Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-35
24 mandra-pamaliny ny olona, araka ny asany, sy hamaliany ny asan'ny olona araka ny heviny;25 mandra-pandrainy eo an-tanany ny adin'ny vahoakany, sy hampifaliany azy amin'ny famindram-pony.
26 Tsara tamin'ny fotoana nampahoriana an'Israely ny famindram-po, toy ny rahona mitondra orana, amin'ny fotoana main-tany.
Toko faha-36
1 Mamindrà fo aminay, ry Tompo Andriamanitr'izao rehetra izao, ka jereo:2 ary arotsahy amin'ny firenena rehetra ny fampahatahoranao.
3 Atsangano hamely ny firenen-kafa ny tananao, ary aoka hotsaroan'ny ainy ny herinao.
4 Araka ny nanehoanao ny fahamasinanao teo anatrehan'izy ireo namay anay, no anehoy ny fahalehibeazanao eo imasonay, mamay ny mpampahory anay.
5 Ary aoka ho fantatr'izy ireo, tahaka ny nahafantaranay, fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao, ry Tompo!
6 Avereno indray ny famantarana, ataovy indray ny fahagagana,
7 ankalazao ny tà nanao sy ny sandrinao ankavanana.
8 Hetseho ny haviniranao, arotsaho ny hatezeranao,
9 aringano ny mpankahala, fongory ny fahavalo.
10 Hafaingano ny fotoana, ary tsarovy ny fianianana; ka aoka hankalazaina ny asanao lehibe!
11 Aoka holevonin'ny afo mahamay izay sendra afa-mandotsitra, ary ho hitan'izay mampahory ny vahoakanao ny fahaverezana.
12 Montsany ny lohan'ny lehiben'ny fahavalo, izay manao hoe: Tsy misy afa-tsy isika ihany!
13 Angony avokoa ny fokon'i Jakoba ka avereno aminy indray ny lova toy ny tamin'ny voalohany.
14 Tompo o, mamindra fo amin'ny vahoakanao, izay antsoina amin'ny anaranao, sy amin'Israely izay nataonao toy ny lahimatoa.
15 Iantrao ny tanana misy ny fitoeranao masina, dia Jerosalema fitoerana fitsaharanao.
16 Fenoy ny teny to avy aminao Siona ary ny voninahitrao, ny vahoakanao.
17 Mitsangana ho vavolombelona miaro an'ireo zava-boaharinao hatramin'ny voalohany ary tanteraho ny fampanantenana nataonao tamin'ny anaranao.
18 Valio soa ireto olona manantena anao, ary aoka ho hita fa to teny ny mpaminaninao. Henoy, Tompo o, ny vavak'izay mitalaho aminao,
19 araka ny tso-dranon'i Aarona tamin'ny vahoakanao, ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany, fa hianao no Tompo Andriamanitra amin'ny taona rehetra.
20 Mandray hanina isan-karazany ny vavony, nefa misy hanina tsaratsara kokoa noho ny hafa.
21 Fantatry ny lanilany amin'ny tsirony ny henan-java-dia; ary fantatry ny fo manan-tsaina toy izany koa ny teny mamitaka.
22 Mahatonga alahelo ny fo ratsy, nefa mitandrin-tena aminy ny olona mahalala zavatra.
23 Raisin'ny vehivavy izao karazam-bady rehetra izao, nefa misy zazavavy tsaratsara kokoa noho ny hafa.
24 Mahamiramiran'endrika ny hatsaran-tarehim-behivavy, ary mihoatra noho ny fanirian'ny lehilahy fatratra indrindra.
25 Raha hita eo amin'ny lelany koa ny hatsaram-po aman-kalemem-panahy, dia tsy anisan'ny zanak'olombelona tsotra izao intsony ny vadiny.
26 Efa nahazo ny fototry ny hareny ny olona mahazo vady, izay namana mitovy aminy sy andry hiankinany.
27 Eo amin'izay tsy misy fefy, dia lasan-ko fandrobana ny tany: eo amin'izay tsy misy vehivavy, ny lehilahy dia misento mirenireny.
28 Zovy moa no hatoky ny jiolahy mailaka izay mitety tanana ombieny ombieny? Toy izany ny lehilahy tsy manam-ponenana; fa izay aharivan'ny andro no andriany.
Toko faha-37
1 Ny sakaiza rehetra samy milaza hoe: Izaho koa sakaizanao; nefa misy sakaiza amin'ny anarany fotsiny.2 Moa va tsy alahelo mila hahafaty, raha namana aman-tsakaiza no mivadika ho fahavalo?
3 Ry hevi-dratsy o, nivoaka avy aiza hianao, mba hanototra fitaka ny tany?
4 Ny mpinamana mifaly amin'ny fifalian'ny sakaizany; kanjo mivadika mamely azy izy amin'ny andro mahory.
5 Misy namana miombon'alahelo amin'ny sakaizany, mba hahavoky ny kibony. Kanjo ny ampingany no raisiny, nony manoloana ny ady.
6 Aza manadino ny sakaizanao ao am-ponao; ary aza manary ny fahatsiarovana azy, ao anatin'ny harem-be.
7 Samy manoro hevitra avokoa ny mpanoro hevitra; nefa misy manoro hevitra mikendry ny soa ho an'ny tenany.
8 Mitandrema tena amin'ny mpanoro hevitra, ary ataovy izay hahalalanao izay mety hahasoa azy aloha; - fa ny soa ho an'ny tenany no hanoroany hevitra. - Mba tsy hilokany ny aminao,
9 sy tsy hanaovany hoe: Tsara ny lalanao; dia hihataka manandrify anao izy hizaha izay hanjo anao.
10 Aza maka hevitra amin'ny olona manao jery vilana anao, ary afeno an'izay mialona anao ny fikasanao.
11 Aza maka hevitra amin'ny vehivavy, ny amin'ny rafiny; amin'ny kanosa, ny amin'ny ady; amin'ny mpivarotra, ny amin'ny takalo; amin'ny mpividy, ny amin'ny varotra; amin'ny mpialona, ny amin'ny fankasitrahana; amin'ny olona tsy mangoraka, ny amin'ny asa fiantrana; amin'ny kamo, ny amin'ny asa hatao na inona na inona; amin'ny mpikarama ao an-trano, ny amin'ny famitan-javatra; amin'ny mpanompo kamo, ny amin'ny lahasa lehibe; aza miankina amin'ireo olona ireo, amin'ny hevitra iray akory.
12 Fa aoka ho matetika hianao no ao amin'ny olona tia vavaka, izay fantatrao ho mpitandrina ny didy, manana fo araka ny fonao, ary hiarak'ory aminao, raha lavo hianao.
13 Manaraka izany dia aoka hifikitra amin'izay hevitry ny fonao hianao, fa tsy misy olona mahatoky toa azy, ho anao.
14 Fa indraindray ny fon'ny olombelona milaza zavatra betsaka mihoatra noho ny tily fito voapetraka hitily eo amin'ny havoana.
15 Ary amin'izany rehetra izany, mangataha amin'ny Avo Indrindra, mba hitari-dalana anao mazava tsara.
16 Mialoha ny asa rehetra ny teny: mialoha ny asa atao rehetra ny fandinihana.
17 Zavatra efatra no miseho ho mariky ny fiovaovan'ny fo:
18 ny tsara sy ny ratsy, ary ny fiainana sy ny fahafatesana; ka ny lela mandrakariva no tompon'ireny.
19 Misy olona malina sy mpampianatra ny maro, nefa tsy vanon-ko inona, raha ho an'ny tenany.