Bokin'ny Eklesiastika
Toko faha-40
20 Mahafaly ny fo ny divay sy ny zava-maneno, fa mihoatra noho izy roa tonta indray ny fitiavana ny fahendrena.21 Andrenesana feo manga ny sodina sy ny harpa: fa mihoatra noho izy roa tonta ireo ny vava maniry soa.
22 Hafinaretan'ny masonao ny hasoam-bika sy ny hatsaran-tarehy, fa mihoatra noho izy roa tonta ireo, ny zava-maitso eny an-tsaha.
23 Tafahoana indraindray ny sakaiza sy ny namany, fa mihoatra noho izy ireo indray ny vehivavy sy ny vadiny.
24 Ny rahalahy sy ny vonjy dia ho an'ny andro mahory, fa manafaka mihoatra noho izy ireo indray ny asam-pitiavana.
25 Ny volamena sy volafotsy mahamatotra ny fandeha, fa ny fahamalinana atao ambony mihoatra noho ireo.
26 Ny harena aman-kerim-po manandratra ny fo, fa ny fahatahorana ny Tompo no ambony noho ireo. Tsy manan-java-mahory ny olona raha eo aminy ny tahotra ny Tompo; raha eo izy tsy mila izay hiantso vonjy akory.
27 Toy ny zaridaina voatahy ny fahatahorana ny Tompo; a ry noravahan'ny Tompo voninahitra tsy misy toa azy izy.
28 Anaka, enga anie ka tsy ho velon-kangataka hianao; aleo maty toy izay mangataka.
29 Raha misy olona tafalatsaka hanandrandra ny fihinanan'ny sasany, tsy azo isaina ho fiainana akory ny fiainany. Fa mandoto ny fanahiny amin'ny hanin'olon-kafa izy, nefa zavatra hofadin'ny olona mahita fianarana sy tsara taiza izany.
30 Eo am-bavan'ny olona tsy manan-kenatra, mahafinaritra ny mangataka; nefa mandoro hoatra ny afo ao an-kibony.
Toko faha-41
1 Akory ity hangidin'ny fahatsiarovana anao, ry fahafatesana, ho an'ny velona am-piadanana ao anatin'ny hareny; ho an'ny olona afak'ahiahy, sy ambinina amin'ny zavatra rehetra; sady mbola afa-mankafy ny hafaliana amin'ny fihinanana.2 Ry fahafatesana o, mahafinaritra ny fanapahanao, ho an'ny tsy manana, ho an'izay efa lany hery, ho an'ny antitra efa vesaran'ny taona sy sahiranin'ny ahiahy tsy hita isa, ho an'ny tsy mionona amin'ny anjarany sy manary toky.
3 Aza matahotra ny fanapahan'ny fahafatesana: tsarovy ireo nialoha anao, sy izay ho avy any aoriana any.
4 Fanapahana nahatran'ny Tompo amin'ny nofo rehetra izany; ary haninona hianao no hiodina amin'ny sitrapon'ny Avo Indrindra? na velona folo taona hianao, na zato taona, na arivo taona; any amin'ny seoly tsy mampaninona izay halavan'ny andro niainana.
5 Zanaka ratsy loatra ny zanaky ny mpanota, izay miantrano matetika any amin'ny fonenan'ny mpankahala fivavahana.
6 Ho rava no alehan'ny lovan'ny zanaky ny mpanota, ary fahafaham-baraka no miraikitra amin'ny taranany.
7 Faniratsirana no atolotry ny zanaka ny ray mpankahala fivavahana, satria noho io ihany no nilatsahany amin'ny fahafaham-baraka.
8 Loza ho anareo, ry olona mpankahala fivavahana, izay mahafoy ny lalan'Andriamanitra Avo Indrindra!
9 Amin'ny nahaterahanareo, dia teraka ho an'ny fanozonana hianareo, ary amin'ny fahafatesanareo, dia ny fanozonana no ho anjaranareo.
10 Izay rehetra avy amin'ny tany dia miverina amin'ny tany; toy izany koa ny mpankahala fivavahana avy amin'ny fanozonana, ka mankany amin'ny faharavana.
11 Malahelo ny olona noho ny amin'ny vatany, fa ny anara-maharikorikon'ny mpanota ho foana.
12 Tandremo tsara ny anaranao, fa haharitra ho anao izany mihoatra noho ny rakitra volamena lehibe an'arivony.
13 Ny andro iainana amim-piadanana azo isaina, fa ny anarana soa kosa maharitra mandrakizay.
14 Anaka, tandremo amim-piadanana ny fampianarako: Fahendrena afenina, rakitra tsy hita; inona no ho asan'izy roa ireo?
15 Aleo olona manafina ny hadalany, toy izay olona manafina ny fahendreny.
16 Koa manana henatra amin'ny zavatra holazaiko izao. Fa tsy tsara ho fitahiry avokoa ny henatra rehetra, ary tsy tsarain'ny olona araka ny marina avokoa ny zavatra rehetra.
