Bokin'ny Ohabolana

Toko voalohany

20 Miantso mafy eny an-dalam-be ny fahendrena; manandra-peo eny amin'ny kianja izy.

21 Mitory eo am-pihaonan-dalana maresaka izy; milaza ny teniny izy eo ambavahady sy eny an-tanana manao hoe:

22 Mandra-pahoviana, ry kely saina, no hitiavanareo ny fahakelezan-tsaina? Mandra-pahoviana no hifalian'ny mpananihany amin'ny fananihaniana, ary hankahalan'ny adala ny fahaizana?

23 Mitodiha hianareo hihaino ny fananarako, dia indro haidiko ao aminareo ny fanahiko, hampahafantariko anareo ny teniko.

24 Noho izaho miantso anefa, fa lavinareo, noho izaho mamela-tanana, fa tsy misy mitandrina,

25 noho hianareo tsy manahy ny saina atolotro rehetra, ary tsy tianareo akory ny fananarako:

26 dia izaho kosa hihomehy anareo tra-pahoriana, hananihany anareo raha avy izay zava-mahatahotra anareo,

27 raha avy hamely anareo, toy ny rivo-doza, ny zava-mahatahotra, raha hanorana anareo, toy ny tafio-drivotra, ny loza, raha hianjeram-pahoriana aman'ahiahy hianareo.

28 Amin'izay izy ireo hiantso ahy fa tsy hovaliako, hitady ahy fa tsy hahita ahy,

29 satria izy ireo nankahala ny fahaizana, ka tsy naniry ny fahatahorana an'ny Tompo;

30 satria tsy nandray ny saina natolotro, ary tsy nanao ho zavatra ny fananarako rehetra,

31 dia hihinana ny vokatry ny lalany izy, sy hivoky ny saim-pantatry ny tenany.

32 Fa ny faniasiavan'ny tsy mahalala no mamono azy, ary ny tokin'ny tsy misy saina no mahavery azy.

33 Fa izay mihaino ahy kosa handry fahizay; ho velona amim-piadanana izy fa tsy hatahotra ny loza.

Toko faha-2

1 Anaka, raha mandray ny teniko hianao, ary mitana ny didiko ao aminao,

2 mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena hianao, ka mampirona ny fonao ho amin'ny fahalalana;

3 eny, raha miantso ny fahamalinana hianao, ka manandra-peo amin'ny fahafantarana,

4 raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy hianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra;

5 dia ho azonao an-tsaina ny fahatahorana an'ny Tompo, ary ho hitanao amin'izany ny fahalalana an'Andriamanitra.

6 Fa Iaveh no manome ny fahendrena; avy amin'ny vavany no ivoahan'ny fahaizana amam-pahamalinana.

7 Mitahiry ny fahasambarana ho an'ny olona mahitsy fo izy, ary ampinga ho an'izay mandeha amin'ny fahalavorariana.

8 Miaro ny sakeli-dalan'ny fahamarinana izy, miambina ny lalan'izay miraiki-po aminy.

9 Amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny, ary ny hitsiny mbamin'ny lalana rehetra ho amin'ny tsara.

10 Rahefa tonga ao am-ponao ny fahendrena, ka hankafizin'ny fanahinao ny fahaizana,

11 dia hitandrina anao ny fisainana, ary hiambina anao ny fahalalana,

12 mba hanafaka anao amin'ny lalan'ny ratsy fanahy, amin'ny olona manao resaka ratsy,

13 amin'izay miala amin'ny lala-mahitsy, ka mizotra amin'ny lalana maizina;

14 ary ny manao ratsy no ifaliany sy izay faharatsiana mihoa-pampana no iravoravoany;

15 sakeli-dalana miolikolika no alehany ary lalana miolakolaka no ombany;

16 hanafaka anao amin'ny vehivavy efa an'ny hafa, amin'ny vehivavy efa an'olon-kafa izay manao teny mandrobo,

17 izay mandao ny naman'ny fahatanorany, sy manadino ny fanekeny amin'ny Andriamaniny;

18 fa efa miraika ho amin'ny fahafatesana izy sy ny tranony, ary mankany amin'ny afobe ny lalany;

19 tsy misy miverina izay rehetra mandeha aminy, tsy misy mahita ny lalan'ny fiainana intsony, na dia iray aza.

20 Dia handeha amin'ny lalan'ny olona tsara fanahy hianao, ary hifikitra amin'ny lalan'ny marina.

21 Satria ny olo-mahitsy fo no honina amin'ny tany, ary ny olo-marina no ho tafatoetra eo.

22 Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, ary ny mpivadika hongotana hiala eo.

Toko faha-3

1 Anaka, aza manadino ny fanoroako, ary tanonao am-ponao ny didiko.

2 Fa izany no hahazoanao andro lava aman-taona hiainana sy hiadanana.

3 Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehi-vozona izany ary sokiro ao amin'ny latabatry ny fonao.

4 Dia hahita fitia sy hanana ny fahendrena marina hianao, eo imason'Andriamanitra sy ny olombelona.

5 Matokia an'ny Tompo amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'izay sainao ihany.

6 Mihevera azy amin'ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao izy.

7 Aza manao anao hendry eo imasonao, fa matahora an'ny Tompo ary miala amin'ny ratsy.

8 Fahasalamana ho an'ny vatanao izany, ary famelombelomana ho an'ny taolanao.

9 Manomeza voninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanananao, sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.

10 Dia ho feno hipokipoka ny fitoeram-bokatrao, ary hihoatra ny fandomana azy ny divainao vaovao.

11 Anaka, aza manamavo ny fananaran'ny Tompo, ary aza mankahala ny famaizana ataony.

12 Fa izay tian'ny Tompo no faiziny, toy ny ataon'ny ray amin'ny zanaka malalany.

13 Sambatra ny olona nahita ny fahendrena, sy izay olona nahazo ny fahalalana.

14 Fa aleo mahazo izany toy izay mahazo volafotsy; aleo manana izany toy izay manam-bolamena madio.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.29