Bokin'i Joba

Toko faha-18

10 Ny fandrika harato miafina ao ambanin'ny tany hahavoa azy, ary longoa mitoto-bozaka no eny an-dalan-kalehany.

11 Manodidina azy hatraiza hatraiza ny fampitahorana, sady manenjika azy hatrany hatrany.

12 Ny mosary dia anjara saziny, ary ny faharinganana dia vonon-ko amin'izay hahalavoany.

13 Lany ny hoditry ny rantsam-batany; lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana ny rantsam-batany.

14 Tsoahana izy hiala ao an-dainy, izay nitokiany handriana fehizay, ka tarihina ho any amin'ilay Mpanjakan'ny fampitahorana.

15 Tsy misy monina eo an-dainy ny ankohonany; nofafazana solfara ny fonenany.

16 Ao ambany izy, maim-paka, eo ambony kosa tapa-drantsana.

17 Ny fahatsiarovana azy, foana amin'ny tany; efa very anarana amin'ny faritany izy.

18 Roahina hiala amin'ny mazava izy, ho ao amin'ny maizina, ary esorina hiala amin'izao tontolo izao.

19 Tsy mamela fara aman-dimby amin'ny fokony izy; ary tsy misy velona ny ao amin'ny fonenany.

20 Ny firenena Andrefana, talanjona amin'ny faharavany; ny Tatsinanana koa raiki-tahotra amin'izany.

21 Toy izany no fonenan'ny tsy mivavaka; toy izany no fitoeran'ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra.

Toko faha-19

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Mandra-pahoviana no hampahorianareo ny fanahiko sy hamizananareo ahy amin'ny teninareo?

3 Efa impolo izay no manala baraka ahy hianareo, sy manevateva ahy tsy aman-kenatra akory.

4 Na diso aza aho, izaho ihany no hihandronan'ny fahadisoako.

5 Fa hianareo kosa izay mitsangana hamely ahy, ka ny fahafam-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,

6 dia mba fantaro kosa fa Andriamanitra no mampahory ahy, sy manarona ahy amin'ny fandrika haratony.

7 Indro aho mitaraina noho ny fanaovana an-keriny, nefa tsy misy mamaly! miantso fitsarana ambony, nefa tsy mahazo ny rariny.

8 Ny lalako nofefeny, ka tsy afaka handeha aho; ny sakeli-dalana halehako namelarany aizina.

9 Ny voninahitro nendahany tamiko, ny satro-boninahitro nesoriny teo an-dohako.

10 Nohadiny manodidina ny ao ambaniko, ka mianjera aho; nofongorany toy ny hazo ny fanantenako.

11 Nirehitra tamiko ny fahatezerany, ka nataony fitondra fahavalo aho.

12 Indray nirohotra ny antoko-miaramilany, nisava lalana hankanesany aty amiko, dia nanao fahirano ny laiko.

13 Ka ny rahalahiko nampanalaviriny ahy; ny sakaizako mivily miala amiko.

14 Ny havako nandao ahy. Ny olona mifankazatra amiko nanadino ahy.

15 Ny mponina ao an-tranoko sy ny ankizivaviko manao ahy ho olon-kafa;

16 olon-tsy fantatra eo imasony aho. Miantso ny mpanompoko aho, tsy valiany akory; voatery hilela-paladia azy amin'ny vavako aho.

17 Mahaloiloy ny vadiko ny fofon'aiko, mifona amin'izay iray tampo amiko aho,

18 Ny ankizy madinika aza, mamingavinga ahy, nony mba mitsangana anaovany kivalavala.

19 Ireo tsy nanafenako, dia marikoriko amiko, ireo nolalaiko mivadika mamely ahy.

20 Ny taolako, tafaraikitra amin'ny hoditra ama-nofoko, ny akanjo-nifiko no hany nentiko nilefa.

21 Hianareo sakaizako ahay, no mba mamindra fo, mamindra fo amiko. Fa nasian'ny tanan'Andriamanitra aho ity !

22 Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an'Andriamanitra koa hianareo, ka tsy mety ho boboky ny nofoko?

23 Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko! raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin'ny boky izy!

24 raha mba fisokirana vy mbamin'ny firaka no isokirana azy amin'ny vatolampy ho mandrakizay.

25 Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin'ny vovoka izy,

26 ary amin'izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny, dia ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra.

27 Eny, izaho izao no hahita azy ny masoko no hahita azy, fa tsy olon-kafa! Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.

28 Amin'izay hianareo vao hilaza hoe: Nahoana isika no nanenjika azy? fa ho hita ny mahamarina ny adiko.

29 Ho an'ny tenanareo no aoka hatahoranareo ny sabatra amin'izay; fa mahatsiravina ny famalian'ny sabatra, ary ho fantatrao fa misy fitsarana marina.

Toko faha-20

1 Dia niteny Sofara avy any Naama ka nanao hoe:

2 Koa noho izany, dia asesiky ny saiko hanome valy aho, ka tsy andriko ny handefasako azy noho ny fikoratabako.

3 Nandre faniniana manala baraka ahy aho, ka hahita hahavaly avy amin'ny fahalalako ny saiko.

4 Fantatrao tsara va, fa hatrizay ela izay, hatrizay nametrahana ny olombelona teto an-tany,

5 dia vetivety foana no nahombiazan'ny ratsy fanahy, ary mihelina ihany ny fifalian'ny tsy mivavaka.

6 Na hapakany amin'ny lanitra aza ny reharehany, ka hitehina amin'ny rahona ny lohany,

7 dia levona mandritra ny mandrakizay toy ny dikiny izy; izay nahita azy manao hoe: Aiza izy?

8 manidina toy ny nofy izy, ka tsy hita intsony, mihalevona toy ny fahitana amin'ny alina izy.

9 Ny maso nahita azy, tsy mahatazana azy intsony; ny fonenany tsy hahatsinjo azy intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1487