Bokin'i Joba

Toko faha-23

17 Fa tsy mba ny aizina no mihinana ahy, na ny alina no manarona ny tavako.

Toko faha-24

1 Nahoana no tsy misy fotoana natokan'ny Tsitoha, ary ireo manompo azy tsy mba mahita ny androny?

2 Misy olona mamindra orim-bato, miandry biby fiompy nangalariny,

3 mandroaka ny ampondran'ny kamboty, mitana ny ombin'ny mananotena ho tsatoka,

4 manosika ny mahantra hivily lalana, ka voatery hiery avokoa ny madinika amin'ny tany.

5 Mova tsy ny ampondra dia any an'efitra izy: dia mivoaka izy hanao ny asany, mitady ny rembiny hatramin'ny vao maraina. Ny tany efitra no ahazoany hanina ho an-janany;

6 ny salohim-bary eny an-tsaha no tsongoiny, ary ao an-tanim-boaloboky ny mpampahory azy izy no mifetsy.

7 Mihanjaka izy ireo, ary mandritra ny alina, noho ny fitafiana tsy misy, mandry tsy amam-pirakofana aro hatsiaka.

8 Kotsan'ny ranonorana eny an-tendrombohitra, mitampisaka eny amin'ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.

9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana, maka tsatoka amin'ny olona ory;

10 ka dia miboridana tsy manan-kitafy ireo, noana mivesatra ny amboaram-barin'ny tompo;

11 mamia ny diloilo ao an-trano fitahirizana divay; mangetaheta eo am-pamiazana voaloboka.

12 Misondrotra avy eny an-tanana eny ny feon'ny olona mitoloko, velon-taraina ny ain'ny voaratra, nefa tsy ahoan'Andriamanitra izany heloka bevava izany!

13 Misy miteotra ao amin'ny fahavalon'ny fahazavana, tsy mahalala ny lalany akory, na maharitra mizotra amin'ny sakeli-dalany.

14 Ny mpamono olona mifoha vao mangiran-dratsy, mamono ny ory aman-tsy manana, misodisody alina toa jiolahy.

15 Ny mason'ny mpaka vadin'olona mikendry izay ihavian'ny maizimaizina: tsy misy mahita ahy, hoy izy, dia manao very maso izy.

16 Ny sasany manamy trano amin'ny alina, mihery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy.

17 Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina, satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy.

18 Ah, mitsinkafona ambonin'ny rano, toy ny zava-maivana, ny tsy mivavaka, tsy manana afa-tsy anjara voaozona izy eto an-tany, tsy mba manitsy lalana mankany amin'ny tanim-boaloboka izy.

19 Toy ny ifohan'ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala, no iteleman'ny seoly ny mpanota.

20 Ah, ny kibo nitoerany manadino azy, ny olitra mihinana azy amam-pankafizana, ny olona tsy mahatsiaro azy intsony: tapaka toy ny hazo ny haratsiana.

21 Nandroba ny momba tsy niteraka izy, ary tsy nanisy soa sy mananotena.

22 Ny olo-mahery kosa anefa hozongozonin'ny herin'Andriamanitra: mitsangana izy, dia tsy manampo izay ho velona intsony ireo:

23 ataony matoky tsy manana ahiahy ihany ireo, fa ataony andry maso eny amin'izay alehany.

24 Mba misandratra izy, nefa vetivety, dia tsy eo intsony indray; mianjera sy jinjaina toy ny olon-drehetra, tangosana toy ny salohim-bary.

25 Raha tsy izany no izy, dia iza kosa no hamaky lainga ahy? Iza no hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?

Toko faha-25

1 Dia niteny Baldada avy any Sohe, ka nanao hoe:

2 Azy ny fanapahana sy fampatahorana, fiadanana no ampanjakainy any amin'ny fonenany avo.

3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary zovy no tsy iposahan'ny fahazavany?

4 Ahoana no hahamarina ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ahoana no hahadio izay tera-behivavy?

5 Ny volana aza, latsa-pahazavana, ny kintana aza, tsy madio eo imasony!

6 Ka mainka izay olombelona kankana foana, sy izay zanak'olombelona olitra tsy manjary!

Toko faha-26

1 Dia niteny Joba ka nanao hoe:

2 Akory ity fahaizanao manohana ny osa, sy mamonjy ny tanana reraka!

3 Endrey izato fanoronao ny tsy mahalala, sy izato habetsahan'ny fahendrena asehonao!

4 Iza moa no ilazanao teny? ary avy amin'iza ny fanahy mivoaka ny vavanao?

5 Eo anatrehan'Andriamanitra ny matoatoa mihararetra, any ambanin'ny rano mbamin'ny mponina any.

6 Ny seoly mihanjahanja eo anatrehany, ary ny hantsana tsy misy rakony.

7 Izy no mamelatra ny avaratra eo ambonin'ny habakabaka babangoana, manantona ny tany eo ambonin'ny tsinontsinona;

8 mampihiboka ny rano eo amin'ny rahony; kanefa tsy mitriatra noho ny havesaran'izany ny rahona.

9 Manarona ny tavan'ny seza fiandrianany izy, ka rahona no velariny eo amboniny.

10 Nasiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano, eo amin'ny fisarahan'ny mazava sy ny maizina.

11 Mihozongozozna ny andrin'ny lanitra, sady ankona amin'ny teny mafy ataony.

12 Ny heriny no anaingany ny ranomasina, ny fahendreny no anorotoroany ny avonavona.

13 Ny fofon'ainy no anjarian'ny lanitra ho madio, ary ny tanany no nanao ny menarana mpandositra.

14 Izany no sisintsisin'ny lalany, fimenomenonana malefaka mba rentsika, fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza no mahahaino izany?

Toko faha-27

1 Mbola niteny indray Joba hoy izy:

2 Amin'Andriamanitra velona izay manda tsy hanome rariny ahy, amin'ny Tsitoha izay mameno zava-mangidy ny aiko,

3 raha mbola manam-pofon'aina koa aho, ka mbola eo am-bavoroko ny fofon'ain' Andriamanitra;

4 dia tsy hisy tsy marina hotonoin'ny molotro, tsy hanonon-dainga ny lelako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1465