Bokin'i Jodita

Toko faha-13

16 Nandrehitra fanilo sady nitangorona nanodidina azy izy rehetra. Niakatra teo amin'ny toerana avoavo Jodita, nampangina ny olona; ka nony nangina avokoa izy ireo, dia hoy izy: 17 Miderà ny Tompo Andriamanitsika, fa tsy nandao izay manantena azy izy. 18 Izaho, ankizivaviny, no nanatanterahany ny teny famindram-po napetrany hanasoavany ny vahoakan'Israely, fa novonoiny alina tamin'ny tànako ilay fahavalon'ny vahoakany. 19 Teo dia notsoahiny avy ao an-kitapo ny lohan'i Holoferina, nasehony azy ireo, sy nolazainy hoe: Ity ny lohan'i Holoferina, komandin'ny tafiky ny Asiriana; ary ity ny elom-pandriana nanaloka azy nandry efa renoky ny hamamoana, izay namonoan'ny Tompo azy tamin'ny tanam-behivavy. 20 Marina toy ny mahavelona ny Tompo ny niambenan'ny anjeliny ahy, na tamin'ny nandehanako, na tamin'ny nijanonako teo amin'izy ireo, na tamin'ny niverenako, ary tsy navelan'ny Tompo ho voaloto ny ankizivaviny, fa naveriny aminareo tsy voapentin'ny ota na kely akory aza, sady faly amin'ny fandreseny, sy ny fiarovany ahy, ary ny fahafahany anareo. 21 Koa mihirà fiderana azy hianareo rehetra, fa tsara izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 22 Dia nitsaoka ny Tompo ny olona rehetra, sady nanao taminy hoe: Ny Tompo nitahy anao tamin'ny heriny, fa hianao no nampanjariany ho tsinontsinona ny fahavalontsika rehetra.

23 Hoy koa Oziasa lehiben'ny vahoakan'Israely taminy: Anaka, nosoavin'ny Tompo Andriamanitra Avo Indrindra hianao, mihoatra ny vehivavy rehetra eto ambonin'ny tany. 24 Isaorana anie ny Tompo, mpahary ny lanitra sy ny tany, izay nitondra ny tànanao hanapa-doha ny lehibe indrindra amin'ny fahavalontsika. 25 Ary akory ity voninahitra nanandratany ny anaranao androany, fa ny fiderana anao tsy ho afaka am-bavan'ny olona izay hahatsiaro mandrakizay ny fahefan'ny Tompo; satria tsy nandala ny ainao hianao, hanasoavanao azy ireo, nony nahita ny fijaliana amam-pahorian'ny firenenao, fa namonjy anay tsy ho levona tamin'ny nandehananao araka ny fahamarinana, teo anatrehan'ny Andriamanitsika. 26 Dia indray namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany! 27 Rahefa izany, nantsoina hankeo Akiora, ka hoy Jodita taminy: Ny Andriamanitr'Israely izay nambaranao hoe mahavaly ny fahavalony, dia nanapaka alina tamin'ny tànako, ny lohan'ilay lehiben'ny tsy mpino rehetra.

28 Ary mba hampiaiky anao fa to tokoa izany, dia indro ny lohan'i Holoferina, izay nentin'ny fiavonavonana midaondaona ka naniratsira ny Andriamanitr'Israely, ary nandrahona ny hamono anao ho faty, nanao hoe: Raha avy izay handreseko ny vahoakan'Israely, dia hovonoiko amin'ny lelan-tsabatra koa hianao. 29 Nony nahita ny lohan'i Holoferina Akiora, dia nihoron-koditra natahotra, ka lavo nihohoka tamin'ny tany, sady torana. 30 Nony nahatsiaro tena sy nody saina izy, nihohoka teo an-tongotr'i Jodita, nanao taminy hoe: Aoka ho antsoina ho nosoavin'ny Andriamanitrao anie hianao, eo ambanin'ny lain'i Jakoba rehetra. Ary hianao no hahazoan'ny Andriamanitr'Israely voninahitra eny amin'ny firenena rehetra handre ny anaranao.

