Ny Salamo
Toko faha-144
15 Sambatra ny firenena, miarana amin'izany zava-tsoa izany. Sambatra ny firenena manana an'ny Tompo ho Andriamaniny.
Toko faha-145
1 Hira fiderana. Nataon'i Davida. ALEPH Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria.2 BETH Sitrako ny misaotra anao isan'andro, sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria!
3 GHIMEL Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany!
4 DALETH Ny taona rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona.
5 HE Hihira ny famirapiratan'ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga.
6 VAV Horesahin'ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao.
7 ZAIN Hambaran'ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazaina ny fahamarinanao.
8 HETH Mamindra fo sy miantra Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po.
9 TETH Tsara fo amin'ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin'ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony.
10 YOD Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra anao ny mpino anao.
11 KAPH Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao;
12 LAMED mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra.
13 MEM Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin'ny taona rehetra ny fanapahanao.
14 SAMECH Manohana an'izay rehetra lavo Iaveh, ary mampitraka an'izay rehetra mitanondrika.
15 AIN Mitodika miandry anao ny mason'ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin'ny fotoany izy.
16 PHE Sokafanao ny tànanao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra.
17 TSADE Marina amin'ny làlany rehetra Iaveh, ary mamindra fo amin'ny asany rehetra.
18 KOPH Eo akaikin' izay rehetra miantso azy Iaveh, dia izay rehetra miantso azy amin'ny fony tokoa.
19 RESCH Manatanteraka ny fanirian'izay matahotra azy izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
20 SCHIN Miambina izay rehetra tia azy Iaveh, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra.
21 THAV Aoka ny vavako hitory fiderana an'ny Tompo, ary ny nofo rehetra hisaotra ny anarany masina mandrakizay doria!
Toko faha-146
1 Aleloia Midera an'ny Tompo, ry fanahiko.2 Sitrako ny midera an'ny Tompo, amin'ny andro rehetra iainako; sitrako ny mihira ho an'Andriamanitra raha mbola velona koa aho.
3 Aza mametraka ny fitokianareo amin'ny mpanapaka, na amin'ny zanak'olombelona izay tsy mahavonjy;
4 fa miala ny fofon'ainy, dia miverina amin'ny vovony izy, ary amin'izay andro izay ihany dia levona ny hevitra kasainy.
5 Sambatra izay manana ny Andriamanitr'i Jakoba ho famonjena azy sy mametraka ny fitokiany amin'ny Tompo Andriamaniny.
6 Iaveh nanao ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy; maharitra amin'ny tsy fivadihany izy.
7 Manome rariny an'izay ampahoriana, manome hanina an'izay noana; Iaveh manafaka an'izay voababo;
8 Iaveh mampihiratra ny jamba; Iaveh mampitraka ny mitanondrika; Iaveh tia ny marina;
9 Iaveh miaro ny mpivahiny; manohana ny kamboty amam-pitondratena izy; fa mampiolakolana ny làlan'ny ratsy fanahy kosa.
10 Mpanjaka mandrakizay Iaveh, Andriamanitrao amin'ny taona mifandimby izy, ry Siona. Aleloia!
Toko faha-147
1 Aleloia! Miderà an'ny Tompo, fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika, fa mamy sy mendrika ny midera azy.2 Manangana an'i Jerosalema indray Iaveh, angoniny ireo tafaely avy tamin'Israely.
3 Sitraniny ireo torotoro fo, ary feheziny ny ferin'izy ireo.
4 Manisa ny isan'ny kintana izy, ary tononiny samy amin'ny anarany avy izy rehetra.
5 Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny; sady tsy manam-petra ny fahalalany.
6 Manati-bonjy ho an'ny manetry tena Iaveh, fa manetry ny ratsy fanahy amin'ny tany kosa.
7 Manaova hira fisaorana ho an'ny Tompo; mankalazà ny Andriamanitsika amin'ny harpa!
8 Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amononany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra izy.
9 Manome hanina ny biby fiompy, sy ny zana-goaika mitaraina aminy izy.
10 Tsy ny herin'ny soavaly no ankasitrahany, na ny tongotr'olombelona no mahafinaritra azy,
11 fa ny fankasitrahan'ny Tompo dia ireo matahotra azy, ireo manantena ny hatsaram-pony.
12 Ry Jerosalema ô, mankalazà ny Iaveh, ry Siona ô, miderà ny Andriamanitrao.
13 Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao, hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
14 Ataony mandry fahizay ny vava taninao, vokisany vary tsara indrindra hianao.
15 Mandefa ny teniny ho amin'ny tany izy, faingana dia faingana no fandehan'ny teniny.
16 Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon'ondry izy, ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.
17 Atsipiny am-bakivakiny ny vongan-dranomandriny, ka zovy no mahatoha ny hatsiakany?
18 Mandefa ny teniny izy, dia mampiempo an'ireny, mampifofofofo ny rivony izy, dia mandriaka ny rano.