Bokin'i Joba

Toko faha-20

10 Ny zanany hangataka amin'ny malahelo, ny tanany no hanonerany ny nalainy an-keriny.

11 Ny taolany feno ny otany miafina, izay hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka.

12 Fa mamy tao am-bavany ny ratsy, ka nafeniny tao ambany lelany,

13 nankamamy ka tsy foiny, ary nakombony tao an-danilaniny.

14 Ho zary poizina amin'ny tsinainy ny haniny, ka ho tonga poizim-bibilava an-kibony.

15 Fa nitelina harena izy, ka handoa izany; Andriamanitra no handoatra izany, avy ao an-kibony.

16 Nitsentsitra ny poizin'ny bibilava izy, ka ho fatin'ny lelan'ny menarana.

17 Tsy mba ho hitany misononoka na oviana na oviana ny ony, ny ria-tantely aman-dronono.

18 Hamerina izay azony izy, fa tsy hambosika an'izany, araka ny tombony azony, ka tsy hiarana amin'izany izy.

19 Fa nampahory sy nandao ny mahantra izy, nandroba ny tranon'ireny,nefa tsy nanangana azy indray.

20 Tsy nety nianina ny fahalianany; tsy hoentiny izay maminy indrindra.

21 Tsy misy tsy tratry ny fahalianany te-handrapaka, koa tsy haharitra ny fiadanany.

22 Ao anatin'ny fananam-be izy, nefa latsaka amin'ny tsy fahampiana, iharan'izao kapoky ny loza rehetra izao izy.

23 zao no hameno ny kibony: Halatsak'Andriamanitra aminy, ny afom-pahatezerany, ka hirotsaka aminy, hatrany an-kibony.

24 Raha afaka amin'ny fiadiana vy izy ho trobaran'ny tsipika varahina.

25 Tsoahany ny zana-tsipika, ka mitsoaka miala amin'ny tenany izany, dia mivoaka manelatselatra avy amin'ny atiny ny varahina; ka azon'ny tahotry ny fahafatesana izy.

26 Aizim-pito no mitelina ny rakiny; afo tsy narehtir'olombelona no mandevona azy, sy mandany izay sisa tavela rehetra ao an-dainy.

27 Ny lanitra hanambara ny helony, ary ny tany hitsangana hiampanga azy.

28 Ny fananam-be ao an-tranony, haely, ho levona izany amin'ny andron'ny fahatezerana.

29 Izany no anjara naraikitr'Andriamanitra ho an'ny ratsy fanahy, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.

Toko faha-21

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Mihainoa, mihainoa ny teniko, aoka mba ho izany ahay no fampiononana azoko aminareo.

3 Avelao hiteny aho amin'ny anjarako; fa rehefa tapitra ny teniko, mahazo mamelively ihany hianareo.

4 Moa olombelona va no alehan'ny fitarainako? Ka aiza no hahatsindriako ny foko?

5 Jereo aho, ka aoka ho talanjona hianareo, ary tampeno ny vavanareo.

6 Raha mihevitra izany aho, dia mihoron-koditra, ary tera-kovitra ny nofoko.

7 Nahoana ary no velona ihany ny ratsy fanahy; sady tratra antitra mitombo hery?

8 Ny taranany mihamahery eo anoloany, ny solofony mandroso laza eo imasony.

9 Ny ankohonany mandry fehizay, lavitry ny tahotra, ny tsora-kazon'Andriamanitra tsy mba mikasika azy.

10 Ny ombalahiny mahavanona anaka, ny ombivaviny miteraka, tsy mamotsotra.

11 Avelany miriaria toa andian'ny biby fiompy ny zanany, mifalihavanja manodidina azy mbamin'ny zanany vao teraka.

12 Manara-bava ny feon-dokanga aman'ampongatapaka izy ireo, ary mikoriana amin'ny feon-tsodina.

13 Mandany ny androny amin'ny fiadanana izy ireo, fa sombin'andro monja no idinany ho any amin'ny seoly.

14 Hoy anefa ireny amin'Andriamanitra: Miala aminay; fa tsy te-hahalala izay lalanao akory izahay.

15 Zinona moa ny Tsitoha, no ho tompoinay? Inona no ho azonay amin'izay fivavahana aminy?

16 Moa tsy efa eo an-tanany va, ny fiadanan'izy ireo? - Kanefa, lavira ahy anie, ny fisainan'ny tsy mivavaka! -

17 Mba fahita matetika va ny hoe, maty ny fanilon'ny tsy mivavaka, iantsamboaran-doza izy ireo, na nanendren'Andriamanitra anjara aminny hatezerany izy ireo?

18 Moa toa mololo indaosin'ny rivotra no ahitana azy, sy toy ny akofa paohin'ny tadio?

19 Hoy hianareo: atokan'Andriamanitra ho an'ny zanany ny sazy afitsony azy. Fa aoka ny tenan'Andriamanitra no hanasazy azy mba ho tsaroany,

20 sy ho hitan'ny masony ny faharinganany, ary hosotroin'ny tenany ny fahatezeran'ny Tsitoha!

21 Mampaninona azy izay manjo ny taranany aty aoriana, rahefa tapaka hatreo ny isan'ny volana hiainany.

22 Andriamanitra va no hotoroana fahendrena, nefa ny tafasandratra indrindra aza, mbola tsarainy?

23 Ny iray maty ao anatin'ny fiadanana, ny hafinaretana amam-pianinany lavorary;

24 ny valahany manotraky ny taviny; ny taolany feno tsoka mandranoka.

25 Ny iray kosa maty amin'ny fahorian'ny fanahiny, tsy mba nanandrana izay fiadanana akory.

26 Samy mandry eo amin'ny vovoka izy roa tonta; samy rakotr'olitra ny tenan'izy roa tonta!

27 Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo; mbamin'ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.

28 Fa hoy hianareo: Aiza ny tranon'ny mpampahory? Zary inona ny lay nitoeran'ny tsy mivavaka?

29 Tsy mbola mba nanontany mpandeha lavitra va hianareo, ka tsy mahalala ny zavatra ambarany?

30 Amin'ny andron'ny fahoriana, voatsimbina ny ratsy fanahy; amin'ny andron'ny fahatezerana, afak'alanalana izy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1497