Bokin'i Jodita

Toko faha-11

7 Fantatra koa ny zavatra nolazain'i Akiora ary tsy miafina amin'ny olona ny nasainao nanaovana azy. 8 Marina fa efa voatsiratsira loatra tamin'ny fahotan'ny vahoakany ny Andriamanitray, ka efa nasainy nilazan'ny mpaminany izy, fa efa hatolony amin'ny fahavalony noho ny fivadihany. 9 Ary satria fantatry ny zanak'Israely fa efa naniratsira ny Andriamaniny tokoa izy ireo, dia mangovitry ny tahotra anao izy izao. 10 Fanampin'izany, ny mosary mamoritra azy, ny fitehirizan-drano efa tankina, ka dia naman'ny maty sahady izy. 11 Efa nanapa-kevitra aza izy fa hamono ny biby fiompiny ary hisotro ny rany. 12 Hatramin'ny zavatra voatokana ho an'ny Tompo Andriamaniny aza, izay noraran'Andriamanitra tsy hokasihiny, toy ny vary, ny divay sy ny diloilo avy amin'ny ampahafolom-bokatra sy santatra, dia efa nokasainy entin-kamelon-tena ka sahy hihinana ny zavatra voarara tsy hokasihiny tànana aza izy. Rahefa izany no hataony dia tsy hisalasalana fa hatolotra ho amin'ny faharavana mihitsy izy. 13 Izany no hitako, izaho ankizivavinao, ka nandositra lavitra azy ireo aho, ary nirahin'ny Tompo hilaza izany aminao. 14 Fa izaho ankizivavinao, dia manompo an'Andriamanitra, na izao aho aty aminao izao aza, ary dia hivoaka ny toby hivavaka amin'Andriamanitra ny ankizivavinao. 15 Ka hampahafantariny ahy ny fotoana hamaizany azy ireo noho ny fahotany, dia hiverina hilaza izany aminao aho. Amin'izay, hotarihiko hamaky an'i Jodea hatrany Jerosalema hianao, ka hahita ny vahoaka rehetra amin'Israely toy ny ondry tsy misy mpiandry intsony, tsy hisy na dia alika iray hivovò anao aza. 16 Ny fahalalan'Andriamanitra ny ho avy no nanambara izany zavatra izany tamiko, 17 ary noho izy tezitra amin'izy ireo, dia nirahiny aho hanambara izany aminao. 18 Nankasitrahan'i Holoferina sy ireo mpanompony izany teny rehetra izany. Nigagan'izy ireo ny fahendren'i Jodita, ary nifampilaza izy ireo hoe:

19 Tsy misy vehivavy tahaka an'ity eto ambonin'ny tany, na amin'ny bika, na amin'ny hatsaran-tarehy, na amin'ny fahendrem-pitenenana. 20 Ary hoy Holoferina taminy: Tsara ny nanirahan'Andriamanitra anao, hialoha ireo vahoaka ireo, hanolotra azy eo an-tànanay. 21 Ka noho ny hatsaran'ny hevitra aposakao, raha manao izany ho ahy ny Andriamanitrao, dia izy koa no ho Andriamanitro, ary hianao kosa ho be voninahitra ao an-tranon'i Nabokodonosora sady halaza eran'ny tany rehetra ny anaranao.

Toko faha-12

1 Dia ao amin'ilay nisy ny rakiny no nasain'i Holoferina nampandrosoina Jodita, hipetraka ao ary tenany no nandahatra izay homena azy avy amin'ny sakafony.

2 Fa hoy Jodita: Tsy azoko atao izao ny mihinana ny zavatra nasainao omena ahy, fandrao ho traty ny ota aho, fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko 3 Ka inona no hataonay ho anao, hoy Holoferina taminy, raha lany ny hanina nentinao? 4 Tompokolahy, hoy Jodita, mianiana amin'ny ainao aho, fa tsy hahalany ireto vatsy rehetra ireto ny ankizivavinao, alohan'ny hanatanterahan'Andriamanitra amin'ny tànako, ny hevitra voakasako. Dia nampidirin'ireo mpanompony tao amin'ny lay voalazany, ravehivavy. 5 Nony niditra tao izy, dia nangata-dàlana mba hahazo mivoaka amin'ny alina alohan'ny vaky masoandro, hivavaka sy hiantso ny Tompo. 6 Ka nandidy ireo mpanompony Holoferina hamela azy hivoaka sy hiditra araka izay tiany, mandritra ny hateloana, mba hivavaka amin'ny Andriamaniny. 7 Koa nivoaka isan'alina izy, nankao amin'ny lohasahan'i Betolia sy nandro teo amin'ny loharano anankiray. 8 Nony niakatra avy any izy, dia nivavaka tamin'ny Tompo, Andriamanitr'Israely mba hitarika ny diany ho amin'ny famonjena ny vahoakany. 9 Rahefa izay dia niditra ao an-dainy izy, dia nitoetra ho madio ao, mandra-pisakafony amin'ny hariva. 10 Tamin'ny andro fahefatra, nanao fanasana ho an'ireo mpanompony Holoferina, ka nilaza tamin'i Vagao eonokany hoe: Mandehana taomy io Jody vavy io hanaiky an-tsitra-po ny hiara-mipetraka amiko,

