Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-33
31 Raha ratsy fitondra azy hianao, ka mitsoaka mandositra izy, aiza no lalan-kalehanao hitady azy?
Toko faha-34
1 Fanantenam-poana sy mamitaka no andrandrain'ny adala; ary ny nofy mampisidina ny kentrina.2 Toy ny mitady hisambotra aloka sy hahataka-drivotra, ny mandraiki-tsaina amin'ny nofy.
3 Zavatra iray araka ny iray hafa, no hitan'ny olona amin'ny nofy; toy ny sarin'ny tavan'olona anankiray, eo anoloan'ny tavany.
4 Inona no madio, mety hipoitra avy amin'ny fahalotoana? Inona no marina mety hipoitra avy amin'ny lainga?
5 Zava-poana ny fanandroana sy ny fambara ary ny nofy, tahaka ny anjoanjom-pieritreretana ao am-pon'ny vehivavy bevohoka.
6 Aza avela hiraikitra amin'izany ny fonao, afa-tsy raha nirahin'ny Avo Indrindra, amin'ny famangiana.
7 Fa efa namily lalana olona maro ny nofy, ary lavo izay nanankina ny fanantenany taminy.
8 Ny lalana no tanteraka tsy misy fitaka, toy ny ahatanterahan'ny teny misy fahendrena, aloaky ny vava mahatoky.
9 Mahay zavatra betsaka ny olona nahita fianarana; ary miteny amim-pahendrena ny olona ela nikarohana.
10 Izay tsy nozahan-toetra, kely zava-pantatra; ary izay efa nandeha nivahiny, be fahamalinana.
11 Nahita zavatra betsaka aho tany am-pivahiniako, ka be noho ny teniko ny fahaizako.
12 Matetika no efa saika maty aho, fa voavonjy noho izany fikarohana izany.
13 Ho velona ny fanahin'izay matahotra ny Tompo; fa amin'ny mpamonjy azy ny fanantenany.
14 Izay matahotra ny Tompo, tsy matahotra na inona na inona, tsy mangovitra izy fa Andriamanitra no fanantenany.
15 Sambatra ny fanahin'izay matahotra ny Tompo! Iza no iankinany, ary iza no manohana azy?
16 Ny mason'ny Tompo dia eo amin'izay tia azy; mpiharo mahery izy, ary fiankinana mafy, fialofana amin'ny rivotra avy atsinanana, fialofana amin'ny hainandro mirehitra avy atsimo, fiambenana amin'ny fanafintohinana, vonjy amin'ny fahalavoana;
17 manandratra ny fanahy, manazava ny maso, manome fahasalamana, fiainana amam-pitahiana izy.
18 Fanatitra vazivazy ratsy, ny harena azo tsy an-drariny atao sorona; ary ny vazivazin'ny mpanota, tsy ankasitrahan'Andriamanitra.
19 Tsy ankasitrahan'ny Avo Indrindra ny fanatitry ny mpankahala fivavahana, ary tsy ny hamaroan'ny zavatra atao sorona no amelany ny heloka.
20 Mamono zanaka eo imason-drainy, izay manatitra sorona nalaina tamin'ny fananan'ny mahantra.
21 Ny mofon'ny malahelo no ain'ny mahantra; fa izay manala izany aminy, dia mpamono olona.
22 Mamono mahafaty namana, izay maka ny fivelomany; mandatsa-dra izay mitana ny tambin'ny mpikarama.
23 Ny iray manorina, ny hafa kosa mandrava; inona no azon'ireo afa-tsy ny fisahiranana ihany?
24 Ny iray mivavaka, ny iray kosa manozona: ny feon'iza amin'izy roa tonta ireo no hohenoin'ny Tompo?
25 Izay misasa, avy nikasika ny maty, mikasika azy indray, inona no azony tamin'ny nisasany?
26 Toy izany ny olona mifady hanina noho ny fahotany, raha miverina manota indray izy: iza no hihaino ny fivavahany, ary hampaninona azy ny fietreny?
Toko faha-35
1 Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro2 ary ny miraikitra amin'ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana.
3 Ny misaotra dia manao fanatitra lafarina tsara indrindra;
4 ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.
5 Ny ankasitrahan'ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy; ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.
6 Kanefa aza miseho foan-tànana eo anatrehan'ny Tompo hianao,
7 fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.
8 Manatavy ny otely ny fanatitra marina; ary miakatra eo anatrehan'ny Tompo ny fofony manitra.
9 Mahafinaritra ny soron'ny olo-marina; ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an'izany.
10 Manomeza voninahitra ny Tompo, amin'ny fo mahafoy be; ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.
11 Amin'ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika hianao, ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.
12 Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao, amin'ny fo mahafoy be, araka izay azon'ny tananao.
13 Fa manome valy ny Tompo, ka hamerina impito hoatry ny nataonao.
14 Aza mitady hanangoly azy amin'ny fanatitra, fa tsy horaisiny akory izany,
15 ary aza miantehitra amin'izay fanatitra tsy marina; fa mpitsara ny Tompo, ary tsy mijery izay filaharam-piambonian'ny olona akory izy.
16 Tsy mizaha tavan'olona hamono antoka ny mahantra izy, ary mihaino ny vavak'izay ampahoriana.
17 Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho, na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy.
18 Tsy mirotsaka eo amin'ny takolany va ny ranomason'ny mpitondratena,
19 ary moa tsy mipoaka ny fidradradradrany mamely an'izay mampitomany azy?
20 Horaisina tsara izay manaja an'Andriamanitra araka ny fomba ankasitrahany, ary tafasondrotra hatrany amin'ny rahona ny fivavahany.
21 Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry tena, fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin'Andriamanitra izany; tsy hitsahatra izy, raha tsy efa nojeren'ny Avo Indrindra; dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana.
22 Tsy hampiandry akory ny Tompo, tsy handefitra intsony izy, amin'ny mpampahory; mandra-panorotorony ny valahan'ireo olona tsy miantra ireo,
23 sy hanaovany famaliana ny firenena; mandra-pandringany ny ankamaroan'ireo mpiteny ratsy an'Andriamanitra, sy hanapatapahany ny tehim-panjakan'ny mpankahala fivavahana;