Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-4
3 Aza vao mainka mahatezitra ny fo misafoaka; ary aza milasilasy fanome ny mahantra.4 Aza atositosika ny mpangataka ory, ary aza iambohoan-tava ny mahantra.
5 Aza miamboho tsy mijery ny malahelo ary aza avela hisy antony hanozonany anao;
6 fa raha manozona anao amin'ny fahorian'ny fony izy, dia hohenoin'ilay nanao azy ny fangatahany.
7 Ataovy mahafinaritra ny be sy ny maro hianao; ary aondreho ny handrinao eo anoloan'ny lehibe.
8 Henoy teny ny mahantra; ary omeo valy amin-kamoram-po izy, hahafinaritra azy.
9 Afaho amin'ny tanan'ny mpampahory azy, izay ampahoriana; ary aza osa foana raha mitsara hianao.
10 Aoka ho toy ny ray amin'ny kamboty hianao, ho toy ny vady amin'ny renin'izy ireo, dia ho toy ny zanaky ny Avo indrindra hianao; ary ho tianao mihoatra noho ny reninao izy.
11 Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an'izay mikatsaka azy izy.
12 Izay tia azy, tia fiainana; ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana.
13 Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany, ary amin'izay rehetra hidirany dia hitsofan'ny Tompo rano azy avokoa.
14 Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo.
15 Izay mihaino azy, hitsara ny firenena; ary izay manatona azy honina fahizay.
16 Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy.
17 Satria amin'ny voalohany izy, miara-mandroso amin'ny lalan-tsarotra miaraka aminy; mampihavy tahotra aman-korohoro aminy izy; mampijaly azy amin'ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin'ny didiny.
18 Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin'ny lala-mahitsy indray izy, ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy.
19 Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza.
20 Tandremo ny fotoana, ary fadio ny ratsy, ka aza misy tokony hahazoanao henatra amin'ny tenanao.
21 Misy henatra mitarika ny ota; ary misy henatra mitarika voninahitra amam-pahasoavana.
22 Fadio izay henamaso olona, hanimba ny fanahinao, ary aza dia menatra hahitanao fahaverezana.
23 Aza mitan-teny amin'ny fotoam-pamonjena ary aza manafim-pahendrena, mba hireharehana foana.
24 Fa amin'ny fiteny no hahalalana ny fahendrena, ary amin'ny tenin'ny lela, no isehoan'ny fahaizana.
25 Aza manohitra ny marina fa menara noho hianao tsy ampy fahalalana.
26 Aza menatra ny hiaiky heloka ary aza manoha ny fandehan'ny ony.
27 Aza manaiky izay olona adala, ary aza resin-kenamason'izay olo-manam-pahefana.
28 Miadia miaro ny marina, mandra-pahafatinao, ary ny Tompo Andriamanitra hiady hiaro anao.
29 Aoka hianao tsy ho mafy teny, na ho kamo aman-kanosa amin'ny asanao.
30 Aoka tsy ho toy ny liona hianao ao an-tranonao, na ho be haitraitra eo amin'ny mpanomponao.
31 Aoka ny tànanao tsy hitsotra raha handray, nefa hihemotra kosa nony hanome.
Toko faha-5
1 Aza miankina amin'izay harenao, ary aza manao hoe: Manan-karena ampy aho!2 Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao, mba hanafa-po fanirian'ny fonao;
3 ary aza manao hoe: Zovy moa no Tompoko? Fa tsy maintsy hosazin'ny Tompo hianao.
4 Aza manao hoe: Efa nanota, ka inona izao no nanjo ahy? Fa mahari-po ny Tompo.
5 Aza dia afak'ahiahy ny amin'ny fanonerana, ka manampy ota ny ota.
6 Aza manao hoe: Be famindram-po Andriamanitra; ka hamela ny heloka maro be. Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana; ary mianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany.
7 Aza mitaredretra ny hibebaka amin'ny Tompo, ary aza mangatak'andro isan'andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran'ny Tompo, ka ho levona hianao amin'ny andro hamaliany.
8 Aza miankina amin'izay harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin'ny andro mahory.
9 Aza mikororoka amin'ny rivotra rehetra, ary aza mandeha amin'ny làlana rehetra, fa izany no fanaon'ny mpanota miroa lela.
10 Miorena amin'ny fihevitrao ary aoka ho tokan-teny hianao.
11 Ny mihaino no aoka hahafaingana anao; fa ny mamaly, aoka hiadana hianao.
12 Raha mahita hevitra hianao, no mamalia ny namanao; fa raha tsy izany kosa, tampeno amin'ny tànanao ny vavanao.
13 Ny voninahitra sy ny henatra, samy ao amin'ny teny; ary ny lelan'ny olona, dia mampidi-doza azy.
14 Aza mihantsy ny antsoina ho mpanaratsy; ary aza mamela-pandrika amin'ny lelanao; fa mianjera amin'ny mpangalatra ny henatra; ary misy fanamelohana mafy mahatratra ny miroa lela.
15 Aza diso na be na kely.
Toko faha-6
1 Aza sakaiza ka hanjary fahavalo, fa laza ratsy no ho anjaran'ny ratsy fanahy sy henatra amam-pahafaham-baraka; toy izany ny mpanota miroa lela.2 Aza manandra-tena avy amin'ny nahim-ponao, fandrao hobaboina ny fanahinao toy ny baboin'ny ombalahy.
3 Hihinana ny ravinao hianao, handevona ny voankazonao, ary hazo maina sisa havelanao aminao.
4 Ny fanahy ratsy, mahavery izay manana azy; ataony fihomehezan'ny fahavalony izy.
5 Ny teny mora, mahamaro sakaiza, ary ny fiteny mamy, dia be hamamiana.
6 Aoka ho maro izay mifankahazo tsara aminao, nefa iray monja amin'arivo no ilao hevitra.