11 fa fahafaham-baraka ho an'ny lehilahy amin'ny Asiriana raha vehivavy no hamazivavy azy sy handao azy tsy naneky ny faniriany. 12 Dia niditra tao amin'i Jodita Vagao, ka nilaza taminy hoe: Aoka ny zazavavy soa, tsy hatahotra ny hankany anilan'ny tompoko, homem-boninahitra eo anatrehany, ary hiara-mihinana aminy ary hisotro divay amin-kafaliana. 13 Z'inona moa aho, hoy ny navalin'i Jodita, no handà ny tompoko? 14 Izay soa sy lavorary eo imasony dia hataoko avokoa, ary izay rehetra tiany indrindra no tsara indrindra ho ahy koa, amin'ny andro rehetra iainako. 15 Dia nitsangana izy, ary rahefa niravahany avokoa ny fihaingoany rehetra, dia niditra sy nankeo anatrehan'i Holoferina izy. 16 Niontana ny fon'i Holoferina, fa main'ny fitsiriritana azy. 17 Hoy Holoferina taminy: Misotora ary mihinàna an-kafaliana, fa nahita fitia eo imasoko hianao. 18 Ary hoy Jodita: Hisotro aho, tompoko, fa ity no andro nahazoan'ny fanahiko voninahitra indrindra, mihoatra noho ny tamin'ny andro rehetra niainako. 19 Ny efa nomanin'ny ankizivaviny no noraisiny dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy. 20 Nentanin-kafaliana noho ny aminy loatra Holoferina ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatrizay niainany.

Toko faha-13

1 Nony hariva ny andro, samy niverina faingana nankany an-dainy avy ny mpanompon'i Holoferina. Vagao koa nanakatona ny varavaran'efitra, dia lasa.

2 Doroky ny divay daholo ry zareo 3 ary Jodita irery sisa tao amin'ny efitra. 4 Holoferina izany nivalandotra teo am-pandriany, renoky ny torimason-kamamoana mafy. 5 Efa nilazan'i Jodita ny ankizivaviny mba hitsangana eo ivelany, anoloan'ny efitra, sy hanao antilitily. 6 Jodita kosa nitsangana teo anoloan'ny fandriana, nivavaka kelikely tamin-dranomaso, nanetsika mangingina ny molony: 7 Ry Tompo Andriamanitr'Israely, hoy izy, hatanjaho aho, ary topazo fijery mitahy amin'izao ny asan'ny tànako, mba hanangananao indray an'i Jerosalema tanànanao, araka ny teny napetrakao, sy hanatontosako izay noheveriko ho mety ho vitako amin'ny fanampianao ahy. 8 Nony avy niteny izany izy, dia nankeo amin'ny andry teo an-doha fandrian'i Holoferina, novahany ny sabany nihantona teo, 9 ka nony notsoahany avy ao amin'ny tranony, dia nandray ny volon'i Holoferina izy nanao hoe: Tompo Andriamanitra ô, herezo aho amin'ity fotoana ity! 10 Dia nojanjanany indroa teo amin'ny hatony izy, ka tapany ny lohany; ary notsoahany ny elom-pandriana teo amin'ny andry, dia nakodiany tamin'ny tany ity vatana tapa-doha; 11 ary dia nivoaka tsy nijanonjanona izy, ka natolony an'ilay ankizivaviny ny lohan'i Holoferina, nasainy hatao ao an-kitapony. 12 Niara-nandeha, araka ny fanaony, hoatra ny handeha hivavaka izy roa ka rahefa namaky ny toby sy nahodidina ny lohasaha izy dia tonga tao am-bavahadin'ny tanàna.

13 Mbola lavitra, dia niantso ny mpiambina ny manda Jodita nanao hoe: Vohay ny vavahady, fa momba antsika Andriamanitra, ary naneho ny fahefany nanasoavany an'Israely. 14 Raha nandre ny teniny ny mpiambina, dia niantso ny loholon'ny tanàna. 15 Niaraka tamin'izay, nirohotra nanatona azy ny olona rehetra hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra fa efa saiky namoy fo ny hiverenany izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1511