatahiry ny fahamasinana natafinao azy ny tranonao, ary mba ho fantatry ny firenena rehetra fa hianao no Andriamanitra ka tsy misy hafa afa-tsy hianao ihany.

Toko faha-10

1 Nony tapitra ny fivavahan'i Jodita tamin'ny Tompo, nitsangana avy teo amin'ilay fitoerany niankohofany tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo izy.

2 Niantso ny ankizivaviny izy, ka nidina tao an-tranony, dia nalany ny akanjony malailay, nesoriny ny fitafiam-pitondratena teny aminy. 3 Nandro izy, dia nihosotra ny mira manitra indrindra, nanao volo, nanodidina ny lamba fehiloha tamin'ny lohany; niakanjo ny akanjo fitondrany amin'ny fety, namehy kapa tamin'ny tongony, nitondra ny fehin-tànany, ny fehivozony, ny kaviny, ary ny perany, dia niraratra tamin'ny fihaingoana rehetra. 4 Notovonan'ny Tompo aza ny famirapirany, satria tsy mba hafalian'ny nofo fa ny hatsaram-panahy no fototry ny nanaovany an'izany haingo rehetra izany; ka noho izany nampitomboin'ny Tompo fatratra ny hatsaran-tarehiny ka tonga namirapiratra teo imason'ny olona rehetra, tamin'ny hakantoana tsy azo tahafina. 5 Rahefa izany, ny ankizivaviny nasainy nitondra divay iray siny hoditra, diloilo iray tavoara, lafarina voaendy, voankazo maina ary mofo sy fromazy, dia niainga izy. 6 Nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna, izy sy ny ankizivaviny, dia indreo eo Oziasa mbamin'ny loholona, niandry azy.

7 Nony nahita azy izy, dia variana nitampim-bava noho ny hatsaran-tarehiny. 8 Tsy nanontany na inona na inona azy anefa izy ireo, fa namela azy handeha, nanao hoe: Andriamanitry ny razantsika anie hanome fahasoavana anao; hohamafisiny amin'ny fahefany anie ny hevitra voakasa rehetra izay ao am-ponao, ka hankalazaina noho ny aminao Jerosalema; ary hilahatra eo amin'ny an'ny olomasina sy marina ny anaranao. 9 Dia indray namaly tamin'ny feo iray, izay rehetra teo, nanao hoe: Ho tanteraka anie izay! Ho tanteraka anie izany! 10 Izay, vao nivoaka ny vahahady Jodita sy ny ankizivaviny sady nivavaka tamin'ny Tompo. 11 Nony nidina ny tendrombohitra izy, tamin'ilay vaky masoandro iny, dia nifanehatra tamin'ny mandry tsy aman'afon'ny Asiriana, ka najanony nataony hoe: Avy aiza hianao, ary ho aiza?

12 Hoy ny navaliny: Zanakavavin'ny Hebrio aho, ary nandositra avy any aminy satria fantatro fa hatolotra ho babonareo izy, noho izy naneso anareo sy tsy nety nitolo-tena an-tsitra-po taminareo, hahita fitia eo anatrehanareo. 13 Ka noho izany hoy aho anakampoko: Ndeha ho any anatrehan'ny andriandahy Holoferina aho, hanambara aminy ny ankaromiafin'ireto, sy hanoro azy ny fidirana hahazoany azy rehetra, tsy hisy hahafatesan'ny miaramilany, na dia iray aza. 14 Rahefa nandre ny teniny ireo olona ireo, dia nojereny ny tarehiny, ka variana teo ny masony, fa nahagaga azy loatra ity hatsaran-tarehiny tafahoatra. 15 Namonjy ny ainao hianao, hoy izy ireo taminy, amin'izao nanapahanao hevitra hankaty amin'ny tomponay izao. 16 Ary mahazo matoky hianao, fa horaisiny tsara rahefa miseho eo anatrehany, sady hahafinaritra ny fony indrindra hianao. Dia nentiny ho any an-dain'i Holoferina izy sy nambarany taminy. 17 Vao tafiditra teo anatrehany izy, dia voa tamin'ny masony niaraka tamin'izay Holoferina.

18 Hoy ireo manam-boninahiny taminy: Iza re no hahesoeso foana ny vahoaka Hebrio, izay tsara vehivavy toy itony? Tsy mendrika ho an'itony va ny hiadiantsika aminy, mba hananantsika an'itony? 19 Hitan'i Jodita Holoferina nipetraka tao an-dainy, tenona jaky amam-bolamena, voaravaka emeraoda sy vato sarobidy. 20 Nafantony tamin'ny endriny ny masony, dia nihohoka tamin'ny tany nitsaoka azy izy, nefa natsangan'ireo mpanompon'i Holoferina niaraka tamin'izay, araka ny didin'ity tompony, izy.

Toko faha-11

1 Tamin'izay dia hoy Holoferina taminy: Matokia hianao, ary foany ny tahotra ao am-ponao, fa tsy mba fanaoko na oviana na oviana, ny manisy ratsy an'izay rehetra manaiky ny hanompo an'i Nabokodonosora mpanjaka.

2 Raha tsy naneso ahy ny firenenao, dia tsy nanainga ny lefoko hamely azy aho. 3 Ary ankehitriny lazao ahy kely, izay antony nialanao tamin'izy ireo, sy nanapahanao hevitra hankaty aminay. 4 Dia hoy Jodita namaly azy: Raiso ny tenin'ny ankizivavinao, fa raha manaraka ny tenin'ny ankizivavinao hianao, dia hotanterahin'ny Tompo an-tsakany sy an-davany ny hevitra voakasany aminao. 5 Marina izany toy ny mahavelona an'i Nabokodonosora mpanjakan'ny tany sy ny mahavelona ny fahefany, dia ilay fahefany napetraka aminao hamaizana izay mivilivily, satria tsy ny olombelona ihany no entinao hanompo azy, fa manoa azy hatramin'ny biby eny an-tsaha aza. 6 Koa mandeha laza eran'ny firenena rehetra tokoa ny fahendren'ny sainao, fantatry ny olona rehetra fa hianao no hany tsara sy mahefa ao amin'ny fanjakany rehetra, ary deraina amin'ny faritany rehetra ny fitondranao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1569