Ny Salamo
Toko faha-136
26 Manomeza voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra, fa mandrakizay ny famindram-pony.
Toko faha-137
1 Teo amoron'ny onin'i Babilona, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an'i Siona.2 Teo amin'ny hazo malahelo eo an-dohasahany, no nahantonay ny harpanay.
3 Fa teo izahay dia nangatahan'ireo nitana anay am-pahababoana, hanao hiram-pivavahana sy hira fiderana; nangatahin'ireo mpampahory anay hira fifaliana izahay: Manaova hiran'i Siona ho anay hianareo.
4 Hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny Tompo any an-tanin'ny olona hafa firenena?
5 Na oviana na oviana raha manadino anao aho, ry Jerosalema, aoka hanadino tsy hahetsika ny tànako ankavanana!...
6 Aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako, raha mitsahatra ny mihevitra anao aho, raha tsy Jerosalema no ataoko loha laharana amin'ny fifaliako!
7 Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak'i Edoma, fony tamin'ny andron'i Jerosalema, dia hoy ireny: Ravao! ravao! izy, hatramin'ny fotony!
8 Ry zanakavavin'i Babilona voatolotra ho amin'ny fandringanana, sambatra izay hamaly anao, araka ny ratsy nataonao taminay.
9 Sambatra izay hisambotra sy hanorotoro, ny zanakao madinika amin'ny vato!
Toko faha-138
1 Nataon'i Davida. Sitrako ny midera anao amin'ny foko rehetra, sy hihira ho anao amin'ny harpa eo anatrehan'ireo andriamanitra.2 Sitrako ny miankohoka eo an-tempolinao masina, sy hankalaza ny anaranao, noho ny hatsaram-ponao amam-pahamarinanao, fa nanao fampanantenana lehibe hianao, mihoatra noho ny voninahitry ny anaranao.
3 Tamin'ny andro niantsoako anao naneky ahy hianao, naverinao amin'ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
4 Hidera anao, Iaveh, ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, rahefa mandre ny teny to naloaky ny vavanao.
5 Hankalaza ny làlan'ny Tompo izy ireo, fa lehibe ny voninahitry ny Tompo.
6 Fa avo Iaveh ka mijery ny iva toetra, ary fantany eny lavitra eny, ny mpiavonavona.
7 Raha mizotra eo afovoan'ny fahoriana aho, dia velominao indray, maninji-tànana hanohana ny hatezeran'ny fahavaloko hianao, ary mamonjy ahy ny tànanao ankavanana.
8 Hotanterahin'ny Tompo izay nataony ho ahy, Iaveh ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao: Aza mahafoy ny asan-tànanao!
Toko faha-139
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Nataon'i Davida. Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako; tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
3 Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry, ary mahazatra anao ny làlako rehetra.
4 Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza, efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
5 Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko hianao, ary apetrakao amiko ny tànanao.
6 Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany, ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
7 Aiza no halehako lavitra ny fanahinao, aiza no handosirako lavitra ny tavanao?
8 Raha miakatra any an-danitra aho, any hianao, raha mandry any amin'ny seoly aho, indro ao hianao.
9 Raha maka ny elatry ny maraina aho, ka mandeha hitoetra any am-paran'ny ranomasina,
10 ny tànanao ihany koa no hitarika ahy any, ary ny tànanao ankavanana no hihazona ahy.
11 Ka milaza aho hoe: Ny aizina ahay mba hanarona ahy, ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...
12 Tsy misy maizina ho anao, na ao amin'ny aizina aza, mamiratra toy ny andro ho anao ny alina, ary ny aizina toy ny fahazavana.
13 Hianao no namorona ny voako, sy nanenona ahy tao an-kibon'ineny.
14 Midera anao aho, amin'ny nanaovanao ahy ho zava-boahary mahagaga loatra: mahagaga ny asanao, ary mamin'ny fanahiko ny mieky izany.
15 Tsy niafina taminao ny tenako, tamin'ny namoronana ahy tao amin'ny miafina, voatenona tamim-pahaizana, tao amin'ny fanambanin'ny tany.
16 Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan'ny masonao, ary voasoratra teo amin'ny bokinao avokoa, ny andro voatendry hiainako, talohan'ny tsy mbola nisiany akory.
17 Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao! Endrey, izany hamaroany!
18 Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan'ny fasika ny isany; nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
19 Andriamanitra ô tsy handringana ny ratsy fanahy va hianao? Mialà amiko hianareo mpandatsa-dra!
20 Fiteny mahameloka no iresahany anao, manonom-poana ny anaranao ireo fahavalonao ireo.
21 Ry Iaveh , tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala anao, sy manao ho zava-betaveta an'ireo mitsangan-kanohitra anao?
22 Halako dia halako tanteraka tokoa ireny, fahavaloko izy ireny, raha izaho.
23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!
24 Jereo raha eo amin'ny làlan-dratsy aho, dia tariho eo amin'ny làlana mandrakizay.
Toko faha-140
1 Ho an'ny mpampianatra hira. Salamon'i Davida.2 Iaveh ô, afaho amin'ny olon-dratsy aho, arovy amin'ny olona mpanao an-keriny aho.
3 Izay mieritreritra hevitra ratsy ao am-pony, izay manangana ady amiko lalandava;
4 izay mandranitra ny lelany toy ny menarana, sady misy poizin'aspika ao ambany molony. - Selà.
5 Iaveh ô, ambeno amin'ny tànan'ny ratsy fanahy aho, arovy amin'ny olona mpanao an-keriny aho, izay mitetika ny hanafintohina ahy.
6 Misy mpiavonavona mamela-pandrika harato hamandrihana ahy; mametra-pandrika harato manaraka ny làlan-kalehako; ary manao otrika hamelezana ahy. - Selà.
7 Hoy aho amin'ny Tompo: Andriamanitro hianao, henoy ny feon'ny fitarainako, ry Iaveh!
8 Iaveh Tompo ô, mpamonjiko mahery, manarona ny lohako amin'ny andro fiadiana hianao.