Bokin'ny Eklesiastika
Toko voalohany
30 Aza manandra-tena hianao, fandrao dia miongana; ka hanafo-kenatra ny tenanao hianao. Fa ny Tompo hanambara izay afeninao, ka handronjina anao ho eo afovoan'ny fivoriana, noho hianao tsy nilozoka tamin'ny fahatahorana ny Tompo, ka feno fitaka ny fonao.
Toko faha-2
1 Anaka, raha mandroso hianao hanompo ny Tompo, omany ho amin'ny fizahan-toetra ny fanahinao.2 Ahitsio ny fonao, ka mahareta, ary aza mikoropaka foana amin'ny andron'ny fahoriana.
3 Miraiketa amin'Andriamanitra hianao, ka aza misaraka aminy, mba hitomboanao ho amin'izay hiafaranao.
4 Ekeo avokoa izay manjo anao, ary mandefera amin'ny fifandimbiasan'ny fietrenao.
5 Fa ny volamena sy ny volafotsy aofana amin'ny afo; ary ny olona ankasitrahan'Andriamanitra kosa, amin'ny memin'ny fietrena.
6 Matokia an'Andriamanitra ary izy hanarina anao; mizora amin'ny lala-mahitsy, ary manantena azy.
7 Miandrasa ny famindram-pony, hianareo matahotra ny Tompo, ary aza mivily lalana, fandrao dia levona hianareo.
8 matokia azy, hianareo matahotra ny Tompo, dia tsy ho very valisoa hianareo.
9 Manantenà, hianareo matahotra ny Tompo, ny hasambarana, ny hafaliana mandrakizay sy ny famindram-po.
10 Diniho ange ny taranaka fahagola, ka fantaro; iza no nanantena ny Tompo, ka nahazo henatra na oviana na oviana? Zovy no naharitra tsy niala tamin'ny fahatahorana azy, ka mba nilaozany? Iza no niantso azy, ka latsa no hany azony?
11 Fa miantra sy mamindra fo ny Tompo, ary mamela heloka sy mamonjy amin'ny andro mahory izy.
12 Loza ho an'ny fo ketraka sy ny tànana osa, sy ny mpanota miroa làlana!
13 Loza ho an'ny fo kanosa, fa tsy matoky an'Andriamanitra izy! Ka tsy mba hahazo fiarovana.
14 Loza ho anareo manary faharetana! Hanao ahoana hianareo, amin'ny andro hamangian'ny Tompo?
15 Izay matahotra ny Tompo, tsy mba mandà tsy hihaino ny teniny, ary izay tia azy, mitandrina ny lalàny, tsy mivadika!
16 Izay matahotra ny Tompo, mitady izay sitrany, ary izay tia azy mivoky ny lalàny.
17 Izay matahotra ny Tompo, mamboatra ny fony, ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany,
18 manao hoe: Ho lavo eo an-tànan'ny Tompo izahay, fa tsy eo an-tanan'ny olombelona; satria, araka ny haben'ny fahefany no haben'ny famindram-pony koa.
Toko faha-3
1 Anaka, henoy aho, rainareo, ary ataovy izay hahazoanareo ny famonjena.2 Fa sitraky ny Tompo ny hanajan'ny zanaka ny rainy; ary nanorina ny fahefan'ny reny amin'ny zanany izy.
3 Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
4 ary fanangonan-karena ny manaja ny reny.
5 Izay manaja ny rainy, hampifalin'ny zanany, ary hohenoina amin'ny andro ivavahany izy.
6 Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana, izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
7 Izay matahotra ny Tompo, manaja ny ray aman-dreniny, ary manompo toy ny tompony izay nahitany masoandro.
8 hajao ny rainao, na amin'ny asa, na amin'ny teny, mba hirotsahan'ny tsodranony aminao,
9 fa ny tsodranon-dray mampiorina mafy ny tranon-janany, ary ny ozon-dreny kosa mamongotra izay efa miorina.
10 Aza mirehareha amin'ny fahafaham-barakan-drainao; fa tsy mety hahazoanao voninahitra ny henatra mahazo azy:
11 satria ny voninahitry ny rainy no ihavian'ny hajan'ny olombelona; ary ny reny voatevateva dia henatra ho an'ny zanany.
12 Anaka, tohano amin'ny andro fahanterana ny rainao, ary aza mampalahelo azy, amin'ny andro iainany.
13 Raha avy izay haharerahan'ny fanahiny, iantrao izy, ary aza manatsinontsinona azy, rahefa be indrindra ny tanjakao.
14 Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy; ary hisolo toerana ny fahotanao, ny fanambinana ho tonga amin'ny tranonao.
15 Fa hotsarovan'ny Tompo hianao, amin'ny andron'ny fahoriana; ka ho toy ny ranomandry amin'ny andro tony, no ho fahalevon'ny fahotanao.
16 Izay mahafoy ny rainy, manahaka ny mpiteny ratsy an'Andriamanitra, ary ozonin'Andriamanitra izay mampahatezitra ny reniny.
17 Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao, dia ho tian'ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra hianao.
18 Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena dia hahita sitraka amin'Andriamanitra hianao;
19 fa lehibe ny fahefan'Andriamanitra, ary ankalazain'ny manetry tena izy.
20 Aza mitady izay sarotra loatra hianao, ary aza mikaroka izay tsy tratry ny herinao hianao.
21 Izay andidiana anao no tsy maintsy heverinao, fa tsy manan'inon-katao amin'ny zava-miafina hianao.
22 Aza milozoka amin'izay ambin-draharaha, fa ny naseho anao aza izao, efa tafahoatra noho ny azon'ny sain'olombelona fantarina.
23 Efa nampivaona olona maro be ny fahadisoan-keviny ka nampivaona ny hevitr'izy ireo, ny hambo mahameloka.
24 Izay tia ny zava-mampidi-doza, hahita loza amin'izany, ary ny fo mafy mianjera amin'ny loza, amin'ny farany.
25 Ny fo mafy ho tototry ny fahoriana, ary ny mpanota, manovona ota ny ota.
26 Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona; fa efa latsa-paka ao aminy ny tsirin'ny fahotana.
27 Ny fon'ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana, ny mahita sofina mitandrina no fanirian'ny hendry.
28 Ny rano mamono ny afo midedadeda indrindra; ary ny fiantrana manonitra ny fahotana.
29 Izay mamaly ny soa natao, mitsinjo ny ho avy, ka hahita fiankinana izy, amin'ny andro mahory.
Toko faha-4
1 Anaka, aza manala fivelomana ny mahantra; ary aza mampiandry maso ny tsy manana.2 Aza mampahory ny fanahin'ny noana; ary aza mampitombo fahoriana ny olona tsy manana.