Ny Salamo

Toko faha-147

19 Izy no nanambara ny teniny tamin'i Jakoba, sy ny didiny amam-pitsipiny tamin'Israely.

20 Tsy mba nanao toy izany tamin'ny firenena hafa rehetra izy, ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny. Aleloia!

Toko faha-148

1 Aleloia! Miderà an'ny Tompo any an-tampon'ny lanitra, miderà azy any ambony any!

2 Miderà azy hianareo anjeliny rehetra, miderà azy hianareo tafiny rehetra!

3 Miderà azy ry masoandro amam-bolana; miderà azy hianareo kintana mamirapiratra rehetra.

4 Miderà azy ry lanitry ny lanitra ary hianareo rano ambonin'ny lanitra.

5 Aoka hidera ny anaran'ny Tompo ireo: fa mandidy izy, dia hary izy ireo.

6 Nampitoetra ireo mandrakizay doria izy, ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.

7 Miderà an'ny Tompo etý an-tany, ry biby goay be anaty ranomasina, mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,

8 afo aman-kavandra, oram-panala aman'entona, rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,

9 tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra, hazo fihinam-boa mbaminareo havoana sedera rehetra,

10 biby dia amam-biby fiompy isan-karazany; biby mandady amam-boro-manan'elatra,

11 mpanjakan'ny tany mbamin'ny vahoaka rehetra, mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin'ny tany,

12 zatovolahy sy virjiny tanora, lahiantitra sy zaza.

13 Aoka hidera ny anaran'ny Tompo izy ireo, fa ny anarany no hany lehibe, ny voninahiny dia ambonin'ny lanitra sy ny tany.

14 Nanandratra ny fahefan'ny vahoakany izy, foto-piderana amin'izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin'ny zanak'Israely firenena akaiky azy. Aleloia!

Toko faha-149

1 Aleloia! Mihirà fihiram-baovao ho an'ny Tompo: hanakoako eo amin'ny fiangonan'ny olomasina anie ny fiderana azy!

2 Hifaly amin'ny Mpahary azy anie Israely, hientan-karavoana amin'ny Mpanjakany anie ny zanak'i Siona!

3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihiny; aoka hihira azy amin'ny ampongatapaka sy ny harpa!

4 Fa ankasitrahan'ny Tompo ny vahoakany; manome voninahitra ny ambany toetra, amin'ny famonjeny azy izy.

5 Mandresy amim-boninahitra ny mpino, mientan-kafaliana eo am-pandriany izy ireo.

6 Eo am-bavany ny fiderana an'Andriamanitra, ary eo an-tànany ny sabatra roa lela.

7 Mba hanao famaliana an'ireo firenena, sy hamay an'ireo vahoaka,

8 mba hamatotra ny mpanjakan'ireny amin'ny gadra, ary ny olo-malazan'ireny amin'ny gadra vy;

9 mba hampihatra amin'izy ireo ny teny fitsarana voasoratra: Voninahitra voatokana ho an'ny mpino azy rehetra izany. Aleloia!

Toko faha-150

1 Aleloia! Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina! Miderà azy amin'ny fitoeran'ny fahefany!

2 Miderà azy noho ny asa nataony amin-kerim-po! Miderà azy araka ny fahalehibeazany tsy hita noanoa!

3 Miderà azy amin'ny feon-trompetra! Miderà azy amin'ny harpa aman-dokanga!

4 Miderà azy amin'ny dihy miaraka amin'ny ampongatapaka! Miderà azy amin'ny sodina aman-java-maneno tendrena!

5 Miderà azy amin'ny kipantsona mazava feo! miderà azy amin'ny kipantsona mikarantsana!

6 Aoka hidera an'ny Tompo ny manam-pofon'aina rehetra! Aleloia!

Bokin'ny Ohabolana

Toko voalohany

1 Ohabolan'i Salomona, zanak'i Davida, mpanjakan'Israely:

2 hahalalana ny fahendrena amam-pahaizana, hahafantarana ny lahateny misy saina;

3 hahazoana fampianarana mazava, ny fahamarinana, ny rariny, ary ny hitsiny;

4 hanomezam-pahafantarana ny kely saina, ary fahalalana sy fandinihana ho an'ny tanora.

5 Aoka hihaino ny hendry, dia hitombo fahalalana izy; ary ny manantsaina, hahalala torohevitra feno fahamalinana,

6 dia ho fantany ny ohabolana aman-teny saro-pantarina, ny oha-teny sy ny ankamantatry ny olon-kendry.

7 Ny fahatahorana an'ny Tompo no fiandohan'ny fahendrena; fa ny adala manamavo ny fahendrena amam-pianarana.

8 Anaka, henoy ny fampianaran-drainao, ary aza arianao ny fanoroan-dreninao,

9 fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany, ary ravaka ho an'ny vozonao.

10 Anaka, raha misy mpanota mitady hanambosy anao, aza mety mankasitraka hianao.

11 Raha izy ireo manao hoe: Avia hiaraka aminay; aoka hanotrika handatsa-dra isika; aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin'ny tsy manan-tsiny.

12 Aoka hitelina azy velona isika, hoatra ny seoly; hanao azy telimoka, toy ireo midina any an-davaka.

13 Fa hahazo fananana sarobidy isankarazany isika, hofenointsika babo ny tranontsika;

14 hahazo ny anjaranao miaraka aminay hianao amin'ny filokana; kitapo iray ihany no hiombonantsika rehetra.

15 Aza mandeha miaraka aminy eny an-dalana, anaka, avilio ny tongotrao tsy ho amin'ny sakeli-dalany;

16 fa mihazakazaka ho amin'ny ratsy ny tongony; ary midodododo handatsa-dra izy ireo.

17 Velarim-poana anefa ny fandrika harato, raha eo imason'ny zava-manan'elatra;

18 izy ireo koa dia ny rany ihany no anaovany otrika, ny ainy ihany no hamelarany fandrika.

19 Izany no lalan'ny olona rehetra fatra-pila harena; fa ny tombom-pihariana maharesy an'izay mitana azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1505