Bokin'i Joba

Toko faha-8

7 ka hataonao ho zavatra kely foana ny toetranao voalohany noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.

8 Anontanio ange ny olona tany aloha; diniho ange izay efa notsapain'ny razana;

9 satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona, ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,

10 fa ireny kosa, tsy hanoro anao sy hilaza aminao va, ka hamoaka oha-teny avy ao am-pony?

11 Maniry eny ivelan'ny heniheny va ny zozoro? mitrebona tsy misy rano va ny harefo?

12 Mbola tanora, tsy voatapaka akory izy, dia maina, alohan'ny zava-maitso eny an-tsaha.

13 Toy izany koa no lalan-kalehan'izay manadino an'Andriamanitra, ho levona ny fanantenan'ny tsy mpivavaka.

14 Ho maito ny tokiny, hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.

15 Miankina amin'ny tranony izy, nefa tsy mafy orina io; mifikitra aminy izy, nefa tsy mahajoro io.

16 Be aina eo ambany masoandro izy; misandrahaka eo amin'ny tanimboliny, ny rantsany;

17 mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany; tafalentika hatreo ambanin'ny vato izy.

18 Raha voafongotra teo amin'ny fitoerany izy, dia lavin'ny fitoerany ataony hoe: Tsy nahita anao na oviana na oviana aho.

19 Ka tapitra hatreo ny fijaliany fa hafa indray no hisandratra avy amin'io tany io.

20 Tsia, Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny; izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.

21 Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao, hataony eo amin'ny molotrao ny hira fifaliana.

22 Ho safo-kenatra ny fahavalonao; ary ho fongotra ny lain'ny ratsy fanahy.

Toko faha-9

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Fantatro tsara fa izany tokoa no izy: Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin'Andriamanitra?

3 Fa raha mitady hifamaly aminy izy, dia tsy hahavaly azy, na dia iray amin'ny arivo aza.

4 Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa izy amin'ny heriny, Zovy moa no nanohitra azy, ka tsy naninon-tsy naninona?

5 Mamindra ny tendrombohitra izy, ka tsy fantatr'izy ireo, mandrodana ireny amin'ny hatezerany izy;

6 manifikifika ny tany amin'ny fanorenany izy, dia mihozongozona ny andriny.

7 Mandidy ny masoandro izy, dia tsy miposaka io; asiany tombo-kase ny kintana.

8 Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina.

9 Izy no nahary ny Orsa, ny Telonohorefy, ny Kotokelimiadilaona, ary ny lafin'ny lanitra atsimo.

10 Manao zava-dehibe tsy hay fantarina izy, dia zava-mahagaga tsy tambo isaina.

11 Indro fa mandalo eo akaikiko izy, tsy mahita azy aho, manalavitra indray izy, tsy mahatsikaritra azy aho.

12 Raha mipaoka remby izy, zovy no hahasakana izany? Zovy no hanao aminy hoe: Fa inona ity ataonao?

13 Andriamanitra! Tsy misy mahaketraka ny hatezerany, na inona na inona, mitanondrika eo anoloany ireo maro mpisolanandrana.

14 Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly azy, ka hifantina izay teny hifandaharako aminy?

15 Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory, ny hangataka ny famindram-pon'izy mpitsara ahy no hataoko.

16 Na ho nanaiky ny fitarainako aza izy, dia tsy hoheveriko ho nihaino ny feoko,

17 izy ilay manorotoro ahy toy ny ao amin'ny tadio, sy mampitombo ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana;

18 tsy avelany hahita hiainana akory aho, sady vokisany zava-mangidy.

19 Raha ny hery no heverina, mahery izy; raha ny rariny indray, hoy izy: Iza no mitory ahy?

20 Na tsy manan-tsiny aza aho, hohelohin'ny vavako; fa na marina aza, dia holazainy ho diso.

21 Tsy manan-tsiny, izany tokoa, aho, nefa tsy mifikitra amin'ny fiainana, ary enta-mavesatra ho ahy ny fahavelomako.

22 Tsy mampaninona anefa izany; ka hoy aho hoe: Samy aringany ihany na ny marina na ny meloka.

23 Raha mba mahafaty amin'ny indray mamono ahay ny loza! Fa indrisy; ihomehezany ny fizahan-toetra ny marina.

24 Voatolotra eo an-tanan'ny ratsy fanahy ny tany; saronan'Andriamanitra tava ny mpitsara eo. Satria iza indray moa no hanao izany raha tsy izy?

25 Faingana noho ny tsimandoa ny androko, lasa tsy mbola nahita ny fiadanana izy,

26 mandalo toy ny lakan-jozoro izy, tahaka ny voromahery miantonta amin'ny rembiny.

27 Raha mba manao hoe, aho: Aoka hohadinoiko ny fitarainako, sy hajanoko ny tarehiko malahelo fa hanao endrika miramirana;

28 dia indro mangovitra aho, noho ny fijaliako rehetra, satria fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.

29 Ho voatsara ho meloka ihany, ka nahoana no hanasa-tena foana?

30 Na dia handro amin'ny oram-panala aza aho, ka hanadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,

31 dia harobokao ao amin'ny fotaka kosa, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.

32 Tsy olombelona toa ahy Andriamanitra, ka ho azoko valiana, mba hifanatrehanay eo amin'ny fitsarana.

33 Tsy misy mpanelanelana anay, hametraka ny tanany aminay roa tonta.

34 Fa aoka hesoriny amiko ny tsora-kazo, aoka hitsahatra tsy hampivadi-po ahy ny fampitahorany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1547