Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-39

5 Mazoto fo tokoa izy ny mandeha vao maraina hanatona ny Tompo nanao azy: mivavaka eo anatrehan'ny Avo Indrindra izy; manoka-bava hanao fivavahana, ary mifona noho ny fahotany.

6 Raha izany no sitrapon'ny Tompo, izay lehibe, dia ho feno fanahin'ny fahazavan-tsaina izy; ka hamafy mikararana ny tenim-pahendrena, ary hanome saotra ny Tompo, amin'ny fivavahany.

7 Ho hainy taritina ny fahamalinana amam-pahaizany, ary hianatra ny misterin'Andriamanitra izy.

8 Hitory ny fahaizan'ny fampianarana izy, ary hirehareha amin'ny lalan'ny faneken'ny Tompo.

9 Maro no hidera ny fahazavan-tsainy, ary tsy ho very tadidy na oviana na oviana izy; tsy ho levona ny fahatsiarovana azy, ary haharitra amin'ny taona mifandimby ny anarany.

10 Ny fireneny hitory ny fahendreny; ary ny fiangonana hankalaza ny fiderana azy.

11 Raha mbola velona izy, mijoro ho malaza noho ny arivo hafa ny anarany; ary rahefa hitsahatra indray izy, vao mainka hitombo ny voninahiny.

12 Mbola iriko ny hamoaka ny vokatry ny fandinihako, satria feno toy ny volana eo amin'ny fenomanany aho.

13 Mihainoa ahy, hianareo zanaka tia vavaka, ary mitomboa hoatra ny raozy amoron'ny ranovelona:

14 aoka handraraka, hoatra ny emboka, ny fofonareo manitra; ataovy mivelatra hoatra ny lisy ny voninareo. Alefaso ny hanitrareo, ary mihira hira fiderana, ka mankalaza ny Tompo, noho ny asa rehetra nataony.

15 Omeo voninahitra ny anarany; ataovy antso avo ny fiderana azy, amin'ny hiran'ny vavanareo sy ny valihanareo, ary ankalazao izy ataovy hoe:

16 Tsara dia tsara avokoa ny asan'ny Tompo, ary ho tanteraka amin'ny fotoany izay rehetra efa nalahany.

17 Tsy mety ny milaza hoe: Inona itony? Inona no asan'itony? fa samy hotadivana amin'ny fotoany avy ny zavatra rehetra. Tamin'ny teniny no niangonan'ny rano, toy ny antontan-javatra iray ihany, ary ny tenin'ny vavany iray ihany no nisian'ny fiangonan-drano.

18 Noho ny didiny dia tonga izay tiany; ary tsy misy mahasakana ny famonjena irahiny.

19 Eo anatrehany avokoa ny asan'ny nofo rehetra, ary tsy misy afa-miery amin'ny masony.

20 Mahatratra hatramin'ny mandrakizay ka hatramin'ny mandrakizay ny fijeriny, ary tsy misy zava-mahagaga eo anatrehany.

21 Tsy mety ny milaza hoe: Inona itony? Inona no asan'itony? fa nohariny hanan-toniany avokoa ny zavatra rehetra.

22 Tondraka hoatra ny ony ny fitahian'ny Tompo, ary manondraka ny tany hoatra ny safo-drano.

23 Manampatra ny hatezerany ho anjaran'ny firenena, toy izany koa izy, tahaka ny nanaovany ny tany mando tsara ho tanin-tsira.

24 Mahitsy ny lalany ho an'ny olo-masina, ary toy izany koa dia antom-pahalavoana ho an'ny ratsy fanahy izany.

25 Ny soa noharìna ho an'ny tsara, hatramin'ny voalohany, ary toy izany koa ny loza ho an'ny ratsy fanahy.

26 Izao no zavatra ilaina indrindra, hiveloman'ny olombelona, ny rano, ny afo, ny vy, ny sira, ny lafarinam-barim-bazaha, ny ronono, ny tantely, ny ranom-boaloboka, ny diloilo, ary ny fitafiana.

27 Zava-tsoa avokoa ireo zavatra ireo, ho an'ny olona tia vavaka; fa miova ho loza kosa izy ho an'ny mpanota.

28 Misy rivotra noharìna hanaovana famaliana, ka ny loza avy aminy no avoakany amin'ny fisafoahany. Hanampatra ny heriny izy, amin'ny andro fandravana, dia hampitony ny hatezeran'Ilay nanao azy.

