Ny Salamo

Toko faha-127

1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Salomona. Raha tsy Iaveh no manorina ny trano, miasa foana izay manorina azy. Raha tsy Iaveh no miambina ny tanàna, miari-tory foana eo am-bavahadiny ny mpiambina.

2 Tsy misy vokany ny fifohazanareo mbola tsy mipoaka ny andro, sy ny iaorianam-pandriana, mihinana ny hanim-pahoriana. Fa ny malalany dia omeny tsy latsaka izany eo am-patoriany fotsiny.

3 Indro fa lova avy amin'ny Tompo ny zanaka; valisoa ny aloaky ny kibo miteraka.

4 Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan'ny mpiady, toy izany koa ny zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'izany, fa tsy ho menatra raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.

Toko faha-128

1 Fihirana fiakarana. Sambatra ny lehilahy matahotra an'ny Tompo, izay mandeha amin'ny làlany.

2 Mihinana ny asan-tànanao hianao amin'izany, ka dia sambatra sy voky soa.

3 Ny vadinao manahaka ny voaloboka mahavanom-boa, ao an-tokantranonao. Ny zanakao manahaka ny zanak'oliva manodidina ny latabatrao.

4 Toy izany no hitahiana ny lehilahy matahotra an'ny Tompo.

5 Iaveh anie hanambina anao, avy ao Siona! Enga anie ka hahita an'i Jerosalema miadana tsara hianao, amin'ny andro rehetra hiainanao!

6 Hahita ny zanaky ny zanakao anie hianao! Ho amin'Israely anie ny fiadanana!

Toko faha-129

1 Fihirana fiakarana. Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho; -aoka Israely hilaza izany! -

2 Nampahoriny mafy, hatry ny fony mbola tanora aho, nefa tsy naharesy ahy izy ireo.

3 Nolahasainy ny lamosiko, nosoritany vava asa lava ao.

4 Marina anefa Iaveh, ka notapahiny ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy.

5 Aoka ho menatra sy hiamboho eny, izay rehetra mankahala an'i Siona!

6 Aoka hanahaka ny ahitra an-tafon-trano izy, izay malazo alohan'ny hanongotana azy.

7 Ny mpijinja tsy mahafeno tànana amin'izany, sy ny mpamehy amboara ny ampofoany.

8 Ary ny mpandalo tsy mba manao hoe: Ho aminao anie ny fitahian'ny Tompo! - Mitso-drano anareo amin'ny anaran'ny Tompo izahay.

Toko faha-130

1 Fihirana fiakarana. Ato am-body hantsana aho no miantso anao, ry Iaveh. Tompo ô, henoy ny feoko;

2 aoka ny sofinao anie hihaino ny feon'ny fivavahako.

3 Raha mitana ny fahatsiarovana ny heloka hianao, ry Iaveh, iza no haharitra, Tompo ô?

4 Fa ao aminao ny famelan-keloka, mba hanajan'ny olona anao.

5 Manantena an'ny Tompo aho, manantena ny fanahiko, ary miandry ny teniny aho.

6 Maniry ny Tompo ny fanahiko, mihoatra noho ny anirian'ny mpiambina ny fipoahan'ny andro.

7 Apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao, ry Israely, fa ao amin'ny Tompo no misy ny famindram-po; ao aminy no misy fanafahana mihoa-pampana.

8 Izy no hanavotra an'Israely amin'ny helony rehetra.

Toko faha-131

1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Iaveh ô, tsy mba nivontom-piavonavonana ny foko, tsy mba niandranandrana ny fijeriko, tsy mba mikarokaroka zavatra ambony aho, na izay avo mihoatra noho izaho.

2 Tsy izany fa mitana ny fanahiko amin'ny fiononana sy fahanginana aho, toy ny zaza vao notazana eo ampofoan-dreniny, toy ny zaza vao notazana ny fanahiko ato anatiko.

3 Apetraho amin'ny Tompo ny fitokianao, ry Israely, ankehitriny sy mandrakizay!

Toko faha-132

1 Fihirana fiakarana. Ry Iaveh, tsarovy Davida, sy ny fahasahiranany rehetra!

2 Izao no fianianana nataony tamin'ny Tompo, izao no voadiny tamin'ny Maherin'i Jakoba:

3 Tsy hiditra ao an-day fitoerako aho, na hiakatra eo am-parafara fialako sasatra,

4 na hamela ny masoko hatory, na ny hodi-masoko ho rendremana akory,

5 mandra-pahitako fitoerana ho an'ny Tompo, sy fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.

6 Indro rentsika fa hoe any Efrata izy; hitantsika tany an-tsahan'i Jaara izy.

7 Andeha ho ao amin'ny tabernaklan'ny Tompo, miankohofa eo anatrehan'ny lampihazo fitoeran-tongony isika.

8 Mitsangàna, ry Iaveh, avia eto amin'ny fitoerana fitsaharanao, hianao sy ny fiaran'ny fiandriananao!

9 Hitafy fahamarinana anie ny mpisoronao, ary hihoby amim-piravoravoana anie ny mpino anao.

10 Noho ny amin'i Davida mpanomponao, aza manifika ny tavan'ny Voahosotrao.

11 Iaveh nianiana marina tamin'i Davida, ka tsy hitsoaka amin'izany: Ny ateraky ny kibonao, no hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao.

12 Raha tandreman'ny zanakao ny fanekeko, mbamin'ny didy hampianariko azy, dia hipetraka mandrakizay, eo amin'ny seza fiandriananao koa ny zanany.

13 Fa Iaveh efa nifidy an'i Siona, sy naniry azy ho fonenany.

14 Ity no toerana fitsaharako mandrakizay; eto no honenako fa efa niriko.

15 Horotsahako fanambinana sesehena ny fivelomany; hovokisako hanina ny mahantrany.

16 Hotafiko famonjena ny mpisorony; ary hihoby amim-piravoravoana ny mpino ao.

17 Hohalehibeziko ao ny fahefan'i Davida; hamboatra fanilo ho an'ny Voahosotro aho.

18 Hofonosiko henatra ny fahavalony, ary hamirapiratra eo an-kandriny kosa ny satro-boninahiny.

Toko faha-133

1 Fihirana fiakarana. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mamy, ho an'ny mpirahalahy ny miara-monina!

2 Tahaka ny diloilo sarobidy aidina eo an-doha izany; ka mitsororoka amin'ny somotra, dia amin'ny somotr'i Aarona, sy midina amin'ny sisin'akanjony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1651