Toko faha-14

1 Tamin'izay dia hoy Jodita tamin'ny vahoaka rehetra: Mihainoa ahy, ry havako, ahantony eny an-tampon'ny mandantsika ity loha ity.

2 Ary rahefa vaky masoandro, samia mandray ny fiadiany, dia mirimorimo mivoaka, tsy hoe hidina ho eo an-dohasaha fotsiny, fa toy ny manao rodobe hamely. 3 Tsy maintsy hitsoaka ho any amin'ny Jeneraliny amin'izay ny mandry tsy aman'afon'izy ireo, hamoha azy hiady. 4 Ary rahefa hidodododo ho any an-dain'i Holoferina ny lehiben'izy ireo ka hahita azy voatapa-doha, mihosinkosina amin'ny rany, dia ho raiki-tahotra mafy. 5 Nony injay hitanareo mandositra izy, dia mirosoa hanenjika azy an-kasahiana fa homontsan'ny Tompo eo imasonareo ireo. 6 Rahefa hitan'i Akiora tamin'izay, ny fahefana ampiasain'ny Andriamanitr'Israely, dia nialany ny fombam-pivavahan'ny firenena, dia nino an'Andriamanitra izy, ary noforana sy voakambana amin'ny vahoakan'Israely, hatramin'ny taranany rehetra mandrak'izao.

7 Vao nipoaka ny andro, dia nahanton'ny mponina tao Betolia teny amin'ny manda ny lohan'i Holoferina, ka samy nandray ny fiadiany ny lehilahy, sy nivoaka nirodorodo mafy, tamin'ny antsoantso nikotrokotroka.

8 Nahatsinjo izany ireo mandry tsy aman'afo, dia nidodododo nankany an-dain'i Holoferina. 9 Izay efa tao an-day kosa indray nankeo ambaravaran'efitra fandriany, nanao tabataba be hamoha azy, ary niniany nampitomboina ny tabataba mba hahatsiarovan'i Holoferina amin'ny torimasony, azon'izany tabataba izany, tsy hilana ny hamohan'ny fehiny azy. 10 Fa tsy nisy sahy nandom-baravarana, na niditra ka namoha ny varavaran'efitra fandrian'ity lehilahy ambony indrindra amin'ny Asiriana. 11 Tonga avokoa anefa ny jeneraliny sy ny lehibe mbamin'ny manam-bononahitra amin'ny tafiky ny mpanjakan'ny Asiriana, ka nilaza tamin'ireo tonian-tranony hoe: 12 Midira, fohazy izy, fa tafavoaka ny lavany ireo voalavo ireo, ka sahy mihaika antsika hiady. 13 Tamin'izay dia niditra ny efitrano Vagao, nijanona teo anoloan'ny elom-pandriana, nitehaka tamin'ny tànany, fa nataony ho miara-mandry amin'i Jodita ihany ny tompony. 14 Kanjo raha nanongilan-tsofina izy ka tsy nandre izay fihetsik'olona mandry tao velively, dia nohatoniny ny elom-pandriana, dia noaingainy, ka indro ny fatin'i Holoferina, hitany nitsitra tamin'ny tany, tsy nisy loha, nihosin-dra. Niaraka tamin'izay, nidradraka nitomany izy, sy nandriatra ny fitafiany, 15 dia niditra tao an-dain'i Jodita, ka tsy nahita azy tao. Nivoaka faingana izy nankeo amin'ny vahoaka, 16 nanao hoe: Vehivavy jody iray iny monja nampisafotofoto ny ankohonan'i Nabokodonosora mpanjaka; mitsitra amin'ny tany ao Holoferina, ary tsy misy loha intsony ny vatany! 17 Vao nandre ireo teny ireo ny lehibe rehetra amin'ny tafiky ny Asiriana, dia nandriatra ny fitafiany, sady azon-tahotra aman-korohoro lozan-tany, nikorontana mafy ny sainy. 18 Ka horakoraka tsy hita holazaina, no nihohahoha tao an-tobin'izy ireo.

