Ny Salamo

Toko faha-119

174 Maniry ny famonjenao aho, ry Iaveh ô, ary ny lalànao no fahafinaretako.

175 Ho velon-kidera anao anie ny fanahiko, ary ho avy hamonjy ahy ny fitsaranao.

176 Mania toy ny ondry very aho: tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba manadino ny didinao aho.

Toko faha-120

1 Fihirana fiakarana. Tao anatin'ny fahoriako nitaraina tamin'ny Tompo aho, dia nohenoiny.

2 Iaveh ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, amin'ny vava fetsy ratsy.

3 Homena inona sy hahazo vokatra inona hianao, ry lela mpamadika?

4 Zana-tsipìka maranitry ny Mahery, mbamin'ny vain'afon'anjavidy.

5 Endrey, ity manjo ahy mitoetra eto amin'i Meseka, sy monina aty an-dain'i Sedara!

6 Ela loatra no niarahako nitoetra tamin'izay mankahala ny fihavanana.

7 Olona tia fihavanana aho, nefa nony niteny amin'izy ireo dia ny ady no alehan'ny sainy.

Toko faha-121

1 Fihirana fiakarana. Manopy maso eny amin'ny tendrombohitra aho: Avy aiza no hihavian'ny famonjena ahy?

2 Ny famonjena ahy dia avy amin'ny Tompo, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

3 Tsy havelany ho tafintohina ny tongotrao; tsy ho rendremana ilay miambina anao.

4 Tsia, tsy rendremana na matory ilay miambina an'Israely.

5 Iaveh no mpiambina anao, Iaveh no fialofanao, eo an-kavananao.

6 Tsy hisy hamely anao, na ny masoandro amin'ny andro, na ny volana amin'ny alina.

7 Hiaro anao amin'ny ratsy rehetra Iaveh, hiaro ny fanahinao izy.

8 Hiaro anao Iaveh, na mivoaka na miditra hianao, hatramin'izao ka ho mandrakizay.

Toko faha-122

1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe: Andeha isika ho any an-tranon'ny Tompo!

2 indro fa tapitra ny dianay eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

3 Ry Jerosalema, hianao voaorina toy ny tanàna, izay iraisan'ny zavatra rehetra.

4 Ao no iakaran'ny foko, dia ny fokon'ny Tompo, araka ny lalàn'Israely, mba hidera ny anaran'ny Tompo.

5 Voapetraka ao ny seza fitsarana, dia ny sezan'ny fianakavian'i Davida.

6 Manaova fanirian-tsoa ho an'i Jerosalema: ho sambatra anie ilay tia anao!

7 Hanjaka ao anatin'ny mandanao anie ny fiadanana, ary ao an-dapanao ny fanambinana.

8 Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako, dia mangataka fiadanana ho anao aho.

9 Noho ny tranon'Andriamanitsika, dia maniry fahasambarana ho anao aho.

Toko faha-123

1 Fihirana fiakarana. Miandrandra anao ny masoko, dia hianao izay mitoetra any an-danitra.

2 Toy ny ibanjinan'ny mason'ny ankizilahy ny tànan'ny tompolahiny, sy ny mason'ny ankizivavy ny tànan'ny tompovaviny, no ibanjinan'ny masontsika an'ny Tompo Andriamanitsika, mandra-pamindra fony amintsika.

3 Mamindrà fo aminay, ry Iaveh ô, mamindrà fo aminay, fa efa tototry ny faniratsirana izaitsizy izahay.

4 Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan'ny mpirehareha, ny fanevatevan'ny mpiavonavona.

Toko faha-124

1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy nomba antsika Iaveh, - aoka Israely hitory izany, -

2 raha tsy nomba antsika Iaveh, fony nitsangan-kamely antsika ny olona...

3 ho nateliny velona mihitsy isika, raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4 ho natelin'ny rano isika, ho nandeha teo ambonin'ny fanahintsika ny riaka be.

5 Tao ambonin'ny fanahintsika no ho nandehanan' ny rano mirimorimo.

6 Isaorana anie Iaveh, fa tsy natolony tamin'ny nifin'ireo isika.

7 Afaka ny fanahintsika toy ny fody nitsoaka tamin'ny fandrika haraton'ny mpihaza: tapaka ny fandrika dia afaka isika.

8 Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'ny Tompo, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Toko faha-125

1 Fihirana fiakarana. Izay mitoky amin'ny Tompo, dia tahaka ny tendrombohitra Siona; tsy mba mangozohozo izy, fa miorina mandrakizay.

2 Jerosalema mihetra tendrombohitra manodidina azy: Iaveh manodidina ny vahoakany toy izany koa, hatramin'izao ka ho mandrakizay.

3 Tsy hitoetra eo amin'ny lovan'ny marina ny tehim-panjakan'ny ratsy fanahy, mba tsy hanaingan'ny olo-marina, ny tànany hanao ratsy koa.

4 Iaveh ô, totofy soa ny tsara fanahy, sy ny mahitsy fo.

5 Fa raha ireo mivily amin'ny làla-miolikolika kosa, aoka izy hafoin'ny Tompo miaraka amin'izay manao ratsy. Fiadanana anie ho amin'Israely!

Toko faha-126

1 Fihirana fiakarana. Fony Iaveh nampody ny voababon'i Siona, dia toa nofy izany ho antsika.

2 Tamin'izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizany izao no am-bentin-teny amin'ny firenena: Nanao zava-dehibe ho azy ireo Iaveh.

3 Eny, nanao zava-dehibe ho antsika tokoa Iaveh; ka revon-kafaliana isika.

4 Iaveh ô, avereno ny anay voababo, toy ny ampandehananao ny ranon-driaka ao amin'ny negeba.

5 Izay mamafy amin-dranomaso, hijinja amin-kafaliana.

6 Mandeha izy, mandeha amim-pitomaniana, mitondra sy mamafy ny voa famafiny. Hiverina kosa izy manao hobin-kafaliana, mitondra ny amboara avy amin'ny fijinjany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1605