Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-6

7 Raha te-hahazo sakaiza hianao, fizahan-toetra azy no aoka hahazoanao azy, fa aza malaky matoky azy foana.

8 Satria misy sakaiza manao anandrony, fa hihataka izy, amin'ny andro mahory anao;

9 misy sakaiza ho tonga fahavalo, ka hanambara ny adinareo, hahazoanao henatra.

10 Misy sakaiza, raha hiara-komana aminao, fa tsy haharitra ho izany intsony amin'ny andro hahory anao.

11 Amin'ny andro iadanana izy mitsangan-ko toy ny tenanao, ka hiresaka mora foana amin'ny ankohonanao.

12 Raha avy izay ietrenao, hitsangan-kanohitra anao izy, ary hiery anao.

13 Halavito ny fahavalonao, ary mitandrema tena amin'ny sakaizanao.

14 Ny sakaiza mahatoky dia fiarovana mahery, ka nahita rakitra izay nahita azy.

15 Tsy misy soa toy ny sakaiza mahatoky; tsy misy vato-mizana, azo andanjana ny vidiny.

16 Ody aina ny sakaiza mahatoky; izay matahotra ny Tompo no mahazo azy.

17 Izay matahotra ny Tompo no manam-pisakaizana marina, satria manahaka azy ny sakaizany.

18 Anaka, milozoha amin'ny fianarana, hatramin'ny vao tanora hianao, dia hahita ny fahendrena hianao, mandra-pahafotsin'ny volonao.

19 Manatòna azy, toy ny mpiasa tany sy ny mpamafy, ary miandrasa ny voka-tsoa avy aminy. Fa fotoana vitsivitsy no hisahirananao hiasa azy, ary vetivety foana dia hihinana ny vokany hianao.

20 Sarotra hanihina aoka izany izy raha ny tsy mahalala! Ka tsy haharitra hiraikitra aminy ny adala.

21 Fa toy ny vato mavesatra fitsapana, manindry azy izy, ka tsy ela akory dia akifiny ety.

22 Satria manamarina ny anarany ny fahendrena: tsy miseho amin'ny be sy ny maro izy.

23 Mihainoa, anaka, ka raiso ny hevitro, ary aza ariana ny torohevitro.

24 Ampidiro amin'ny parapaingony ny tongotrao, ary amin'ny fehivozony ny vozonao.

25 Aondreho hibaby azy ny sorokao, ary aza sosotra hianao, amin'ny famatorany.

26 Tongava any aminy, amin'ny fonao rehetra, ary araho ny làlany, amin'ny herinao rehetra.

27 Araho ny diany, ary katsaho izy, fa hiseho aminao izy ho fantatrao. Ka rahefa azonao kosa, aza ialana intsony.

28 Satria, hahita ny fiadanana hianao, amin'ny farany; ary hanjary foto-pifaliana ho anao izy.

29 Ny parapaingony, ho tonga fiarova-mahery ho anao, ary ny fehivozony ho fitafiana be voninahitra.

30 Fa firavaka volamena no eo an-dohany; ary lamba tenona Hiasinta no fehilohany.

31 Hotafianao ho akanjom-boninahitra izany, ary hataonao eo an-dohanao, ho fehiloham-pifaliana.

32 Anaka, raha tianao dia hahazo fahalalana hianao; ary raha mikely aina hianao, dia ho tonga mahay.

33 Raha mazoto mihaino hianao, hahazo fianarana; ary raha mampandry sofina, dia ho tonga hendry.

34 Mitoera eo amin'ny fivorian'ny anti-panahy; izay olon-kendry iraiketo fo.

35 Mazotoa mihaino ny teny rehetra momba an'Andriamanitra, ary aoka tsy hidify aminao ny foto-kevitry ny fahendrena.

36 Raha mahita olo-manan-tsaina hianao, vao maraina dia tongava eo akaikiny, ary ataovy masaky ny tongotra ny tokonam-baravarany.

37 Saintsaino ny didin'ny Tompo, ereto mandrakariva ny fitsipiny; fa izy no hankahery ny fonao, ary ny fahendrena irinao, homena anao.

Toko faha-7

1 Aza manao ratsy dia tsy hahazo anao ny ratsy.

2 Alaviro izay tsy an-drariny dia hanalavitra anao ny tsy an-drariny.

3 Anaka, aza mamafy amin'izay nosoritan'ny fahamarinana, raha tsy te-hijinja impito torak'izany hianao.

4 Aza mangataka ny fanapahana amin'ny Tompo, na fitoeram-boninahitra amin'ny mpanjaka.

5 Aza mitady hiseho ho marina eo anatrehan'ny Tompo, na mikendry hiseho ho hendry eo anatrehan'ny mpanjaka.

6 Aza maniry ho tonga mpitsara, fandrao tsy ampy hery hamongotra ny tsy rariny hianao; fandrao dia raiki-tahotra eo anoloan'ny manam-pahefana hianao, ka hilainao hariana ny tsy fiangaranao.

7 Aza manisy ratsy ny mponina rehetra iray tanàna, ary aza miantoraka eo afovoan'ny vahoaka.

8 Aza fehezina indroa ny fahotana, fa na amin'iray tsy ho afa-maina tsy akory hianao.

9 Aza manao hoe: Hodinihin'Andriamanitra ny hamaroan'ny fanatitra, ka rahefa manolotra izany amin'Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia horaisiny.

10 Aza osa amin'ny fivavahanao; ary aza manao tsirambina amin'ny fanaovam-piantrana.

11 Aza mandatsa ny olona ory fo, fa misy iray manetry sady manandratra koa.

12 Aza mamoron-dainga hamelezana ny rahalahinao; aza manao izany, hamelezana ny sakaizanao koa.

13 Mitandrema mba tsy hilaza lainga iray akory, fa ny lainga sesilany tsy mihodina ho soa.

14 Aza be teny raha miaraka amin'ny anti-panahy, ary aza mamerimberina ny teny fivavahanao.

15 Aza mankahala ny asa manasatra; na ny asa tany naorin'ny Avo Indrindra.

16 Aza manao ny tenanao ho isan'ny mpanota maro be indrindra; tsarovinao fa tsy ho ela akory ny famaliana.

17 Aoka hanetry mafy tokoa ny fanahinao hianao, fa afo aman-kankana no sazin'ny mpankahala fivavahana.

18 Aza atakalo vola ny sakaiza, na volamenan'i Ofira ny rahalahy.

19 Aza mihodina handao vady manan-tsaina sy tsara fo, fa mihoatra noho ny volamena ny hafinaretana avy aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1589