17 Manana henatra ny amin'ny fijangajangana, eo anatrehan'ny ray aman-dreninao, ary ny amin'ny lainga eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny manam-pahefana;
18 ny amin'ny heloka eo anatrehan'ny mpitsara sy ny mpifehy, ny amin'ny fandikana ny lalana, eo anatrehan'ny fiangonana sy ny vahoaka; ny amin'ny tsy fahamarinana, eo anatrehan'ny namana aman-tsakaiza; ny amin'ny halatra eo anatrehan'ny tany ama-monina.
19 Amin'ny anaran'ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fanekeny, ataovy henatra ny mitehin-kiho eo ambonin'ny mofo; ny mihantsy eso amin'ny fandraisana amam-panomezana;
20 ny mangina eo anatrehan'izay miarahaba anao; ny mijery vehivavy janga;
21 ny mampiamboho ny tavanao amin'ny havana; ny maka ny anjarany sy ny fanomezana azy, ary ny mitily vehivavy manambady;
22 ny mivarilena amin'ny ankizivavinao, ka aza mijanona eo akaikin'ny fandriany; aoka ho menatra ny manao teny maharary eo anatrehan'ny sakaizanao hianao ary aza mandatsa rahefa avy nanome.
Toko faha-42
1 Aoka ho menatra ny manambara ny zavatra renao hianao, sy ny milaza ny zavatra miafina. Dia hanan-kenatra marina hianao amin'izay, ary hahazo sitraka eo anatrehan'ny olona rehetra.2 Aza menatra amin'ireto zavatra ireto, ary aza resin-kenatra olona, ka manao fahotana: Aza menatra ny lalan'ny Avo Indrindra sy ny fanekeny, ny teny fanamarinana ny mpankahala fivavahana,
3 ny miresaka amin'ny namana sy ny mpandalo, ny manome soa kely ny sakaizanao,
4 ny mampiasa mizàna marina sy vato marina, ny hahazo be na kely,
5 ny tsy mifidifidy olona amin'ny varotra sy amin'ny mpivarotra, ny mamay mafy ny zanakao, ny mikapoka hatramin'ny manao loa-dra, ny mpanompo ratsy fanahy.
6 Amin'ny vehivavy ratsy fanahy mety ny fitomboka, ary rahefa misy tana-maro, hidio am-panalahidy ny zavatra.
7 Isao sy lanjao izay atolotrao ny olonao; ary ataovy an-tsoratra izay omenao sy izay raisinao.
8 Aza menatra ny mananatra ny adala sy ny ketrina, mbamin'ny anti-panahy mifanditra amin'ny zatovo. Dia ho tena vita fianarana tokoa hianao amin'izany, sady hankatoavin'ny olona rehetra.
9 Ahiahy takona mahazo ny rainy ny zazavavy, ary tsy ahitany torimaso ny fiahiany azy; raha mipetraka ho mpitovo izy sao hihoatra ny taonan'ny fahatanorany, raha tafakambana amin'ny vadiny, sao hanjary halan-dralehilahy;
10 Mbola virjiny izy, mety ho voakojikojy, ka hanana anaka ao an-tranon-drainy; manambady indray sao hivadika amin'ny lalam-panambadiana; miara-mipetraka aminy izy sao hitoetra ho momba.
11 Amin'ny zazavavy maditra manaova fitandremana mafy, fandrao hianao ataony fihomehezan'ny fahavalonao, fanoharan'ny ao an-tanana, ambentin-dresaky ny vahoaka, ary alany baraka eo afovoan'ny vahoaka rehetra.
12 Aza ataonao ho zavatra loatra rahefa mety ho olona tsara tarehy, ary aza mipetraka eo amin'ny vehivavy;
13 fa ny fitafiana no ivoahan'ny kalalao, ary ny vehivavy kosa, ny haratsiam-behivavy.
14 Aleo lehilahy ratsy fanahy toy izay vehivavy mpanejokejo, fa mahasafo-kenatra sy mahafa-baraka ny vehivavy.
15 Hotsahiviko izao ny asan'ny Tompo, ary hotoriko izay hitako. Ny tenin'ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra.
16 Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra, asan'ny Tompo, feno ny voninahiny izy.
17 Ny olo-masiny dia tsy nataon'ny Tompo mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany, izay naorin'ny Tompo tsitoha mafy, mba ho mafy orina izao tontolo izao amin'ny voninahiny.