Bokin'ny Eklesiastika

Toko faha-44

10 Ireo voalohany dia olona tia vavaka, ka tsy hadino ny hatsaram-panahiny.

11 Raikitra ho anjaran'ny taranany ny hasambarana ary misy lova azo antoka ho an'ny zanany.

12 Maharitra tsy mivadika amin'ny fanekena ny taranany; mbamin'ny zanany koa noho ny amin'izy ireo.

13 Maharitra mandrakizay ny taranany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny voninahiny,

14 ny vatany nalevina tamim-piadanana, ary ny anarany velona amin'ny taona mifandimby.

15 Ny vahoaka mankalaza ny fahendreny; ary ny fiangonana mitory fiderana azy.

16 Sitraky ny Tompo Henaoka ka nafindra; ohatra amin'ny fivalozana, ho an'ny taranaka.

17 Hita fa lavorary sady marina Noe; izy no avotra ho an'ny olombelona tamin'ny andron'ny fahatezerana, hany ka mbola nisy sisa tavela tamin'ny tany, tamin'ny nahatongavan'ny safo-drano.

18 Nisy fanekena mandrakizay natao taminy, mba tsy handringanana ny nofo rehetra amin'ny safo-drano intsony.

19 Raza-malazan'ny firenena maro Abrahama, ary tsy nisy olona nitovy voninahitra taminy.

20 Nitandrina ny lalan'ny Avo Indrindra izy, ary nanao fanekena taminy. Naoriny tamin'ny nofony izany fanekena izany; ary niseho ho mahatoky izy tamin'ny fizahan-toetra azy.

21 Ka dia nanome toky azy tamim-pianianana Andriamanitra fa amin'ny taranany no hitahiana ny firenena; nomeny toky fa hohamaroiny toy ny vovoky ny tany izy sy hasandrany toy ny kintana ny taranany, ary homeny ho lovany ny hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, hatramin'ny ony ka hatramin'ny faran'ny tany.

22 Nohamafisiny toy izany tamin'Isaaka koa noho ny amin'i Abrahama, ny fitahiana ny firenena rehetra, sy ny fanekena.

23 Rahefa izany dia nataony mipetraka teo an-dohan'i Jakoba izany fitahiany izany ka nataony anton'ny fitahiany ny olona izy; nomeny ho lovany ny tany;

24 natokotokony maro izany, dia nozarainy tamin'ny foko roa ambin'ny folo.

Toko faha-45

1 Napoitrany avy amin'i Jakoba olona anankiray tia vavaka, izay nahita fitia tamin'ny nofo rehetra, olona tian'Andriamanitra sy ny olombelona, dia Moizy: Hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy!

2 Fa izy nomeny voninahitra sahala amin'ireo masina; nataony malaza noho ny fampahatahorana nampidiriny tamin'ny fahavalo.

3 Ny teniny no nampitsaharany ny zava-mahatalanjona, nomeny voninahitra teo anatrehan'ny mpanjaka izy: nomeny didy ho an'ny vahoakany, ary nampahitany ny tsirim-pahazavam-boninahiny anankiray.

4 Nohamasininy izy, noho ny finoany amankalemem-panahiny; nofidiny tamin'ny olombelona rehetra;

5 nampandrenesiny ny feony; nampidiriny tao anatin'ny rahona; nifanatrika taminy izy no notolorany ny didiny, dia ny lalan'ny fiainana amam-pahalalana, mba hampianarany an'i Jakoba ny fanekeny, sy an'Israely ny didiny.

6 Nasandrany koa Aarona olo-masina toa azy, rahalahiny avy amin'ny fokon'i Levì.

7 Nanao fanekena mandrakizay taminy izy, ary nanome azy ny fisoronan'ny vahoakany. Nampiraratiny amin'ny fihaingoana mamirapiratra izy ary nahodidiny azy ny akanjom-boninahitra.

8 Nampitafy azy fiandrianana ambony indrindra, ary nanendry fitafiam-boninahitra ho azy: dia ny kalesona, ny akanjo vity lava sy ny efoda.

9 Nohodidininy ampongaben-danitra izy, mbamin'ny lakolosy volamena madinika maro manodidina, izay tsy maintsy maneno rahefa mandeha izy, sy mampandre ny feony, ao amin'ny tempoly; fampahatsiarovana ho an'ny taranaky ny vahoakany izany.

10 Nahodidiny azy ny fiatifana masina, tenona volamena sy hiasinta; ary jaky asan'ny mpanao amboradara; ny rasionalin'ny fitsarana mbamin'ny Orima sy ny Tomima, nataon'ny mpahay zavatra, amin'ny kofehy mena mangatrakatraka,

11 misy vatosoa voalatsaka an-tranontranony, voasokitra toy ny fitomboka, sy voapetaka amin'ny volamena asan'ny mpahay vatosoa, mba ho fampahatsiarovana, fa misy anarana voasoratra araka ny isan'ny fokon'Israely.

12 Nasiany fehiloha volamena ny tiarany, misy izao teny voasokitra izao: Masin'ny Tompo; mari-boninahitra, taozavatra lavorary, hafinaretan'ny maso, fihaingoana kanto.

13 Tsy nisy zavatra toy izany talohany, sady tsy hisy na oviana na oviana koa. Tsy misy olon-kafa mitafy izany, afa-tsy ny zanany ihany, mbamin'ny taranany amin'ny taona mifandimby rehetra.