Toko faha-15

1 Nony ren'ny foloalindahy rehetra fe hoe, tapa-doha Holoferina, dia veriny avokoa ny heviny amam-pahamalinany, fa ny tahotra amam-badi-po no nanindry azy mafy, ka ny hanavotra aina amin'ny lositra no nalehany.

2 Tsy nifampiteny indraim-bava akory izy ireo, fa samy niondri-doha sy namela teo ny zavatra rehetra fa dodona hitsoaka tsy ho tratry ny Hebrio, izay reny tamy mitam-piadiana hamely azy, ka dia vaky nandositra namakivaky ny saha izy sy namonjy ny sakeli-dàlana amin'ny tendrombohitra. 3 Nony hitan'ny zanak'Israely fa nandositra izy ireo, dia notanahiny nenjehina, nirotsahany tamim-pitsofan-trompetra, ary nohorakorahiny mafy avy ato aoriany. 4 Noho ny Asiriana niparitaka sady nikoropaka mafy teo am-pandosirana, ary ny zanak'Israely kosa nikambana ho antokony iray monja teo am-panenjehana azy, dia nataony jinja fary avokoa izay rehetra tratrany. 5 Tamin'izay koa nolefasan'i Oziasa iraka avokoa ny tanàna aman-tsahan'Israely rehetra; 6 ka isam-bohitra sy isan-tanàna, samy nampandray fiadiana ny tovolahy voafantina teo aminy avy, sy nandefa ireo hanaraka ny Asiriana, ka nanenjika azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo hatrany amin'ny faran'ny sisin-taniny. 7 Izay tafajanona tany Betolia kosa, niditra tao an-tobin'ny Asiriana nandraoka ny babo rehetra nilazaon'ny Asiriana nandositra, ka niverina mavesatr'izany. 8 Etsy an-daniny koa izay avy nandresy ka niverina ho any Betolia, nifaoka izay rehetra nananan'ny Asiriana, dia biby fiompy tsy hita isa, sy biby mpitondra entana mbamin'ny entany rehetra, ka samy nahazo harena tamin'ny babo azony avokoa, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. 9 Avy ao Jerosalema Joakima mpisoron-dehibe dia tonga tao Betolia niaraka amin'ny loholona rehetra hamangy an'i Jodita.

10 Nony nivoaka hitsena azy izy, indray niredona nisaotra azy izy rehetra nanao hoe: Hianao no tabihan'i Jerosalema; hianao no fifalian'Israely; hianao no voninahitry ny firenentsika. 11 Satria nitomban-dahy ny fanahinao, ary feno herimpo ny fonao; satria tia fahadiovana hianao, fa nony maty ivadinao tsy nety nahalala hafa hianao, ny tànan'ny Tompo nanafy hery anao, ka hisaorana mandrakizay hianao. 12 Dia indray namaly hoe, ny vahoaka: Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany! 13 Saika tsy ampy ny telopolo andro, hanangonan'Israely ny babo tamin'ny Asiriana.

14 Nomen'ny vahoaka an'i Jodita avokoa ny volamena amana volafotsy, sy ny fitafiana amana vatosoa, mbamin'ny zavatra rehetra fantatra fa an'i Holoferina. 15 Ary niara-nifaly avokoa ny vahoaka mbamin'ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zatovolahy tamin'ny feon'ny harpa aman-dokanga.

Toko faha-16

1 Tamin'izay Jodita dia nihira izao hira izao tamin'ny Tompo: Mankalazà ny Tompo, amin'ny fidoboky ny amponga, Mihirà ny Tompo amin'ny kipantsona; Miraisa feo hanaovana hira vaovao ho voninahiny, ankalazao sy hobio ny anarany.

2 Ny Tompo manapitra ny ady; Tompo no anarany! Niorin-toby eo afovoan'ny vahoakany izy, mba hamonjy antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1486