Bokin'i Joba

Toko faha-14

5 Raha voaisa ny andron'ny olombelona, raha naraikitrao ny isan'ny volany, raha nametra faritra tsy hihoarany hianao,

6 avilio tsy hijery azy ny masonao mba hisy hitsaharany, mandra-pankafiziny ny fiafaran'ny androny toy ny mpikarama.

7 Ny hazo mbola manan-kantenaina, na voatapaka aza izy, mbola mety hiha-maitso, ary miteraka solofony tsy an-kijanona.

8 Na efa antitra ao anaty tany aza ny fakany, na maty ao anaty vovoka aza ny fotony,

9 raha vao mahazo rano izy, dia mihamaitso, dia misandrahaka toy ny tanora vao nambolena.

10 Fa ny olona kosa maty, dia miampatra eo, rahefa miala aina izy, dia aiza moa?

11 Ny rano an-kamory mihalevona, ny ony miharitra, dia maina.

12 Toy izany koa ny olona mandry, dia tsy miarina intsony, raha mbola eo koa ny lanitra tsy hahatsiaro intsony izy, ary tsy hofohazina amin'ny torimasony.

13 Endrey! raha mba mety manafina ahy any amin'ny fonenan'ny maty mantsy hianao, ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao, hilaza amiko izay fetr'andro hahatsiarovanao ahy indray!

14 Raha mba velona indray mantsy ny olona nony efa maty izy! handrasako amin'ny andro rehetra anjara fiambenako izay hahatongavan'izay hisolo ahy.

15 Hiantso hianao amin'izay, ary izaho kosa hamaly anao; ary mba hanina ny asan'ny tananao hianao.

16 Nefa indrisy, fa hianao ankehitriny manisa ny diako, mibandrina ny fahotako hianao.

17 Voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako, nasianao loko ny tsy fahamarinako.

18 Ny tendrombohitra miletsy sy mihalevona, ny vatolampy afindra hiala amin'ny toerany,

19 ny rano mandavaka vao, ny onjany tondraka manindao ny vovo-tany: toy izany no andravanao ny fanantenan'ny olombelona.

20 Aonganao tsy hiarina izy, dia lasa; lazoinao ny tavany, dia alefanao izy.

21 Omem-boninahitra ny zanany, tsy fantany izany; voaetry ireny, tsy hitany akory.

22 Ny nofony tsy mahatsiaro afa-tsy ny fijaliany ihany, ny fanahiny tsy mitaraina afa-tsy amin'izay manjo azy.

Toko faha-15

1 Dia niteny Elifaza avy any Temana ka nanao hoe:

2 Moa fahaizana tsy misy fotony va no amalian'ny olon-kendry? Ataony mivozihitra rivotra va ny tratrany?

3 Moa va izay miaro tena amin'ny teny foana, sy amin'ny lahateny tsy misy antony?

4 Hianao kosa mandrava hatramin'ny fahatahorana an'Andriamanitra, dia manafoana mihitsy rahefa mety ho fitiavam-bavaka amin'Andriamanitra.

5 Vavanao no manambara ny fahadisoanao, sy fitenin'ny mpanoloky no ataonao.

6 Tsy izaho fa ny vavanao no manameloka anao, ny molotrao no miteny miampanga anao.

7 Hianao va no teraka voalohany tamin'ny olombelona? Hianao va nateraka talohan'ny havoana?

8 Nanatrika ny fivoriam-pisainan'Andrimanitra va hianao? Voarombakao ho anao irery va ny fahendrena?

9 Inona no fantatrao, tsy fantatray? Inona no nianaranao, ka tsy mahazatra anay izany?

10 Eo aminay mba misy koa ny efa fotsy volo, ny anti-panahy lava andro niainana noho rainao!

11 Ka ataonao ho zavatra kely va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra, sy ny teny mamy ataonay aminao?

12 Fa entin'ny fonao mankaiza ity hianao, ary maninona izato masonao no mihebiheby?

13 Andriamanitra va ataonao hiharan'ny hatezeranao, ary ny vavanao va no hamoahanao lahateny toy izany?

14 Fa inona ny olombelona no mba hadio, izay tera-behivavy, no mba ho marina?

15 Indro ireo masiny aza, tsy mahatoky an'Andriamanitra, ary ny lanitra, tsy madio eo anatrehany,

16 koa mainka izay zava-betaveta sy ratsy fanahy, izay olombelona misotro ota toy ny fisotro rano!

17 Hampianatra anao aho ka mihainoa; ny zavatra hitako no hambarako,

18 dia izay ampianarin'ny olon-kendry, - Efa reny tamin'ny razany ka tsy afeniny,

19 izy ireo no hany nomeny ny tany, ary tsy nisy vahiny nandalo teo aminy na oviana na oviana. -

20 Ahiahy lava no mihinana ny ratsy fanahy amin'ny androny rehetra; taona vitsy isa, no hany voatokana ho an'ny mpampahory.

21 Feo mahatsiravina no mangingina ao an-tsofiny, raha eo afovoan'ny fiadanana izy no irotsahan'ny mpandrava.

22 Tsy mba manantena ho afak'aizina izy, ary tsaroany tsikiloin-tsabatra lava izao.

23 Mirenireny izy mba hitady ny mofony; fantany fa ny andron'ny aizina dia efa vonona ao anilany.

24 Ianjeran'ny fahoriana amam-tebiteby izy, hoatra ny mpanjaka hary fitaovan-kiady no fiantorak'ireny aminy.

25 Satria nanainga tanana hamely an'Andriamanitra izy, nihaika ny Tsitoha izy,

26 nanamafy hatoka nimaona hamely azy izy: eo ambanin'ny vohon'ampingany matevina.

27 Efa safotry ny taviny ny tavany sady manotraka be ny valahany.

28 Ny tanĂ na fonenany dia foana tsy misy intsony, ny trano tsy misy olona intsony, zary korontam-bato no halehany.

29 Tsy hahazo harena intsony izy, ny fananany tsy haharitra, ny fananany tsy hitatra intsony eto ambonin'ny tany.

30 Izy tsy ho afa-mandositra ny aizina, ny solofony ho levon'ny afo, ary hofaohin'ny fofon'aina avy amin'ny vavan'Andriamanitra izy.

31 Aoka tsy hitoky amin'ny fitaka izy, fa voafandrik'izany: ny lainga no valy ho azony.

32 Hanjo azy alohan'ny hahafeno ny androny, izany valy izany, ka tsy ho maitso intsony ny sampany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2275