29 Ny afo aman-kavandra, ny mosary mbamin'ny pesta, dia zava-noharina ho famaizana avokoa ireny;

30 torak'izany koa ny nifin'ny biby masiaka, ny maingoka sy ny menarana, mbamin'ny sabatra mpandringana mampidi-doza ny ratsy fanahy.

31 Mifaly amin'ny didin'ny Tompo ireo zava-boahary ireo; eto ambonin'ny tany ireny vonon-ko amin'izay ilana azy, ka rahefa tonga ny fotoana, tsy diso manatanteraka ny didiny izy.

32 Izany no naharetako tsara, tamin'ny hevitro, hatramin'ny voalohany, ka nony efa nandinika aho, dia nanao azy an-tsoratra:

33 Tsara avokoa ny asan'ny Tompo; ka ataony vonona amin'izay ilana azy ny zavatra rehetra ilaina.

34 Tsy misy tokony hilazana hoe: Ity ratsiratsy kokoa noho itsy; fa samy ho fantatra ho tsara avokoa izy, amin'ny fotoany.

35 Ary ankehitriny, mihira, amin'ny fo rehetra sy amin'ny vava, ka misaora ny anaran'ny TOmpo.

Toko faha-40

1 Ny olona rehetra dia voadidy hiharam-pahoriana lehibe; ary jioga mavesatra no manindry ny zanak'olombelona, hatramin'ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny, ka hatramin'ny andro handevenana azy ao an-kibon'ny reny iombonany.

2 Ny manabataba ny hevitr'izy ireo sy mampatahotra ny fony dia ny fiheverana ny zavatra ampoiziny, ny tahotra ny fahafatesana.

3 Hatramin'ny olona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana ao amin'ny voninahitra ka hatramin'ny ory mipetraka amin'ny tany sy eo ambony lavenona;

4 hatramin'ny mitafy jaky sy manao satro-boninahitra, ka hatramin'ny fadiranovana mitafy vorokitsay,

5 dia samy azon'ny hatezerana, fialonana, fitabatabana, tebiteby, fahatahorana ny fahafatesana, hasarotam-po amam-pifandirana: ary amin'ny fotoana ialany sasatra eo am-pandriana aza, korontanin'ny torimaso amin'ny alina ny heviny.

6 Vao miala sasatra kely, tsy ampy toy inona akory izy, dia kotranin'ny nofy miaraka amin'izay: mihevitra azy ho mandry tsy aman-afo amin'ny antoandro izy, ary tsiravina amin'ny fahitan'ny sainy, mova tsy ny olona mandositra raha hiady.

7 Amin'ny fotoana ahafahany dia tafafoha izy, ka gaga noho ny tahotahony foana.

8 Toy izany no manjo ny nofo rehetra, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby, ary ny an'ny mpanota aza mbola mihoatra impito noho izany.

9 Ny pesta, ny vonoan'olona, ny tsy fifanarahana, ny sabatra, ny antambo, ny mosary, ny fandringanana mbamin'ny loza hafa,

10 dia noharina hamely ny mpanota avokoa, ary ny amin'izy ireo koa no nahatongavan'ny safo-drano.

11 Izay rehetra avy amin'ny tany dia miverina amin'ny tany; toy ny iverenan'izay avy amin'ny rano ho any amin'ny ranomasina.

12 Ny fanatitra aman-karena rehetra azo tsy an-drariny, ho levona, fa ny hitsim-po haharitra mandrakizay.

13 Ny haren'ny tsy marina, ho ritra tahaka ny riaka; sy toy ny kotrokorana mafy, manakoako mandritra ny orana.

14 Hifaly ny olona mahalala malala-tanana, fa hiharam-pahoriana tanteraka kosa ny mpivadika.

15 Ny taranaky ny ratsy, tsy mba mitsimoka sampana maro; ary ny faka maloto dia eo ambony vatolampy mideza.

16 Ny volotara maniry eo akaikin'ny rano sy amoron'ny ony, no ongotana alohan'ny zava-maitso hafa rehetra.

17 Ny fanirian-tsoa dia toy ny saha voatahy, ary ny fanaovan-tsoa mitoetra mandrakizay.

18 Mamy ny fiainan'ny olona mahavita tena sy ny mpiasa: fa mamy noho izy roa tonta ireo ny fiainan'izay mahita rakitra.

19 Ny zanaka maro sy ny fanorenan-tanana mampaharitra anarana, tombanana mihoatra azy roa tonta ireo anefa ny vehivavy tsy misy tsiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.163