Ny Salamo
Toko faha-140
9 Ry Iaveh, aza tanterahinao ny fanirian'ny ratsy fanahy, aza havela hahomby ny hevi-dratsiny; dia ireharehany loatra izany. - Selà.10 Ny lohan'ireo izay manemitra ahy anie, no hianjeran'ny ratsy tononin'ny molony.
11 Aoka hanintsanana vainafo mivaivay eo ambonin'izy ireo! Havarin'Andriamanitra any amin'ny afo anie izy!
12 Tsy hambinina ny mpanendrikendrika eto ambonin'ny tany, ary hozoin-doza, tsy hamindrana fo, ny mpanao an-keriny.
13 Fantatro fa omen'ny Tompo hitsiny ny fadiranovana, ary omeny rariny ny mahantra.
14 Eny, hankalaza ny anaranao ny marina, ary honina eo anatrehan'ny tavanao ny olo-mahitsy.
Toko faha-141
1 Salamon'i Davida. Iaveh ô, miantso anao aho, tongava faingana amiko hianao; atongilano ny sofinao amin'ny feoko, raha miantso anao aho.2 Aoka ho eo anatrehanao toy ny emboka anie ny fivavahako. ary koa ny fanandratako tanana izay toy ny fanatitra takariva !
3 Iaveh ô, asio fiambenana eo amin'ny vavako; ary mpitily eo am-baravaran'ny molotro.
4 Aza atongilanao amin'ny ratsy ny foko, na hilozoka amin'ny asa ratsy, miaraka amin'ny olona mpanao ratsy.
5 Raha ny marina no mamely ahy, tombontsoa ho ahy izany; raha izy no mananatra ahy, diloilo manitra eo an-dohako izany, ka tsy holavin'ny lohako, fa amin'izay ny fivavahako no hany hanoherako ny hevi-dratsin'ireny.
6 Nefa tsy ho ela dia havarina, manaraka ny vatolampy, ny lehiben'ireny; ary handre ny teniko ny olona, fa mahafinaritra izany.
7 Toy ny fanoritra sy fihevon'ny asa ny tany, no famafy ny taolantsika teo am-bavan'ny seoly.
8 Fa hianao no andrandrain'ny masoko, Iaveh Tompo ô; ao akaikinao no itadiavako fialofana: aza mahafoy ny fanahiko!
9 Arovy amin'ny fandrika amandrihany ahy aho, dia amin'ny fanotrehan'ireo mpanao ratsy.
10 Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka amin'ny fandrika nataony; fa izaho kosa izay dia ho afaka amin'izany.
Toko faha-142
1 Fihirana nataon'i Davida: Fony izy tao amin'ilay zohy. Fivavahana.2 Mitaraina amin'ny Tompo amin'ny feoko aho, mitalaho amin'ny Tompo amin'ny feoko:
3 Mamboraka eo anatrehany ny fitarainako aho, mamosaka eo anatrehany ny fahoriako.
4 Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatrao ny làlako, fantatrao fa any an-dàlana izorako, amelaran'ireny fandrika hamelezana ahy.
5 Topazo maso eo ankavanana ka zahao: tsy misy mahalala ahy akory; ny fialofako tsy misy velively, tsy ahoan'ny olona akory ny aiko.
6 Mitaraina aminao aho, ry Iaveh, hoy aho: Hianao no fialofako, anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
7 Atongilano ny sofinao amin'ny fitarainako, fa fadiranovana efa izaitsizy aho, afaho amin'ireo manenjika ahy aho, fa mahery noho izaho izy ireo.
8 Esory amin'ity tranomaizina ity ny fanahiko, mba hankalazako ny anaranao, hahazo voninahitra miaraka amiko ny marina, noho ny nanasoavanao ahy.
Toko faha-143
1 Salamon'i Davida. Iaveh ô, henoy ny fivavahako; atongilano ny sofinao amin'ny fitalahoako; valio vavaka aho, amin'ny fahitsianao amam-pahamarinanao.2 Aza mifandahatra amin'ny mpanomponao amin'ny fitsarana, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
3 Mitady ny aiko ny fahavalo, manitsaka ny aiko amin'ny tany izy; asesiny ao amin'ny fitoerana maizina aho, mova tsy olona efa maty ela!
4 Reraka ny fanahiko ato amiko, mitebiteby ny foko ato an-kiboko.
5 Heveriko ny andro taloha, sainiko ny asanao rehetra, eritreretiko ny asan-tànanao.
6 Mananty tànan-droa aminao aho, ka maniry anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà.
7 Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.
8 Ampandreneso faingana ny hatsaram-ponao aho, fa hianao no itokisako; atoroy ny làlana tokony halehako aho, fa any aminao no hanondrotako ny fanahiko.
9 Afaho amin'ny fahavaloko aho, ry Iaveh, fa ao aminao no ialofako.
10 Ampianaro hanao ny sitra-ponao aho fa hianao no Andriamanitro. Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy, eo amin'ny làla-mahitsy.
11 Iaveh ô, velomy aho, noho ny anaranao, esory amin'ny fahoriana ny fanahiko, noho ny fahamarinanao.
12 Fongory ny fahavaloko, noho ny hatsaram-ponao; ary aringano avokoa izay mampahory ahy, fa mpanomponao aho.
Toko faha-144
1 Nataon'i Davida. Isaraona anie Iaveh vatolampiko, izay nampianatra ny tànako hiady, ary ny rantsan-tànako hiantafika.2 Mpanao soa ahy aman-trano mimandako, fialofako avo amam-panafaka ahy, ampingako amam-pialofako, izay mandamina ny vahoakako hanoa ahy!
3 Iaveh ô, inona moa ny olombelona no mba heverinao, ny zanak'olombelona, no mba ahinao?
4 Tahaka ny tso-drivotra ihany ny olombelona; tahaka ny aloka mandalo foana ny androny.
5 Iaveh ô, aondreho ny lanitrao, ka midìna; tendreo ny tendrombohitra dia aoka hirehitra izy.
6 Aoka hianao hampanjopiaka ny tselatra ka hampiparitaka ny fahavalo; alefaso ny zana-tsipìkanao, ka ampifanaritaho ireny.
7 Ahinjiro avy any ambony ny tànanao, ka afaho sy vonjeo aho amin'ny rano be, amin'ny tànan'ireo tarana-pirenen-kafa,
8 izay mamoaka lainga ny vavany, ary tànana ankavanana mivadika no tànana ankavanana.
9 Andriamanitra, hihira fihiram-baovao ho anao aho, hankalaza anao amin'ny valiha tory folo aho.
10 Hianao izay nanome fandresena ny mpanjaka, sy namonjy an'i Davida mpanomponao amin'ny sabatra mahafaty,
11 dia afaho sy vonjeo aho amin'ny tànan'ireo tarana-pirenen-kafa, izay mamoaka lainga ny vavany, ary tànana ankavanana mivadika no tànany ankavanana.
12 Hanahaka ny zanakazo mirobona anie ny zanakay lahy ka hitombo mandritra ny fahatanorany. Hanahaka ny andry fehizoro anie ny zanakay vavy, misy sarin-javatra voasokitra, toy ny amin'ny tempoly!
13 Ho feno mandrakariva anie ny sompitray, ka ho hipoka vokatra isan-karazany. Ny ondrinay eny an-tanimbilonay anie hitombo arivoarivo sy alinalina,
14 ary ny ombinay hahavanona anaka. Aza misy ao anatin'ny mandanay na fahabangana na fikoizana, aza misy re eny amin'ny kianjanay anie ny antso vonjy taitra!