Bokin'i Joba

Toko faha-21

31 Iza akory no maniny ny fitondran-tenany eo anoloany? Iza akory no nampamoaka izay nataony?

32 Amim-panajana no itondrana azy halevina, ary misy miambina eo amin'ny fasany.

33 Ho maivana aminy ny bainga any an-dohany, sady ny olona rehetra hanaraka azy any avokoa, toy ireo maro tany alohany, izay efa nialoha azy any.

34 Ka inona no hevitr'izao fampiononam-poana ataonareo izao? Fanomezam-bohony avokoa no hany sisa amin'izao valin-teninareo izao.

Toko faha-22

1 Dia niteny Elifaza, ka nanao hoe:

2 Mety hanasoa an'Andriamanitra va ny olombelona? Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.

3 Mampaninona ny Tsitoha, raha marina hianao? Inona no azony, raha tsy misy diso ny lalanao?

4 Noho ny fitiavanao vavaka va no amaizany anao, sy ifandaharany aminao amin'ny fitsarana?

5 Tsy mihoa-pampana va ny haratsianao, ary tsy hita isa ny fahadisoanao?

6 Efa naka tsatoka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao hianao, efa nanendaka ny lamban'ny mihanjaka hianao.

7 Ny olona reraky ny hetaheta tsy nomenao rano; ny noana, tsy nahafoizanao hanina.

8 Fa an'ny sandry matanjaka ny tany, ary izay manam-piaro no miorim-ponenana eo.

9 Ny mpitondratena nampodinao maina ary tapaka ny sandrin'ny kamboty.

10 Izany no mahavoahodidim-pandrika anao, ka indro hianao tabatabain'ny horohoro tampoka,

11 safotr'aizina, tsy mahita, ary difotry ny rano mangeniheny.

12 Tsy any an-tampon'ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ange ny handrin'ny kintana: akory ity hahavony!

13 Ka hoy hianao: Inona no fantatr'Andriamanitra amin'izany? Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va izy?

14 Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita izy, fa any amin'ny lanitra boribory any foana no mandehandeha.

15 Mbola tohizanao harahina va ny lalana fahagola izay nodiavin'ny olona mpanao ratsy fahizany,

16 ka nalaina talohan'ny andro voafetra, ary nindaosin'ny riaka ny fanorenany?

17 Fa hoy izy tamin'Andriamanitra: "Miala aminay hianao!Fa inona moa no hain'ny Tsitoha hatao aminay".

18 Kanefa izy no nameno harena ny tranony. - Lavitra ahy anie, ny fisainan'ny ratsy fanahy! -

19 Mahita ny fianjeran'ireny ny marina, ka mifaly, ary mihomehy azy ny tsy manan-tsiny:

20 Indro efa rava ny fahavalontsika! efa levon'ny afo ny hareny!

21 Koa mihavana amin'Andriamanitra, dia mionona hianao, fa izany no hiverenan'ny fiadanana aminao.

22 Raiso avy amin'ny vavany ny fampianarana ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.

23 Ho tafarina hianao, raha miverina amin'ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.

24 Ario eny amin'ny vovoka ny anja-bolamena, ary eny amin'ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan'i Ofira.

25 Fa ny Tsitoha no ho volamenanao, sy ho volafotsy miavosa ho anao.

26 Amin'izay dia ny Tsitoha no hankamaminao, izy koa no hanandratanao ny tananao.

27 Hivavaka aminy hianao dia hohenoiny, ka hoefainao ny voadinao.

28 Raha misy fikasanao hataonao, dia ho tanteraka, ary ny lalanao hamirapiratam-pahazavana.

29 Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: Miandrandra, dia hovonjen'Andriamanitra izay mietry fijery.

30 Ny olo-meloka aza hataony afaka, fa voavonjy amin'ny hadiovan'ny tananao izy.

Toko faha-23

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Eny mangidy anio ny fitarainako, nefa mbola tampenan'ny tanako aza ny fitolokoko.

3 Ah, raha mba misy mantsy hampahafantatra ahy izay hahitako azy, sy hahatongavako hatrany amin'ny seza fiandrianany!

4 Dia halahatro eo anatrehany ny momba ahy, ary hofenoiko teny fanamarinana ny vavako!

5 Ho fantatro izay hevitra mety hoentiny hanohitra ahy, ary ho hitako izay mba mety holazainy amiko.

6 Ny haben'ny fahefany ve no hoentiny manda ahy? Tsy ho sitrany ve ny manipy maso amiko ahay?

7 Amin'izay dia hifandahatra aminy ny olo-marina, ka dia handeha aho efa voavelan'ny mpitsara ahy ho afa-mandrakizay.

8 Kanjo miantsinanana aho, tsy any izy, miankandrefana indray, tsy tazako izy.

9 Manan-draharaha any avaratra izy, tsy hitako, miafina any atsimo, tsy haiko tsinjovina.

10 Fantany anefa ny lalana falehako; raha mizaha toetra ahy izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.

11 Fa nandia ny dian-tongony mandrakariva ny tongotro; nizotra tsy mivily teo amin'ny lalany aho.

12 Tsy nivily niala teo amin'ny didin'ny vavany aho, ary ny sitra-poko nofolahiko nampanekeko ny didin'ny molony.

13 Manana ny heviny anefa izy; ka iza no hampiova azy amin'izay? Izay iriny dia tanterahiny avokoa.

14 Hotanterahiny ary izay efa notendreny ho ahy; ary tsy vitsy ny hevitra toy izany ao aminy.

15 Izany no mampitebiteby ahy eo anatrehany; rahefa mihevitra izany aho, dia matahotra azy.

16 Mandreraka ny foko Andriamanitra; mameno tahotra ahy ny Tsitoha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1488