Ny Salamo
Toko faha-119
124 Ento araka ny hatsaram-ponao ny mpanomponao, ary ampianaro ny lalànao aho.125 Mpanomponao aho, ka omeo fahazavan-tsaina, mba hahalalako ny fampianaranao.
126 Fotoana tokony hiraharahan'ny Tompo izao, fa mandika ny lalànao izy ireo.
127 Noho izany dia tia ny didinao aho, mihoatra ny volamena, sy ny volamena madio.
128 Noho izany dia hitako fa marina avokoa ny didinao; halako ny làlam-pitaka rehetra.
129 PHE Mahagaga ny fampianaranao, ka mitandrina azy ny fanahiko.
130 Mahazava, ny famelarana ny teninao; ka mampahazo saina ny olona tsotra.
131 Atanatanako ny vavako, dia mitroka aho, fa lian-kitelina ny didinao aho.
132 Atodiho ahy ny tavanao, ka mamindrà fo amiko; fa rariny izany ho an'izay tia ny anaranao.
133 Afikiro amin'ny teninao ny diako, ary aza avela hisy haratsiana hanjaka ato amiko.
134 Afaho amin'ny fampahorian'ny olombelona aho, dia hitandrina ny didinao.
135 Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ny lalànao aho.
136 Mandrotsa-dranomaso mandriaka ny masoko, noho ny tsy fitandreman'ny olona ny lalànao.
137 TSADE Marina hianao, ry Iaveh, ary araka ny rariny ny fitsaranao.
138 Namoaka ny fampianaranao hianao araka ny rariny, sy ny fahamarinana lavorary.
139 Mandritra aina ahy ny fahazotoako, satria manadino ny teninao ireo mpanohitra ahy.
140 Voazaha toetra tanteraka ny teninao, ka tia azy ny mpanomponao.
141 Sady kely aho no mavomavo, fa tsy mba manadino ny didinao.
142 Ny fahamarinanao dia fahamarinana mandrakizay, ary ny lalànao dia fahamarinana.
143 Tratry ny fahoriana aman-tebiteby aho; ny didinao no fahafinaretako.
144 Marina mandrakizay ny fampianaranao, omeo ny fahazavan-tsaina aho, mba ho velona.
145 QOPH Miantso anao amin'ny foko rehetra aho, valio aho, ry Iaveh, mba hitandremako ny lalànao.
146 Miantso anao aho, ka vonjeo, mba hanarahako ny fampianaranao.
147 Alohan'ny mazava atsinanana dia efa mitaraina aminao aho; matoky ny teninao aho.
148 Mialoha ny fiambenan'alina ny masoko, mba hisaintsaina ny teninao.
149 Henoy araka ny hatsaram-ponao ny feoko; velomy aho indray, ry Iaveh, araka ny fandaharanao.
150 Efa mby akaiky ireo mpanaraka ny ratsy, izay nihataka tamin'ny lalànao.
151 Akaiky hianao, ry Iaveh, ary fahamarinana avokoa ny didinao.
152 Efa fantatro ela ny amin'ny fampianaranao, fa naorinao ho mandrakizay izy.
153 RESCH Jereo ny fahoriako, ka vonjeo aho; fa tsy manadino ny lalànao aho.
154 Arovy aho amin'ny adiko, ary valio ny ratsy natao tamiko; velomy indray aho araka ny teninao.
155 Lavitra ny ratsy fanahy ny famonjena, satria tsy asiany raharaha ny lalànao.
156 Betsaka ny famindram-ponao, ry Iaveh, velomy indray aho araka ny fandaharanao.
157 Maro ny mpanenjika amam-pandrafy ahy; tsy mba mihataka amin'ny fampianaranao aho.
158 Tsiravina aho, mahita ny mpivadika, satria tsy mba mitandrina ny teninao ireny.
159 Dinihonao fa tiako ny didinao; Iaveh ô, velomy indray aho araka ny hatsaram-ponao.
160 Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao, ary mandrakizay avokoa ny lalàn'ny fahamarinanao.
161 SCHIN Enjehim-panjaka tsy ahoan-tsy ahoana aho; ny teninao no hany atahoran'ny foko.
162 Mifaly amin'ny teninao aho, hoatra ny mahazo babo be.
163 Halako, mahatsiravina ahy ny lainga; tia ny lalànao aho.
164 Midera anao impito isan'andro aho, noho ny lalàn'ny fahamarinanao.
165 Be fiadanana izay tia ny lalànao; ary tsy misy zava-manafintohina azy.
166 Manantena ny famonjena aho, ry Iaveh, ary manaraka ny didinao.
167 Mitandrina ny fampianaranao ny fanahiko, ary miraiki-pitia amin'izany izy.
168 Mitana ny fandaharanao amana fampianaranao aho; fa eo anatrehanao avokoa ny làlako.
169 THAV Ho tonga eo anatrehanao anie ny fitarainako, ry Iaveh ô ; Omeo fahazavan-tsaina araka ny teninao aho.
170 Ho tonga hatrany aminao anie ny fifonako, afaho, araka ny teninao, aho.
171 Hamoaka fiderana anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalànao.
172 Hitory ny teninao anie ny lelako, fa marina avokoa ny didinao.
173 Hivelatra hamonjy ahy anie ny tànanao; fa efa nifidy ny fandaharanao aho.