14 Hatolotra ny sorona dorana, indroa isan'andro tsy tapaka.

15 Moizy no nameno ny tananay, ary nanosotra azy amin'ny diloilo masina. Fanekena mandrakizay izany ho azy, sy ho an'ny taranany, raha mbola maharitra koa ny andron'ny lanitra, mba hanompoany ny Tompo, sy hanefany ny raharahan'ny fisoronana, ary hitsofany rano ny vahoakany, amin'ny anarany.

16 Nofidin'ny Tompo tamin'ny velona rehetra izy, mba hanolotra aminy ny fanatitra, ny zava-manitra, ny fofona manitra ho fahatsiarovana, sy hanaovana ny fanonerana ny fahotan'ny vahoakany.

17 Nomeny azy ao amin'ny didiny, ny fahefana amin'ny fandaharana masina, hampianarany an'i Jakoba ny didiny, sy hanoroany ny lalany amin'Israely.

18 Nisy olon-kafa nioko taminy, sy nialona azy tany an'efitra: dia ny olona niandany tamin'i Datana sy Abirona, ary ny antokon'i Kore, nisafoaka sy niafonafona.

19 Hitan'ny Tompo izany, ka tsy nankasitrahany, ka dia voaringana izy ireo tamin'ny firehetan'ny hatezerany; nanao zava-mahatalanjona namely an'ireny izy, ka nandevona azy tamin'ny lelafon'ny afony.

20 Ary nampitomboiny ny voninahitr'i Aarona, ary nanendry lova ho azy izy. Nomeny ho anjarany ny voaloham-bokatry ny tany; fa voalohany indrindra nanomanany mofo hamokisany azy izy ireo.

21 Ny fanatitra ho an'ny Tompo no niveloman'izy ireo; fa izany no nomeny an'i Aarona sy ny taranany.

22 Tsy mba nanan-dova eo amin'ny tanin'ny vahoaka anefa izy, na anjara eo afovoan'ny firenena, fa izaho no anjaranao sy lovanao, hoy ny Tompo.

23 Finea zanak'i Eleazara, no fahatelo amin'ny voninahitra, noho izy niseho ho mafana fo tamin'ny fahatahorana ny Tompo, ary raha ilay nivadika iny ny vahoaka, izy kosa nijoro tamin'ny herim-pony be voninahitra, sy nanao ny fanonerana ho an'Israely.

24 Izany no nanaovana fanekem-pihavanana taminy, ka nahatonga azy ho lehiben'ny mpisorona sy ny vahoakany, mba hananany izy sy ny taranany mandrakizay ny fiandrianana lehiben'ny fisoronana.

25 Nisy fanekena koa natao tamin'i Davida, zanak'i Jese amin'ny fokon'i Joda, ka ny zanany lahy iray ihany no mifandimby hatrany mandova ny mpanjaka, fa ny lovan'i Aarona kosa dia ny taranany rehetra no mahazo azy.

26 Homen'ny Tompo anareo anie, ry mpisorona lehibe, ny fahendrena ao am-ponareo hitsarana ny vahoakany araka ny rariny, mba tsy ho foana ny fanambinana azy, na ny voninahiny amin'ny taona ho avy!

Toko faha-46

1 Nahery an'ady Josoe, zanak'i Nona, izay nandimby an'i Moizy amin'ny fiambonian'ny mpaminany, ka nanamarina ny anarany, dia niseho ho lehibe tamin'ny fanafahana ny voafidin'ny Tompo; nanafay ireo fahavalo nanohitra, mba hampahazo an'Israely ny tany.

2 Endrey izany voninahitra azony, nony nanainga ny tanany izy, ka nanagana ny sabany, namely ny tanana.

3 Zovy tany alohany no nahatohana ady be toy izany, raha ny tenan'ny Tompo no nampiavy ny fahavalo?

4 Moa tamin'ny hasi-tanany, tsy nihemotra va ny masoandro, ary tsy toa andro roa va ny andro iray?

5 Niantso ny Andriana ambony indrindra izy, raha namoritra ny fahavalo hatraiza hatraiza; dia nihaino azy ny Tompo tsitoha, tamin'ny vato havandra mafy ery.

6 Ka tenan'izy Tompo no nirotsaka tamin'ny firenena nanohitra, sy nandripaka ny fahavalo, teo amin'ny hadilalana; mba hahalalan'ny firenena ny fiadian'i Josoe rehetra, sy ny hoe: eo anatrehan'ny Tompo ny ady iandraiketany, satria manaraka ny Tsitoha izy.

7 Tamin'ny andron'i Moizy no efa naneho sahady ny fitiavany vavaka izy, dia izy sy Kaleba, zanak'i Jefone, tamin'izy nanoha mafy ny fahavalo, nisakana ny vahoaka tsy hanota, ary nampangina ny fimonomononan'ny ratsy fanahy.

8 Ka dia izy roa lahy ireo no hany voatahiry, tamin'ny miaramila an-tongotra enina hetsy, mba hampidirina amin'ny lova, amin'ny tany tondra-dronono aman-tantely.

9 Ary ny Tompo nanome hery an'i Kaleba, - sady naharitra tao aminy hatramin'ny fahafatesany izany; ka afa-niakatra teo an-tampon'ny faritany izy, ary voatanan'ny taranany izany lova izany:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2306