Ny Salamo

Toko faha-133

3 Manahaka ny andon'i Hermona izany, izay milatsaka eo amin'ny tampon'i Siona; fa ao no nanorenan'ny Tompo ny fitahiana, ny fiainana ho mandrakizay.

Toko faha-134

1 Fihirana fiakarana. Aoka hisaotra an'ny Tompo àry hianareo rehetra mpanompon'ny Tompo, izay manao fanompoana ao an-tranon'ny Tompo, mandritra ny alina.

2 Manandràta tànana ho amin'ny fitoerana masina, ary misaora an'ny Tompo.

3 Hitahy anao avy ao Siona anie Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Toko faha-135

1 Aleloia! - Miderà ny anaran'ny Tompo, miderà azy hianareo mpanompon'ny Tompo,

2 hianareo manao fanompoana ao an-tranon'ny Tompo, eo an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.

3 Miderà an'ny Tompo fa tsara Iaveh, mihirà ny anarany amin'ny harpa, fa mamy tanteraka.

4 Fa Iaveh efa nifidy an'i Jakoba ho azy, sy an'Israely ho lovany.

5 Eny, fantatro, lehibe Iaveh, ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.

6 Manao izay tiany rehetra Iaveh, eny an-danitra sy ety ambonin'ny tany, any an-dranomasina sy any amin'ny hantsana rehetra.

7 Mampiakatra ny zavona avy amin'ny faran'ny tany izy; mandefa ny tselatra aman-dranonorana, mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

8 Namono ny voalohan-terak'i Ejipta izy fahiny, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby.

9 Naneho famantarana amam-pahagagana izy, teo afovoanao, ry Ejipta, namelezany an'i Faraona sy ny mpanompony rehetra.

10 Firenena maro no nasiany, ary mpanjaka mahery no novonoiny:

11 Sehona mpanjakan'ny Amoreana, Oga mpanjakan'i Basàna, mbamin'ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,

12 ka natolony ho lova ny tanin'ireo, dia ho lovan'Israely vahoakany.

13 Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny anaranao: Iaveh ô maharitra amin'ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana anao.

14 Fa manome rariny ny vahoakany Iaveh, ary miantra ny mpanompony izy.

15 Ny sampin'ny firenena dia volafotsy amam-bolamena, asa-tànan'olombelona.

16 Manam-bava fa tsy miteny izy; mana-maso fa tsy mahita;

17 manan-tsofina fa tsy mahare izy, tsy misy fofon'aina akory aza ny vavany.

18 Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy, na iza na iza mitoky aminy!

19 Misaora an'ny Tompo, ry taranak'Israely! Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Aarona!

20 Misaora an'ny Tompo, ry taranak'i Levì! Misaora an'ny Tompo, hianareo matahotra an'ny Tompo!

21 Hisaorana avy ao Siona anie Iaveh, izay mitoetra ao Jerosalema! Aleloia!

Toko faha-136

1 Manomeza voninahitra an'ny Tompo, fa tsara izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

2 Manomeza voninahitra an'Andriamanitry ny andriamanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.

3 Manomeza voninahitra ny Tompon'ny tompo, fa mandrakizay ny famindram-pony.

4 Izay hany mahavita fahagagana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony.

5 Izay nanao ny lanitra tamim-pahendrena, fa mandrakizay ny famindram-pony.

6 Izay namelatra ny tany eo ambonin'ny rano, fa mandrakizay ny famindram-pony.

7 Izay nanao ireo fahazavana lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony.

8 Ny masoandro, ho mpanapaka ny andro, fa mandrakizay ny famindram-pony.

9 Ny volana aman-kintana, ho mpanapaka ny alina, fa mandrakizay ny famindram-pony.

10 Izay namely ny Ejipsiana tamin'ny voalohan-terany, fa mandrakizay ny famindram-pony.

11 Nitondra an'Israely hivoaka avy teo aminy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

12 Tamin'ny tànana mahery sy tamin'ny sandry nahinjitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.

13 Izay nampisaraka roa ny ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony.

14 Dia nitondra an'Israely namaky teo afovoany, fa mandrakizay ny famindram-pony.

15 Ary namarina an'i Faraona sy ny tafiny tao amin'ny ranomasina Mena, fa mandrakizay ny famindram-pony.

16 Izay nitondra ny vahoakany tany an'efitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.

17 Izay namely mpanjaka lehibe, fa mandrakizay ny famindram-pony.

18 Ary nahafaty mpanjaka mahery, fa mandrakizay ny famindram-pony.

19 Sehona mpanjakan'ny Amoreana, fa mandrakizay ny famindram-pony.

20 Sy Oga mpanjakan'i Basàna, fa mandrakizay ny famindram-pony.

21 Izay nanome ny tanin'ireny, ho lova, fa mandrakizay ny famindram-pony.

22 Dia ho lovan'Israely mpanompony, fa mandrakizay ny famindram-pony.

23 Izay nahatsiaro antsika, nony voaetry isika, fa mandrakizay ny famindram-pony.

24 Ka nanafaka antsika tamin'ny mpampahory antsika, fa mandrakizay ny famindram-pony.

25 Izay manome hanina ny velona rehetra, fa mandrakizay ny famindram-pony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2195