Bokin'i Joba

Toko faha-15

33 Hanintsam-boa vao mibontana, toy ny voaloboka, izy; avelany hiraraka, toy ny an'ny oliva, ny voniny.

34 Fa tsy hisy taranaka ny tranon'ny tsy mivavaka, ary ho levon'ny afo ny lain'ny mpitsara voasisika.

35 Totontoroina loza izy, ka miteraka atambo. Voam-pitaka no masaka ao an-kibony.

Toko faha-16

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Efa reko matetika ny kabary toy izany, Mpampionona tsy zaka leferina avokoa hianareo.

3 Rahoviana re no ho tapitra izany lahateny foana izany e? Asesiky ny fitsindrona inona hianao no mamaly indray?

4 Hahay miteny toa anareo izao koa aho, raha hianareo no mba toa ahy izao; hofafazako teny tsara lahatra hianareo, hanifikifi-doha aminareo aho.

5 Vava no hankaherezako anareo, ka ny molotro mihetsika no ho fanamaivanana anareo.

6 Raha miteny moa aho, tsy mihena ny fijaliako; raha mangina indray, hanamaivana azy va izany?

7 Fa ankehitriny, indrisy, efa mandreraka ny heriko Andriamanitra: naringanao ny havako rehetra, ry Andriamanitra o.

8 Mamatotra ahy hianao: ka izany vavolombelona miampanga ahy, mitsangana hanohitra ahy ny hahiazako, miampanga ahy manatrika.

9 Ny hatezerany mamiravira sy manenjika ahy; mikitro-nify amiko izy; ary fijery mivandravandra no atifitry ny fahavaloko ahy.

10 Asanasanany handrapaka ahy ny vavany, fetahany amin-datsa ny takolako, miray tetika izy rehetra hamery ahy.

11 Natolotr'Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy aho ity; natsipiny eo an-tanan'ny olon-dratsy aho ity.

12 Teo amin'ny fiadanana aho, no notabainy, noraisiny tamin'ny hatoko aho, dia nomontsaniny. Natsangany ho tigetra kendren'ny zana-tsipìkany;

13 mirimorimo manodidina ahy ny zana-tsipikany, trobarany tsy ananany antra ny lanivoako, ararany amin'ny tany ny tsinaiko.

14 Akoany hiampy ny mikoa amiko, toy ny rapeton'olona no fiantorany amiko.

15 Nanjairako gony ny hoditro, ary nahosikosiko tamin'ny vovoka ny handriko.

16 Teramenan'ny ranomaso ny tavako, ary mivelatra eo ambony hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana.

17 Kanefa tsy misy haratsiana eo an-tanako, ary madio ny fivavahako.

18 Ry tany o, aza saronanao ny rako, ary aoka hisondrotra malalaka ny fitarainako!

19 Fa na dia izao aza, manam-bavolombelona any an-danitra aho, ary mpiaro ahy, any amin'ny fitoerana avo any.

20 Ireo sakaizako mihomehy ahy; fa amin'Andriamanitra kosa no itomanian'ny masoko.

21 Aoka izy hitsara hanelanelana an'Andriamanitra sy ny olombelona, hanelanelana ny zanak'olombelona sy ny namany.

22 Fa mandroso ho lany ny taona voaisa ho ahy, ary ny lalana idirako, tsy hiverenan-kilalana.

Toko faha-17

1 Efa mihareraka ny fofon'aiko, efa milopilopy ny androko; ny fasana sisa mba ho ahy.

2 Voahodidina maneso aho, misokatra ny masoko eo afovoan'ny fanevatevany ahy.

3 Ry Andriamanitra o, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao, fa iza indray moa no hety hitehaka ny tanako?

4 Ny fony efa nohidianao tsy handray ny fahendrena, ka aza avelanao hisandratra ireo.

5 Misy miantso ny sakaizany hiara-kizara aminy nony efa mihareraka ny mason'ny zanany.

6 Efa nataony ho fihomehezan'ny firenena aho; ilay olona fandrora amin'ny tavany aho.

7 Voasaron'ny alahelo ny masoko, hoatra ny aloka sisa ny rantsam-batako rehetra.

8 Talanjona amin'izany ny olona mahitsy fo; ary tezitra amin'ny tsy mivavaka ny tsy manan-tsiny.

9 Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin'ny lalany ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.

10 Fa avia indray ary hianareo rehetra, avia; dia tsy hahita olon-kendry iray aminareo va aho?

11 Lany ity ny androko, foana ny hevitra voakasako; dia ireo hevitra mba nolalaiko indrindra.

12 Ny alina ataony ho andro, eo anatrehan'ny aizina, lazainy ho efa akaiky ny fahazavana;

13 Na dia tsy miandry aza aho, ny seoly no fonenako; ao amin'ny aizina no namelarako ny fandriako.

14 Hoy aho tamin'ny fasana: Raiko hianao; ary tamin'ny kankana: Reniko sy anabaviko hianareo.

15 Nankaiza ny fanantenako: Iza no afa-kahita ny fanantenako?

16 Nidina any am-bavahadin'ny seoly izy; raha mba mahita fitsaharana ahay mantsy, any amin'ny vovoka!

Toko faha-18

1 Dia niteny Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2 Rahoviana ihany vao hotaperinao izany teny izany? Manana saina aloha hianao vao miresaka isika.

3 Nahoana hianao no dia mihevitra anay ho biby foana, fa ataonao ho donana velona eo imasonao va izahay?

4 Hianao izay mamiravira tena amin'ny hatezerana indray, noho ny aminao ve, dia tianao ho lao ny tany, ary hafindra toerana ny vatolampy?

5 Eny, ny ratsy fanahy dia ho faty ny fanilony, tsy hazava intsony ny afo eo am-patany.

6 Hanjomba ny andro eo an-dainy, ho faty ny jirony eo amboniny.

7 Izy efa mafy famindra dia ho voatery ny diany, hafainganin'ny saim-pantany ny fahalavoany.

8 Afatratry ny tongony amin'ny harato izy; mandia fandrika izy.

9 Azon'ny fandrika ny ombalahitongony, voatanan'ny tadivavarana izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1526