Bokin'ny Ohabolana
Toko faha-3
15 Sarobidy noho ny voahangy izy, ary tsy misy mitovy aminy izay firavakao rehetra.16 Andro lava iainana no eo an-tanany ankavanana, harena amam-boninahitra no eo an-tanany ankavia.
17 Lala-mahafinaritra ny lalany, fiadanana avokoa ny sakeli-dalany rehetra.
18 Hazon'aina izy ho an'izay mambabo azy, ary sambatra izay mifikitra aminy.
19 Ny fahendrena no nanorenan'ny Tompo ny tany, ny fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
20 Fahaizany no nivakian'ny hantsana, sy ampitetevan'ny rahona ny ando.
21 Anaka, aoka tsy hiala eo imasonao fa tano ny fahendrena amam-pisainana;
22 fa aina ho an'ny fanahinao izany: ary haingo ho an'ny vozonao.
23 Dia hizo-dalana aman-toky hianao; ary tsy ho tafintohina ny tongotrao.
24 Mandry hianao tsy hanan-tahotra, tafandry indray ho mamy torimaso.
25 Tsy hisy hatahoranao na ny fampitahorana tonga tampoka, na ny famelezana avy amin'ny ratsy fanahy.
26 Satria Iaveh no ho tokinao; ary hiaro ny tongotrao amin'ny fandrika rehetra izy.
27 Aza manda ny hanao soa amin'izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy.
28 Aza manao amin'ny namanao hoe: Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome, raha azonao atao ny manome eo no ho eo.
29 Aza misaina hanisy ratsy ny namanao, rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy.
30 Aza mifanditra foana aman'olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy.
31 Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana ombany kely akory;
32 Satria halan'ny Tompo ny olon-dratsy fanahy, fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra.
33 Ny ozon'ny Tompo dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; fa ny fonenan'ny marina kosa omeny tsodrano.
34 Mananihany izay mpananihany izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena.
35 Anjaran'ny hendry ny voninahitra; fa ny adala kosa, fahafaham-baraka no anjarany.
Toko faha-4
1 Henoy, anaka, ny anatry ny ray, ary mitandrema mba hahazo fahalalana,2 fa fampianarana soa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
3 Izaho koa dia zanaka ho an'Ikaky fahizay, zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan'ineny.
4 Dia notoroany sy nataony hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; tandremo ny didiko dia ho velona hianao.
5 Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana; aza hadinoinao ny tenin'ny vavako, ary aza mivily miala amin'izany.
6 Aza mahafoy azy fa harovany hianao; tiavo izy fa hitahiry anao.
7 Izao no fiandohan'ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena; izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
8 Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao; fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy.
9 Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; horavahany satro-boninahitra tsara indrindra hianao.
10 Henoy, anaka, ary raiso ny teniko, dia hihamaro ny taona hiainanao.
11 Manoro anao ny lalam-pahendrena aho, mitarika anao amin'ny sakeli-dalan'ny fahitsiana.
12 Raha mandeha hianao tsy ho ety lalana, raha mihazakazaka tsy ho tafintohina.
13 Tano ny fahalalana ka aza avela; iraiketo izy fa fiainanao.
14 Aza miditra ny sakeli-dalan'ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin'ny lalan'ny olon-dratsy.
15 Halaviro izany fa aza lalovana akory; mivilia hianao, dia mizora.
16 Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny; ary mahita tory tsy nahalavo olona;
17 Mofom-paharatsiana no fihinany, divaim-pahalozana no fisotrony,
18 Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan'ny marina, ka mitombo hazavana hatramin'ny fiposahan'ny andro.
19 Fa toy ny aizina kosa ny lalan'ny ratsy fanahy, ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
20 Anaka, tandremo ny teniko, mampandria sofina amin'ny lahateniko.
21 Aza avela hanalavitra ny masonao izy, fa tahirizo ao anatin'ny fonao,
22 Satria aina ho an'izay mahazo azy izany, ary fahasalamana ho an'ny vatany manontolo.
23 Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao; fa avy ao aminy no ihavian'ny loharanon'aina.
24 Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelipelika; ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina.
25 Aoka ny masonao hahitsy fijery, ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao.
26 Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra.
27 Aza mivily miankavanana na miankavia; ary esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
Toko faha-5
1 Anaka, tandremo izao fahendreko izao, ary mampandria sofina amin'izao fahalalako izao;2 mba hitahirizanao ny fisainana, sy haharetan'ny molotrao amin'ny fahanginana.