Bokin'i Joba
Toko faha-12
8 Na mitenena amin'ny tany fa hampahalala anao izy; hatramin'ny hazandrano any an-dranomasina aza, dia hitantara izany aminao.9 Satria iza moa amin'ireo rehetra ireo no tsy mahalala, fa ny tanan'ny Tompo no nahavita ireo zavatra ireo,
10 ary izy no mitana eo an-tanany ny ain'ny manan'aina rehetra, mbamin'ny fofon'ain'ny olombelona rehetra?
11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny, ary ny vava no manandrana ny hanina?
12 Ny fotsy volo no manam-pahendrena, ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana.
13 Ao amin'Andriamanitra no onenan'ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.
14 Indro manjera izy, ka tsy misy manorina indray, manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha.
15 Indro tazoniny ny rano, dia ritra; alefany indray, dia manakorontana ny tany.
16 Azy ny faherezana amam-pahamalinana, azy ny maniasia sy ny mampaniasia.
17 Entiny mifatotra ny mpanome saina ny vahoaka, ary esoriny amin'ny mpitsara ny fahatsiloan-tsainy.
18 Vahany ny fehikibon'ny mpanjaka, dia feheziny tady ny valahany.
19 Tarihiny ho any am-pahababoana ny mpisorona, ary aongany ny manam-pahefana.
20 Ataony tsy manan-kalahatra izay olona mahay indrindra, ary endahany fisainana ny anti-panahy.
21 Latsahany fanamavoana ny andriandahy; ary ketrahiny fehin-kibo ny matanjaka.
22 Alany sarona ny zava-miafina amin'ny aizina ary asehony eo amin'ny mazava ny aloky ny fahafatesana.
23 Ampitomboiny ny firenena, dia ravany koa; itariny izy, dia eteny indray.
24 Ny saina esoriny amin'ny mpanapaka ny firenen'ny tany, dia ampaniasiaviny any an'efitra tsy misy lalana izy ireo,
25 dia miraparapa amin'aizina lavitra ny mazava ireny, ary avembenany toy ny olona mamo.
Toko faha-13
1 Indro fa nahita izany rehetra izany ny masoko, ary ny sofiko nandre sy nahalala izany.2 Izay fantatrareo, dia fantatro koa, tsy latsaka noho hianareo aho na amin'inona na amin'inona.
3 Fa amin'ny Tsitoha no tiako hitenenana, amin'Andriamanitra no tiako handaharana ny amin'ny adiko.
4 Fa hianareo, dia mpamahan-dalitra foana, mpitsabo tsy vanon-ko inona avokoa hianareo.
5 Injay mba mangina hianareo! fa izany no solom-pahendrena ho anareo.
6 Masìna hianareo, henoy ny fanamarinako tena, tandremo izay alahatry ny molotro momba ny adiko.
7 Hilaza lainga va hianareo hanamarina an'Andriamanitra, fitaka va no hataonareo hiarovana azy?
8 Hizaha tavan'olona hianareo momba an'Andriamanitra sy hitsangana ho mpisolo vava?
9 Raha ny fonareo no mba zahany toetra, hankasitraka anareo va izy amin'izany? Ho fitahinareo toy ny famitaka olombelona va izy?
10 Tsy maintsy hohelohiny mihitsy hianareo, raha mizaha tavan'olona mangingina hianareo.
11 Eny, hampivadi-po anareo ny fahalehibeazany, hianjera aminareo ny fampitahorany.
12 Fa hevi-javona ny porofonareo, trano manda fotaka ny mandanareo.
13 Mangina hianareo, avelao aho fa te-hiteny; dia hanjo ahy izay hanjo ahy.
14 Te-haka ny nofoko amin'ny nifiko aho, te-hametraka ny aiko eo an-tanako aho.
15 Na dia hovonoiny aza aho, ka tsy hanan-kantenaina intsony, dia hiaro ny fitondra-tenako eo anatrehany aho.
16 Nefa izy no famonjena ahy, fa ny tsy mivavaka tsy mba mety miseho eo anatrehany.
17 Ka henoy ary ny teniko, manongilana sofina amin'izay halahatro.
18 Indro efa voalahatra ny amin'ny adiko ary fantatro fa hahazo ny rariny aho.
19 Moa misy ta-handahatra hamely ahy? dia hangina eo no ho eo ihany aho, dia ho faty.
20 Fa mba halaviro ahy ireto zavatra roa ireto ry Andriamanitra, dia tsy hiery hiala eo anatrehan'ny tavanao aho.
21 Esory tsy hitambesatra amiko ny tànanao, ary aoka tsy hampivadi-po ahy ny fampitahoranao.
22 Amin'izay, dia antsoy aho fa hamaly, na izaho no hiteny aloha, ary hamaly kosa hianao.
23 Firy no isan'ny hadisoako amam-pahotako? Ampahalalao ahy izay fiodinako aman-dratsy nataoko.
24 Nahoana hianao no dia manafina ny tavanao toy izao, sy mijery ahy ho toy ny favahalonao!
25 Moa te-hampitahotra ravin-kazo hozongozonin'ny rivotra va hianao, hanenjika vodivary maina,
26 no dia ny hadisoan'ny fahatanorako no ampanodiavinao ahy,
27 no dia ampidirinao amin'ny boloky hazo ny tongotro, no dia tsikiloinao avokoa izay alehako,
28 no dia feranao koa izay hodiaviko? Ny nofoko anefa ity efa mihalevona hoatra ny hazo vovohina, sy tahaka ny fitafiana hanin'ny kalalao.
Toko faha-14
1 Ny olona tera-behivavy, dia vitsy andro iainana, sady vontom-pahoriana.2 Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy; Lasa miala tsy mijanona hoatra ny aloka.
3 Amin'izy io anefa no ampihiratanao ny masonao, izy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana!
4 Iza no mahay mamorona madio avy amin'ny maloto? Tsy iza, tsy iza.